festival(fivavahana fanasitranana)

1. soasoafy ( 11/07/2006 06:36)
Ahoana ny hevitrareo mikasika ilay fivavahana fanasitrahana natao eny atsimondrano(Antanikatsaka) tarihin'le Pasteur Docteur vazaha .
Raha ny fijeriko de to resy lahatra ihany ny ankamaroan'le ol manana marary na ny marary satri mafy ihany ny te ho sitrana.
Efa ho avy marina ve ny farany fa toa lasa tanteraka ary iainana @ zao fotoana zao ny soratra anaty Baiboly("Any @ andro farany dia ho tia vola,tia tena;tia voninahitra ny olona","hisy ny mpaminany sandoka";.......
répondu par prime le 28/07/2006 09:16
2. lapino ( 11/07/2006 07:17)
Antanikatsaka

Any Antanimpaiso indray ngamba ny manaraka :-D:-D:-D
3. dadabe ( 11/07/2006 10:10)
soasoafy > ny mahagaga ahy dia raha vao hoe Docteur pasteur avy any andafydia tsy misy manao ady hevitra firy fa maniky daholo ny ankamaroan'ny malagasy ary lasa ilay olona mihitsy az no andriandrianina :roll:, fa raha misy malagasy nomen'Andriamnitra fahasoavana dia asina ady hevitra lava be :roll:...indrisy malahelo anao aho ramalagasy
4. Achia ( 11/07/2006 13:50)
GASY :°):°) za lo gasy a . Dadabe a de diso ndray le teny hoe ny mpaminany tsy masina antaniny
5. prime ( 12/07/2006 08:20)
Soasoafy> nanatrika tany angaha ianao?:)
6. dadabe ( 12/07/2006 10:12)
achia zah anie tsy manohitra fa malahelo kely fotsiny e:(
7. prime ( 12/07/2006 10:18)
Raha ny hitsara hoe mpaminany sandoka ve ilay mpitory teny io no votoatin'ity lohahevitra ity dia tsotra ny hevitro : nanomboka t@ sabotsy izy izao no nitory teny ary isanandro dia tsy latsaky ny olona 30 no mijoro vavolombelona ampahibemaso fa sitrana t@ anaran'i Jesosy, ny t@ alahady teo aza (transmission t@ TV record) zaza nitondra beky no sitrana ka na ilay zaza aza sadaikatra be nony sitrana fa saiky mbola hampiasa beky nony hidina nefa efa mandeha be izao... Ka tsy sahy mi-se prononcer aho satria na tsy fjkm aza io mpitory io dia niasa t@ anaran'i Jesosy kosa aloha izy... Inona no fanahy niasa dia azy sy ny Tompo izany...:°)
8. Achia ( 12/07/2006 16:13)
Ie marina zany fa fa efa maro no manasitrana t@ anaran'i Jesosy fa mety maro ihany koa no tsy fantatr'ilay tena Jseosy
9. rabaradaka ( 13/07/2006 09:46)
O ry dadatoa, toa marina ny lazain'ny dadabe, f'angaha tokoa rehefa vazaha dia ankamasinina ? Fa tsy izay no tiako hiaviana ry dadatoa sy nenitoa, raha ny Fanahimasin'Andriamanitra marina no miasa dia Aleloia fa raha fitadiavan-karena kosa dia misokatra ny afobe. Fa ity koa araraotiko, feno pasteur afrikana ange eto amin'ny tanàna mampibebaka ny Gasy e, nefa dia hita izao fa mangoron-karena ry zalahy. Aleo tsy hanonona anaram-piangonana aho sao bedinareo eo. Mifantoha tsara amin'ny vavaka fa hoy ny Baiboly hoe "fa na ny vorona azy misy mpiahy, mainka fa ny asan'ny tanako, hoy Jehovah".
10. jentilisa ( 13/07/2006 12:10)
ka ireny ary efa nalefa nody
11. Achia ( 13/07/2006 12:44)
Ary ny gasy mora fitahina a ! nefa oe ny gasy nge ka fetsy e !
12. Zina ( 13/07/2006 16:25)
Dokotera izy? mety manana connaissance @ ny asany izy ...ary ampisainy @ fivavahana mety ho tsara... mety mande io raha misy ny finoana...
fa raha ohatra mangataka vola izy dia elao na mitory tsy arakin'ny baiboly.. ka izay mande any dia tokony hi-se mefier ihany.
13. prime ( 14/07/2006 12:53)
Izaho aloha ry zareo dia tsy sahy mi-se prononcer ho'aho...
achia:
Ie marina zany fa fa efa maro no manasitrana t@ anaran'i Jesosy fa mety maro ihany koa no tsy fantatr'ilay tena Jseosy
marina ny lazainao ary izay no lazaiko hoe azy sy ny Tompo indray izay... Fa izaho mantsy somary anisan'ireo somary tsy dia nivaky loha t@ izy io fa tena nahita maso aho (TV)... tsy mitaky vola izany izy amin'ny olona izay manatrika na ariary aza... tsy manavaka finoana izy fa izay te-hihaona @ Tompo dia antsoiny avokoa... Dia rehefa mitory teny izy dia @ teny anglisy mazava tsara kosa aloha, dia mbola ampiana mpandika teny... Fa tena @ anaran'i Jesosy Kristy mihitsy no iasàny ampahibemaso aloha... Mbola manamafy izy eny antsefatsefany eny hoe aza i Dr... no jerenareo fa tsy manana fahefàna na dia vary iray venty @ izany aza izy fa Jesosy jerena, ilay nohomboana t@ hazo fijaliana ka natsangana indray... Ka izay no tsy itenenako...
OOOOay, lasa lavabe fa miala tsiny, lasa mpitory teny ho'azy vetivety teo aho...:-D
14. Achia ( 15/07/2006 06:46)
fa ny mampanahy ahy kely de ty i Jesosy mitsy no nilaza hoe tandremo fa hisy Kristy sandoka ho avy @ anarako ao @ Matio ao io ka sao de mbo Kristy sandoka ohatra nzany lazainy zany fa efa maro mantsy no nilaza nahita io Kristy sandoka io fa ze mahita azy dia tena mahavita fahagagana be mihitsy ko a ahoana no fomba ahafantarana oe Kristy sandoka sa tena izy no hitanle ol
15. prime ( 17/07/2006 13:08)
Achia> Izay no mahatonga ny Tompo miteny hoe "Izahao toetra ny fanahy..."
Fa ny sandoka araka ny lazainao aloha raha vao manonona fotsiny ny anaran'i Jesosy dia vita ny aminy... (raha magicien izy na occultiste...tsy fantatro)
Fa etsy ankilany koa ny Tompo niteny hoe, "misy ondry hafa tsy amin'ity vala ity..." nefa mitory an'i Jesosy dia aza avahana izy... Tezitra mantsy ny mpianatra t@izay hoe nisy hafa ankoatry ny apostoly nitory an'Andriamanitra... :lol:
16. Achia ( 17/07/2006 13:20)
ahh da chy hiko aloha fa ny mampanahy ahy de sao tra tran'lay hoe : tsy fantatro nareo hatrizay2 miala amiko mpanao meloka :snif:
17. prime ( 17/07/2006 13:36)
Izay no mahatonga tsy miteny mi-se prononcer @ cas'ity Dr. ity... :lol:
18. Achia ( 17/07/2006 15:55)
de ahoana zany no fika ahafantarana ilay tena izy e ? sa hijanona @ le hoe refa mino de zay sa minoa fotsiny ihany e
19. prime ( 18/07/2006 11:18)
Achia> Rehefa miasa @ anaran'i Jesosy Kristy ny mpitoriteny iray, maneho sy manambara ny voninahiny, ka mitory Azy maty sy nohomboana t@ hazo fijaliana mba hamonjena ahy sy ianao ary ny olombelona rehetra t@ ota sy ny fahafatesana ka natsangana indray t@ maty, dia efa famantarana lehibe izany... Etsy ankilany rahateo ny mpino efa voavonjy dia tsara raha mangataka ka manaiky feno handray ny Fanahy Masin'Andriamanitra hanoro azy ny marina sy ny sitrak'Andriamanitra... :)
20. Achia ( 18/07/2006 17:12)
Odray ka miasa @ anaran'i Jesosy nge le ol e ! sady milaza izy fa nitsangana t@ ny maty etsetra e ! de ahoana zany marina daholo zany refa milaza anzany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0471