fampirafesana

1. mi ( 08/07/2006 01:24)
Isika vhv raha mampirafy de tahaka ny mitifitra totohondry ny vata-koron'ny lehilahy, :x:cry::? :x ,marina ve zany? sa sika ndray no mety ifoteran'ny rambony?:D:D:D
répondu par kanto10 le 25/10/2006 23:49
2. fameusecousine ( 08/07/2006 02:00)
ny vehivavy rehefa tia tsy mampirafy zany fa matetika ny lelihaly no tsy mahy mionona sy tsy mahalala tiavina ..zay aloha no hitako ehh,,za rehefa tia de tia ka tys mandaitra amiko io ,,za fona mo voa..8O
3. lapino ( 08/07/2006 02:13)
Marary amin'ny lehilahy aloha raha mampirafy ny vehivaviny e!

Kanefa mandrora mitsilany ny vehivavy manao an'izany. Fa raha izy aza moa mety ho fametavetan'ny sasany, lasa décharge ho an'izay poritra, tsy rambo iray fotsiny no mifototra aminy, raha tianareo moa izany ko tsy ndeh!! Raha dia mavesatra loatra izany fitiavana te-hitifitra totohondry ny vatan'oron'ny lehilahy izany :wink::D
4. booboo ( 08/07/2006 06:24)
Na lahy na vavy rehefa mahafantatra hoe mampirafy ny olon-tiany dia samy mahatsiaro maharary aby...ny lehilahy zany ny orony fa ny an'ny vehivavy mety @ faritra hafa mety hoe ny kibony ve ? hihihihihihi


Kanefa mandrora mitsilany ny vehivavy manao an'izany. Fa raha izy aza moa mety ho fametavetan'ny sasany, lasa décharge ho an'izay poritra, tsy rambo iray fotsiny no mifototra aminy, raha tianareo moa izany ko tsy ndeh


:-D:-D:-D...aza mitompo teny fantatra loatra fa tsy hain'ingahy na ho tratra ingahy rehefa "voafatotra" na ho 1 min fotsiny aza ka haniry vehivavy hafa.... @ zay ingahy tsy hieritreritra hoe mametaveta io vehivavy io mihitsy ....
5. marieange ( 08/07/2006 06:25)
Na fy aza ny amalona ny lela tsy atao jono, tsy misy mamy ohatran'ny zanaka fa rehafa manaiki-nono akifika, amiko ny question hoe ratsy ve ny mampirafy? tsia, miankina amin'ny tsirairay io, izany hoe: plaisir anie no tadiavina e, raha fy ny eto mamy koa anie ny ery e, raha raisina ho plaisir le izy de tsy olana, fa raisina fankahalana ny vadin'ny tena dia loza satria ny tena ihany no voafitaka, IZA NO MITONDRA NY TAOLAM-BE TSY MITAPAKA, ny ratsy fotsiny dia rehefa mampirafy ka zatra dia ny kabonet no lasa mitov amin'ny tena
6. fasaly ( 08/07/2006 06:35)
marina veuh zany ry lapino?????? ka lay izy raha mampîrafy lay sipa misy antony ary matoa manana 2 eme bureau de misy fitavana ao kanou! de tsisy anzany poritra sy décharge zany kosa e! hummmmmm! efa azo lazaina fa feeling vaovao njay lay izy nge e!:wink:

fa tena kozy veuh zany hoe:
Mpandefa : lapino [ Valio ] 08-07-2006 07:13:17
Lohateny : Re : fampirafesana
Marary amin'ny lehilahy aloha raha mampirafy ny vehivaviny e!
7. pissoa ( 08/07/2006 08:22)
lapino:

Marary amin'ny lehilahy aloha raha mampirafy ny vehivaviny e!

Kanefa mandrora mitsilany ny vehivavy manao an'izany. Fa raha izy aza moa mety ho fametavetan'ny sasany, lasa décharge ho an'izay poritra, tsy rambo iray fotsiny no mifototra aminy, raha tianareo moa izany ko tsy ndeh!! Raha dia mavesatra loatra izany fitiavana te-hitifitra totohondry ny vatan'oron'ny lehilahy izany :wink::D
:wink:

fasaly:
marina veuh zany ry lapino?????? ka lay izy raha mampîrafy lay sipa misy antony ary matoa manana 2 eme bureau de misy fitavana ao kanou! de tsisy anzany poritra sy décharge zany kosa e! hummmmmm! efa azo lazaina fa feeling vaovao njay lay izy nge e!

Dia efa izy lehilahy ve no mitsotra dia mbola miteny indray sahy manda indray isika vehivavy fa tsisy decharge izany :roll:

Io ry zareo efa fomba mahazatra antsika olombelona io an. Izay heverina fa hahamirana antsika dia justifier-na daholo. Misy antony matoa izy nanao an'itsy ... Na ny mpamono olona aza dia manana avocat hiaro azy sy hanamarina ny namonoany olona iray. Fa tsy mampiova na inona na inona nefa izany. Rehefa maty ilay olona iray dia namono olona izay ny iray. Dia toy izany koa ... na inona na inona antony hampirafesana, rehefa hoy ny lehilahy hoe fanalana ny maha-poritra fotsiny dia fanalany ny maha-poritra izany.
8. lapino ( 08/07/2006 10:24)
marieange:
> plaisir anie no tadiavina e, ...
> ny ratsy fotsiny dia rehefa mampirafy ka zatra dia ny kabonet no lasa mitov amin'ny tena

No comment! :wink:

booboo, tsy mitompo teny fantatra aho ka! Fa amin'ny ankapobeny, raha vehivavy efa vadin'olona no mitonatonana, dia izay no fahitana azy.

Fasaly, tena marina io fa marary amin'ny lehilahy raha mampirafy ny vehivaviny ka. Na ny mieritreritra an'izany fotsiny aza ... mahalasa saro-piaro :wink:8)
9. booboo ( 08/07/2006 10:40)
pissoa > Mety tsy hampiova n'inona n'inona fa ndraindray rehefa mahafantatra ny antom-pisian-draha iraika dia mahita ny lafim-piainana zay mbola tsy hita sy tsy fantatra mihitsy ( facettes de la vie ). Mety hampianatra ny atao hoe " compassion ", " pardon ", " savoir ecouter l'autre " aby zany.....zay ilay fiainana



10. pissoa ( 08/07/2006 12:12)
Tsy azoko ny tena tian'i booboo tenenina. Fa na izany na tsy izany aza dia io teneninao io izao le teneniko etsy ambony ...
Io ry zareo efa fomba mahazatra antsika olombelona io an. Izay heverina fa hahamirana antsika dia justifier-na daholo.

Justifier-na le fampirafesana ... mety hampianatra an'izao sy izao, sns :{:{:{

ny ratsy fotsiny dia rehefa mampirafy ka zatra dia ny kabonet no lasa mitov amin'ny tena
11. tsoupou ( 08/07/2006 12:13)
Misy marina ny voalazanareo nandray anjara rehetra teo dia misy diso ihany koa anefa. Efa hitanareo ihany angamba fa ny vehivavy na efa manana olon-tiana (efa niaraka taminy efa ela) aza ka mahita mahafinaritra azy vaovao, dia iarahany iny ary tsy sarahany ilay efa niaraka taminy taloha. Tsy fampirafesana ve zany hoy ianareo ??? Tsisy mijaly anefa ireo "mandrapaha-traingo" azy hoy ny tanora izay.
12. fasaly ( 08/07/2006 12:50)
fangah ny vehivavy ihany??? ny lehilahyaza no tena betsaka kou!:°)
13. lapino ( 08/07/2006 13:25)
booboo:
Mety tsy hampiova n'inona n'inona fa ndraindray rehefa mahafantatra ny antom-pisian-draha iraika dia mahita ny lafim-piainana zay mbola tsy hita sy tsy fantatra mihitsy ( facettes de la vie ).
Tsy dia mifanalavitra ihany izany amin'ilay hoe: "hahalala ny tsara sy ny ratsy". Misy olona amin'izao, misaotra sy manana "reconnaissance" amin'i Satana hono izy ireo satria noho ny nampihinanany an'ilay voankazo voarara no nahalalan'ny olombelona ny tsara sy ny ratsy. Mety ho fomba iray azo andraisana azy koa io voalazan'i booboo io, kanefa tandremo ihany izany sao dia fijery mitsingoloka e! ;)
booboo:
Mety hampianatra ny atao hoe " compassion ", " pardon ", " savoir ecouter l'autre " aby zany.....zay ilay fiainana
Tsy misy zavatra mifanohitra ve izany? Raha ny tokony ho izy manko ny fitiavana no mahatonga an'ireo fa tsy ny fampirafesana. :roll:
14. lapino ( 08/07/2006 13:33)
fasaly:
fangah ny vehivavy ihany??? ny lehilahyaza no tena betsaka kou!:°)

Tsy mitovy ny lehilahy sy ny vehivavy. Adihevitra be iray hafa io, fa haoro size eto. Momba ny vehivavy mampirafy tsinona no eto izao. 8)
15. luca ( 08/07/2006 13:35)
Ny ahy alou de tena maharay anay lehilahy raha mampirafy ny vehivavy satria za tsy mba nanao izany , ary marina koa ny hoe mandrora miantsilany ny vehivavy raha manao izany satria izy no hifonteran'ny rambony avy eo
16. pissoa ( 08/07/2006 13:40)
lapino:
Tsy mitovy ny lehilahy sy ny vehivavy. Adihevitra be iray hafa io, fa haoro size eto. Momba ny vehivavy mampirafy tsinona no eto izao. 8)

Dain - eto kosa tsy hitoviana hevitra eto e :twisted:
17. pissoa ( 08/07/2006 13:41)
Oops, hadinoko ... Le resaka mampirafy no teniko eo fa ngo de misy tonga de hiteny resaka ... sns indray eo an.
18. lapino ( 08/07/2006 14:48)
Itovian-kevitra eto, fa tsy ifanarahan-dresaka fotsiny ka. Tsy te handre afa-tsy izay tiany ho re manko ny olona, ka asa na za na ndry no tsy manaiky ny fahamarinana. Izao aloha no zavatra tsapa:
- Amin'izao fotoana izao, ireny olona polygame ireny ve, tsy ny lehilahy ihany no misy polygame? sa misy vehivavy koa?
- Teo amin'ny malagasy, nisy vehivavy nanana vadibe, vadimasay sy vaditsindrano sns ve?
- Efa nisy sivilizasiona ve mametraka ny vehivavy ho afaka manambady betsaka?
- Tao amin'ny baiboly, i Solomona aza nanambady 3000. Fa efa nisy vehivavy nanambady betsaka ve?
sns ...
Ataoko fa na nisy aza izany, exception ankavitsiana fotsiny. Dia maninona àry amin'ny toerana samihafa sy amin'ny fotoana samihafa, dia tsy nisy vehivavy nampirafy tsy niafinafina mihitsy fa ny lehilahy foana no afaka mampirafy? Ny maha-vehivavy tsinona tsy mety amin'ny fampirafesana mihitsy, fa ny maha-lehilahy mety ihany. Conscient amin'izany daholo ny fiaraha-monina rehetra hatramin'izay. Izany akory tsy manamarina ny lehilahy mampirafy an, fa hoe fotsiny hoe tsy mitovy ny lehilahy sy ny vehivavy manoloana ny fampirafesana.
19. fasaly ( 08/07/2006 15:45)
lapino: merci tam valiteny sy fahatsorana:wink::-*misy hitanjemana:wink::-D
20. pissoa ( 08/07/2006 15:56)
Hihihi, ka nampoiziko hiteny ny mifanohitra amin'ito nge elah ry lapino e :roll:
lapino:
Izany akory tsy manamarina ny lehilahy mampirafy an,
:-D:-D:-D

lapino:
Ny maha-vehivavy tsinona tsy mety amin'ny fampirafesana mihitsy, fa ny maha-lehilahy mety ihany. Conscient amin'izany daholo ny fiaraha-monina rehetra hatramin'izay.
Ahoana kooooo ary izany mety ihany izany :roll: Tsy hoe mety ihany, fa ny fiaraha-monina rehetra hatramin'izay mihitsy no nanao ny tsy mety nihevitra hoe mety ihany izany :-D:-D:-D (Saingy tsy mahagaga moa io)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5036