ampio ahooo ry namana

1. xxx ( 06/07/2006 07:19)
misy olona iray tena tiko sy milaza ho tia ahy,marary ny foko ,tiako be mihitsy izy,tsy ho tanteraka mihitsy ny fitiavanay satria izaho efa manana olona miaraka amiko,ilay bandy tiako io mahafantatra ny situation-ko tsara nefa izy tsy mitsahatra ny milaza fa tia ahy ka babo aho.Marary ihany ilay tia na dia fantatra aza fa tsy ho possible ilay izy,ahoana no hataoko mba tsy hampijaly ahy toy izao amin'ilay olona io satria ny fiainako mihitsy no voatsindrona mafy?omeo hevitra aho fa tena very
répondu par 6372sl le 08/07/2006 16:21
2. mamzelkely ( 06/07/2006 07:31)
humm kalou hieritreritra kely za fa sarotra be zany situation zany :roll:
3. mandrindra ( 06/07/2006 08:26)
iaraho daholo izy roa fa tsy misy izany fitiavana tsy possible izany
4. booboo ( 06/07/2006 09:05)
xxx > ary aiza ho aiza @ zao ny fitiavanao ilay miaraka aminao zao fa ny fitiavanao ilay iraika foana no tanisainao ? Ohatra hoe tsy fidiny ho anao zany miaraka @ ilay izao fa tondé " impossible ", " tsy ho tanteraka mihitsy " no teneninao :roll:. Isaraho any e !:°)
Na izany aza, alaivo ambony alaivo ambany ihany nefa fa " on ne quitte pas qq'un pour un autre, mais pour soi-même " ..... na tondé iaraho aby zareo dia mahaiza mi-gerer tsara sy mi-assumer avy teo.
5. ramialy ( 06/07/2006 09:25)
xxx raha afaka manana choix ianao dia izay tena tianao iarahana fa aza mampijaly tena amin'izany, sinon marina ny tenin'i boobo sy mandrindra hoe iaraho daholo dia mahaiza mabdmin
6. ramialy ( 06/07/2006 09:27)
mahaiza mandamina :wink:
7. ja ( 06/07/2006 09:48)
hiarao marina izy roa lahy e!
tsy ho hitanao eo ihany ve izay tena tianao?
humm laingako zany fa tsy haiko izay ho tenenina mbola tsy sendra an'izany za dia tsy haiko
heritrereo tsara fotsiny
8. mamzelkely ( 06/07/2006 10:38)
ts évident kosa alou ny hanao choix aizany ee tena marina ee sarotra be ny hadôza olona efa niaraka taminao ela be ho anah olona mbola ts hay marina fa diniho tsara alou ru xxx fa za mi-compre anao total a :wink::-D:-D
9. mandrindra ( 06/07/2006 11:07)
xxx, torohevitra kely, rehefa miaraka amin'izy roa ianao dia tonga dia mitadiava n°3, fa sao dia sendrasendra mitapô izy rao dia miara rendrika eo daholo. tsy maintsy asiana filet de sécurité ihany mantsy
10. mamzelkely ( 06/07/2006 11:21)
ny an mandrindra kosa alou de mahita solution fôna ee siora less a =))=)) de ra sendra izy 3 njay de mitady faha-4 zan =))
11. pissoa ( 06/07/2006 11:27)
Torohevitra kely.

# Miala kely aloha eo amin'ny toerana misy anao raha possible. Maka rivotra.
# Ataovy mazava aminao izay tena tadiavinao. Rehefa tsy mazava izay tadiavinao, dia sarotra aminao ny hahazo azy, ka na iarahanao aza izy anakiroa dia mbola hahatsiaro mijaly ihany ianao.
# Tsy ny fonao irery no marary fa ny sainao koa. Ny saina no mpanetsetra dia iny koa ny fo fa manarak'efa. (Tsy hoe marary saina adala no tiako ambara eto fa hoe marary toy ny fo an). Noho izany, aza miteny aminao hoe ... eeeeeee, tiako be izy nefa impossible :cry: (:-D:-D:-D)
# :-*
12. pissoa ( 06/07/2006 11:29)
mandrindra ity =))=))=))
Mbola tsy hidirana akory dia efa oe omano ny fahatelo ...
13. mandrindra ( 06/07/2006 11:33)
mamzelkely, aleo misoroka toy izay mitsabo :-D:-D ny sambo kosa aloha mbola mitapô tsiroaroa fa tsy sahala amin'ny bibil e.:wink:

pissoa, mbola tsy nidirany fa efa eo ambaravarana izy, jereo ny torohevitry ny akabeazan'ny namana. dia aleoko tonga dia mampiomana azy ny ho avy.
14. MTN ( 06/07/2006 11:38)
raha izaho aloha dia tsy maintsy misafidy ianao fa tsy mety izany iarahana daholo izany izy roa eh
15. mandrindra ( 06/07/2006 11:40)
MTN, efa safidy ihany koa ny fiarahana amin'izy roa :-D:-D
16. MTN ( 06/07/2006 12:04)
safidy izany raha ohatra ka tsy enjehan'ny eritreritrao ianao :wink:
17. mandrindra ( 06/07/2006 12:55)
fa maninona moa no tokony hanenjika ra-eritreritra ?
18. soanja ( 06/07/2006 12:58)
Ny fitiavana tsy mba tsara raha atao forcer. Inona kay ny antony tsy hisarahana amin'izany olona miaraka aminao izany raha efa tsy tinao intsony izy. Dia lasa indray ianao miaraka amin'ilay iray tia anao sy tinao.
Saingy tadidio koa fa tsy ny fitiavan'ny fo irery no tokony hibaiko fa eo koa ny saina. Raha hiaraka amin'izay iray izay ve ianao dia tena sur ve fa hosambatra tokoa. Izay no tokony ho fanontaniana sao dia sodokan'ilay fitiavany mafonja avy any aminy fotsiny.
19. MTN ( 06/07/2006 13:19)
soaja: ok
mandrindra: raha toa ka hiaraka amin'azy roa ianao, holazainao amin'azy roa ireo ve ny marina hoe izaho dia miaraka aminao no sady miaraka amin'itsy? Raha eny ny valiny, koa raha tsy kofa efa dia vesa ohatra ny inona ka hanaiky an'izany.
Raha tsia, handainga amin'ny (ireo)olona miaraka izany ianao? Sa tsy manenjika anao ny eritreritrao raha mandainga ianao?
20. mandrindra ( 06/07/2006 13:26)
MTN, misy ny milaza ny marina ka, izay no nahatonga ahy nametraka ilay lohahevitra atsy ambadika hoe raha manambady na manana sipa dia ahoana. ary misy mihitsy ny olona manaiky ny atao doublure.
rehefa tsy milaza anefa hoe efa manatompo dia tsy mandainga izany. ny tsy filazana ny marina dia tsy midika hoe mandainga, mety ho fanadinona (omission) fotsiny. noho izany tsy hisy eritreritra manenjika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1595