ampio ahooo ry namana

21. yoanne ( 06/07/2006 14:26)
io de zay heverinao fa mety amiinao, zay heverinao fa hahasambatra anao ihany .Saingy zao, diniho tsra alou hoe aiza hoaiza @ zao le fitiavan'le miaraka aminao .sao manko mbola tena tia be anao lery ,ianao kou tia azy saingy sodokan'le vao2 ka tratran'le fitenenana hoe "todim-pitia manodiava" avy eo
22. MTN ( 06/07/2006 14:53)
yoanne: ianao koa izany miteny hoe iray ihany no hiarahanao
mandrindra: (mpanaraka io lohahevitra ao ambadika io aho :@)Misy ny manaiky ho faharoa fa tsy izy roa kosa anefa no hanaiky izany fa matetika ilay vao tonga tato aoriana. Ilay "par omission" indray, izany dia midika fa tsy mazava saina ianao. Kazaran'ny mandainga amin'ny teninao ihany ianao. Rehefa tonga ny andro hahafantarany ny fampirefesana nataonao dia tsy ianao intsony no hisafidy fa izy. Ary raha ny fisarahana izany, ny ialana foana no mihinana kokoa.
23. pissoa ( 06/07/2006 15:05)
Hihihi, io ry zareo ny vao tsy manitra no ratsy an.
Dia zavatra roa (amin'ny ankapobeny) no azontsika atao hananana ny "vao". Ny iray manavao isan'andro ilay efa ananana. Ny iray kosa dia manolo isaky ny tontatonta ny eo ampelan-tanana.

Dia anjarantsika no misafidy. Tsy araka ny fo fotsiny ihany (ny fo tsy misaina), fa araka zavatra be dia be. Ohatra ny finoana, araka ny experience efa niainana sy heno, araka ny toetra, sns.

Dia io no noteneniko tery ambony hoe
# Ataovy mazava aminao izay tena tadiavinao. Rehefa tsy mazava izay tadiavinao, dia sarotra aminao ny hahazo azy, ka na iarahanao aza izy anakiroa dia mbola hahatsiaro mijaly ihany ianao.
24. Herimiafina ( 06/07/2006 16:21)
xxx:

misy olona iray tena tiko sy milaza ho tia ahy,marary ny foko ,tiako be mihitsy izy,tsy ho tanteraka mihitsy ny fitiavanay satria izaho efa manana olona miaraka amiko,ilay bandy tiako io mahafantatra ny situation-ko tsara nefa izy tsy mitsahatra ny milaza fa tia ahy ka babo aho.Marary ihany ilay tia na dia fantatra aza fa tsy ho possible ilay izy,ahoana no hataoko mba tsy hampijaly ahy toy izao amin'ilay olona io satria ny fiainako mihitsy no voatsindrona mafy?omeo hevitra aho fa tena very

tsy tinao izany le miaraka aminao koa inona no mbola ijanonanao aminy ao fa tsy manaraka ilay bandy, sa misy dette morale sa misy resampianankaviana lalina be tsy azo idivirana?
Raha ny tena fitiavana anefa tsy voasakan'ireo!

25. cutie ( 06/07/2006 21:15)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 06-07-2006 12:19:46
Lohateny : ampio ahooo ry namana
misy olona iray tena tiko sy milaza ho tia ahy,marary ny foko ,tiako be mihitsy izy,tsy ho tanteraka mihitsy ny fitiavanay satria izaho efa manana olona miaraka amiko,ilay bandy tiako io mahafantatra ny situation-ko tsara nefa izy tsy mitsahatra ny milaza fa tia ahy ka babo aho.Marary ihany ilay tia na dia fantatra aza fa tsy ho possible ilay izy,ahoana no hataoko mba tsy hampijaly ahy toy izao amin'ilay olona io satria ny fiainako mihitsy no voatsindrona mafy?omeo hevitra aho fa tena very

de aza iarahana izy refa hitanao hampijaly anao koa, sady efa hainao fa tsy ho possible ny iarahanareo.
26. sasa ( 07/07/2006 04:06)
Sarotra be le izy fa mahaiza misafidy tsara fotsiny rehefa tsy te-hampirafy, moa raha te-hampirafy marina d iaraho daholo izy 2 d ho hita eo ny tohiny
27. mandrindra ( 07/07/2006 11:16)
MTN, ny tsy mitantara ny zavadrehtra kosa tsy mandainga e. ny manadainga dia ny mamorona tantara na midéformer ny zavatra misy. noho izany tsy mandainga amiko ny tsy miteny. rehefa tsy izaho no hisafidy fa izy dia tsy olana amiko izany satria andron'ny fahalalahana izao, rehefa misafidy aho tsy misy olana dia rehefa mba izy koa no misafidy dia aleo izy halalaka.
hoy i MTN hoe:" ny hialana foana no mihinana kokoa". izay foana no mahatonga ahy milaza hoe ataovy impair ny isan'ny madama. raha tokana dia tsisy blema. avy eo ny midofotra mantsy mandeha tsiroaroa dia misy iray tavela foana eo :wink::-D:-D
28. MTN ( 07/07/2006 11:52)
:-D T be zany, 1:0
29. MTN ( 07/07/2006 16:29)
Fa ohatra ny tia tena be nge zany eh, tsy mieritreritra izay mba ho fihetseham-pon'ny miaraka aminao.
30. lovarija ( 08/07/2006 12:53)
Manana safidy tokana eo @ olana toy izao na de eo aza ilay hoe IZAY TIA HONO ADALA !
Atanjao ny fo sy ny saina = io no fanafody goavana indrindra fa raha mbola misy ny olana de tsy maintsy hisy koa ny vahany !
Mahereza de mirary fahombiazana ho anao ! Bay!
31. 6372sl ( 08/07/2006 16:21)
Ilay miaraka aminao ve efa tena vadinao? raha mbola sipa dia izay tiana iarahana, satria mbola tsy tena matotra izany fitiavanao izany ka tandremo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2859