Maloto ny politika

1. LazaDaddy ( 06/07/2006 03:09)
Mbola averiko indray fa maloto ny politika. Na franc-macon ny anaran' io na rose croix na fjkm na inona na inona; rehefa politika dia maloto! hahaha.

"Omeko anao izao tontolo izao raha miankohoka eto anatrehako ianao" hoy lemaizina t@ i Jesoa.

Atsipy ny teny ao am-pon'ny mahalala!
répondu par prime le 31/07/2006 14:15
2. xxx ( 06/07/2006 10:04)
ary inona moa ny zavatra atao ka tsisy politika lesy ? :P:P:P:P:P:P:P:P:P:P:P
3. LazaDaddy ( 06/07/2006 10:22)
xxx> ny politika dia toy fandrika velarin'i Satana eo anoloan-tsika isan'andro. Tsy ny fisian'io akory no tokony ataontsika fandiovan-tena hoe "tsimaintsy misy ny politika" ka aleo idirana. Eny, tsimaintsy misy ny politika satria mbola eo ilay Satana. hahaha!

Kanefa aoka isika tsy ho voasarik'i Satana sy ny politikany, fa efa fantatsika ny fiafarany. Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay no banjino :)
4. marozevo ( 06/07/2006 17:30)
O ry mpikarakara ah... Nahoana koa ary itony sujet itony no eto no apetraka ?
5. Achia ( 06/07/2006 18:18)
fa zao kalo e fa inona izany politika izany e ? fihinana ve zany sa inona mba omeo aloha ny famaritana azy ho an'izay mahalala e
6. marozevo ( 06/07/2006 18:24)
Azo faritana tsara tokoa, saingy tsy eto amin'ity toerana ity.
Esory ho'aho ity sujet ity !...
Andrasanareo ho tezitra ve izahay eh !
7. LazaDaddy ( 06/07/2006 19:20)
marozevo> eto tsara mihitsy ny toeran'ito ka! Fampahatsiahivana sy fankaherezana antsika tsy ho resin'io fakam-panahy lehibe io.:)
marozevo:
Esory ho'aho ity sujet ity !...
Andrasanareo ho tezitra ve izahay eh !
dia aza mba tezitra amin'ny fahamarinana izany marozevo, fa avadiho ho fiderana sy fifaliana ilay izy a!:wink:
8. lapino ( 07/07/2006 12:15)
Marozevo, ato mihitsy no tokony hipetraka io resaka io ka! Noho ilay teny hoe "maloto" mihitsy!
9. dadabe ( 07/07/2006 12:49)
hummm !!! io ary ilay nolazaiko tatsy ambadika tatsy hoe aleo klou tsy avoka manotolo ny tsiambaratelo miksika io franc macon io fa be ny tsy ahazaka
10. marozevo ( 07/07/2006 14:24)
Esory teto ho'aho ity anh...
11. Achia ( 07/07/2006 17:39)
ataovy foana rangahy a ry marozevo koa mora tezitra de hifindra ary daholo zany refa hijery azy tairo ranga aleo hande ry zevo a mety misy zavatra mahaliana ne ao e
12. marozevo ( 07/07/2006 18:42)
Ekeko tokoa fa tsara ity loha hevitra ity. Misy zavatra maro azo dinihina tokoa. Saingy amafisiko fa diso toerana mihitsy.

Atao tery vay manta fotsiny ilay hoe :
"Omeko anao izao tontolo izao raha miankohoka eto anatrehako ianao" hoy lemaizina t@ i Jesoa


mba hilazana fa resaka fivavahana ity, nefa tena resaka Politika be izao.

ESORY TETO HO'AHO ITY...
:evil::evil::evil::evil:
13. xxx ( 07/07/2006 22:00)
:-D:-D:-D kay ve marozevo manao toe-tsaina...politisiana sa silamo? :-D:-D:-D
14. cutie ( 07/07/2006 22:42)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 06-07-2006 08:09:03
Lohateny : Maloto ny politika
Mbola averiko indray fa maloto ny politika. Na franc-macon ny anaran' io na rose croix na fjkm na inona na inona; rehefa politika dia maloto! hahaha.

"Omeko anao izao tontolo izao raha miankohoka eto anatrehako ianao" hoy lemaizina t@ i Jesoa.

Atsipy ny teny ao am-pon'ny mahalala!

tsy efa manao politika ve no manaparitaka an'io :-D
15. marozevo ( 08/07/2006 12:15)
Tsy ho esorinareo teto izany ity ?

TSY HO ESORINAREO TETO IZANY ITY ?

ENY ARY FA VELOMA.
16. Achia ( 08/07/2006 19:48)
Aoka marina dahto zevo a aza miala zany fa inona ary ty e !
17. prime ( 12/07/2006 10:05)
Politika ve no maloto sa ny mpanao politika e??? samihafa mantsy izany... Fa raha politika tsy misy madio sy maloto izany raha ny hevitro...:°)
18. saho ( 19/07/2006 13:40)
Politika daholo izao tontolo izao...Ary efa nisy hatrizay fa ny fisehoany fotsiny no samihafa
Saingy ao anaty baiboly dia efa voasoratra hoe ny lalana (LOI)apetraky ny fanjakana iray @ firenena iray dia tsara ny fisiany. Ary ny fijeriko azy raha izaho mandinika manokana dia ny mpanao politika aty @ firenena lehibe dia mihiniana @ anaran'ny baiboly mihitsy fa mihiniana aho hitondra araky ny fanampian'Atra ny fahaizako. Izany hoe mifototra @ Fahamarinana ny fiaingan'ny politikan-dreo satria miainga @ lalana (Loi) parlementaire be sns...

Ny politikan'ny Firenena madinika andalam-pandrosoana no azoko lazaina hoe maloto satria tsy am-pahamarinana fa presque an-kosoka ny fifidianana ka izany no mahatonga ny Fahantrana tsy mandeha am-pahamarinana fa maloto.

Tsy hoe maka tahaka aho fa dinihiko tsara ny Firenena EU fa voafaritry ny lalana (LOI) daholo ny fandehanan'ny asa aram-panjakana. Tsy tokony hoe alaina tahaka izy fa ao koa ilay hoe SOA FIANATRA.

Ny politikan'ny tsy mahay mitondra sy tsy mahalala hoe hatraiza ny fetrany no atao hoe politika maloto.
Isika malagasy matetika dia tsy tia loatra io resaka politika io kanefa io daholo ny fiandohan'ny firenena iray. Izany hoe raha tsy ampy fahaizana sy fahalalana ny mpitondra dia tantanana jamba eny izany ny vahoaka sa dia apetraka foana ny lainga isan-karazany toa ny politikan'ny tany mahantra... toa an'i Afrika?

Mahagaga fa ny fankahalana no tena manjaka amintsika malagasy sasany fa tsy ny fiarahana miasa mizotra @ fahamarinana toy ny voalazan'ny Bokin'ny boky hatr@ izay dia ny Baiboly ary raha hampiarina izany dia ny Fahamarinana ary miainga @ io daholo ny zavatra rehetra dia mandeha ho azy daholo...Amintsika malagasy fahiny anefa dia voalaza fa hoy ny Ntaolo ny marina tsy mba filaza. Gaga aho. Aty @ firenena mandroso ny Fahamarinana no tena miasa ary enjehin'ny lalana izay tsy manaraka ny Fahamarinana. Voasazy araka ny lalana (loi) izay tsy manaraka ny marimaritra iraisana. Ary ny Didy folo dia arovana ambany ny lalana daholo. Raha mijanganjanga ianao ka manambady dia lasa misaraka vita divorce eny @ toerana Fitsarana ianao raha tsy mahatanty ny iray @ ireo mpivady, raha mamono olona ianao dia voaeloka, toy izany koa raha mangalatra ianao sns...

Izany hoe ny Fahaizana no tena ilaina...kanefa isika betsaka loatra no mbola tokony hianatra mafy...ary ho avin'nyFirenena iray ny fahalalana sy ny fankatoavana.
Miala tsiny fa be commentaire be aho
Bye
19. cutie ( 19/07/2006 13:46)
Mpandefa : prime [ Valio ] 12-07-2006 15:05:40
Lohateny : Re : Maloto ny politika
Politika ve no maloto sa ny mpanao politika e??? samihafa mantsy izany... Fa raha politika tsy misy madio sy maloto izany raha ny hevitro...

ny mpanao politika maloto no maloto:lol:
20. prime ( 21/07/2006 07:25)
Misaotra akia cutie a!!!:lol::-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4036