Resaka mivantana...

1. xxx ( 05/07/2006 04:25)
Yahoo messenger no tiko lazaina, hono hoa ry zareo izay mahalala:
Zao mantsy e, hitako en ligne ilay namako dia manoratra ho azy aho toy ny mahazatra nefa izy tsy mamaly mihitsy, voalaza fa mampiasa version hafa izy, ilay version vaovao. Sanatria dia tsy hitany tokoa ve ny zavatra soratako?
IZy ve izany tsy mahita ahy hoe en ligne satria hoe mampiasa ilay version vaovao? Nefa za mahalala fa en ligne izy.
Misaotra mamaly rey olona o.
répondu par sarobidy le 11/07/2006 09:48
2. ravakamalala ( 05/07/2006 07:25)
tsy te hiresaka aminao izy fa mahita foana izy na dia version vaovao aza, option sasantsasany fotsiny no tsy mandeha raha samihafa ny version, ohatra mandefa sary, na mandefa fichier,...:°)
3. ramialy ( 05/07/2006 09:22)
xxx: vao connecté ianao dia tokony hitany na version vaovao aza ! torak'izay koa ny zavatra soratanao tokony ho transmis foana
4. xxx ( 05/07/2006 09:38)
1 - Mety online izy fa mba sahirana. Na lasa nefa hadinony teo ny messenger, sns.

2 - Sao avy any amin'i xxx ihany ny olana?

Nanana olana toy io aho taloha teo. Izay status-n'ny namako hitako amin'ny voalohany ihany no hitako eo foana. Izany hoe tsy hitako izay miditra sy miala ao, na izay away message-ny any. Raha ohatran'io dia mety tena tsy online izy rehefa hitanao.

Hmmm - tsy nikiry namaha ilay olana aloha aho e (satria tsy nilaiko akory) :oops: Raha resaka an-tsoratra fotsiny dia betsaka no azonao ampiasaina
# Mampiasa ny version hafa (yahoo messenger ihany)
# Mampiasa gaim, na kopete, sns
# http://www.ebuddy.com/index.php#YIM
# sns

Pissoa
5. hery ( 05/07/2006 10:32)
oujy... manao xxx i pissoa dia manasonia :-)

xxx> Raha miteny izy hoe tsy voarainy na tsy hitany dia inoy fotsiny :-)

Io nolazain'i pissoa io no tena antony matetika. Misy koa tapaka tampoka ny connexion sasany dia mbola tavela en ligne ilay izy mandra-piditra amin'ny manaraka indray.

Dia eo anelanelan'io fotoana io dia tsisy voarainy ny zavatra soratanao sns.
6. pissoa ( 05/07/2006 11:59)
Hery> http://serasera.org/forum/?rub=dinika/message&msgid=m4496b59143267
:-D:-D:-D
7. xxx ( 05/07/2006 13:25)
Azoko ny tianareo ambara, ny zava-nisy dia izao: ny andro nanaraka an'io dia mbola torak'izany ihany koa, hitako en ligne izy fa tsy mamaly, fa kosa rehefa niseho ilay soratra hoe: deconnecte izy, dia hoy aho hoe: tsy te-hiresaka izy izany, fa tsy nitsara be fahatany anefa aho ary izay no nahatonga ahy nametraka resaka eto.
Misaotra anareo ry ravakamalala, hery, pissoa,ramialy.
8. tsoupou ( 11/07/2006 06:51)
Na koa manao "invisibilité" izy. Tsy te hirasaka aminao izy zany no dikany. Andefaso message mavesatra izy de itanao eo na mi-réagir na tsia e. :lol:
9. ANARIM ( 11/07/2006 09:10)
zà manana contact mampiasa Mac, ny ahy PC, d le version an'le messenger-anay tsy mitovy, satria ato amiko dia mbola en attente acceptation fona le contact io, izy nefa mahita ahy isaky ny mivoka sy miditra, zà zany tsy manana moyen afantarana oe en ligne izy sa tsia, fa dia isaky ny manokatra messenger zà d tonde anoratako izy, ka rehefa mamaly izy dia miresaka, refa tsy mamaly izy dia tsy miresaka. mety en ligne nefa izy @ io le tsy mamaly ahy io ary mety itany tsara zà, fa zà dia tsy manana fomba ahafantarana fa en ligne izy na hors ligne
10. sarobidy ( 11/07/2006 09:48)
Mbô eo ampanandramana ko a io zao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3437