Nihintsana ny ekipanay e! :(

1. lapino ( 30/06/2006 16:39)
Fa mendrika azy ihany ny fandresen'ny rainiboto! :)
répondu par mandrindra le 06/07/2006 07:25
2. cutie ( 30/06/2006 17:48)
hay ve naharesy rainiboto e :lol:
3. Ralay ( 30/06/2006 18:02)
rainiboto sy reny malala ny finale zany :lol:
4. sasa ( 01/07/2006 04:09)
Ralay tsy reveko izany reny malalanareo manao final izany klé :twisted::twisted: aleo ny anglisy no hanao final

fa na izany na tsy izany za malahelo fa resy le argentine :(:(:(
5. jentilisa ( 01/07/2006 05:14)
ary saiky nisy totohondry hoe vao vita ny baolina sa nisy totohondry mihitsy?
6. mandrindra ( 01/07/2006 06:51)
manalasala ihany ny fivoaran'iny lalao iny. rehefa jerena dia tsy nisy nanana okaz mihitsy fa samy nahafaty iray avy. namerina ny hadisoana nataony tamin'ny nihaona tamin'ni côte d'ivoire i pekerman. rehefa nitarika tamin'ny isa iray noho ny tsy misy dia nihemotra ny mpilalao. notsoahina ny milieu offensif, riquelme, dia nosoloina milieu central izay milieu défensif no tena poste-ny. dia rehefa mihemotra mihemotra dia tratran'ny totafo dia vaky ny fefiloha.
ny totohondry indray dia tena saika raikitra fa tsy hitako ary tsy azoko izay mety ho antony
7. jentilisa ( 01/07/2006 07:47)
tena fahadisoan'ny mpanazatra tokoa iny! fantatra ny rainiboto fa mba hikofoka. Raha tsynahafaty koa ny arzantina tsy taitra ry zalahy!
8. lapino ( 01/07/2006 08:40)
Iny mihitsy koa no nahagaga ahy, za niandry izay hampidirana an'i Messi, dia i Riquelme indray no nesorina, ny adversera amin'io mpanafika be daholo (Balak, klose, podolski). Avy eo koa moa ilay mpiandry tsatokazo titulaire ilay naratra iny ... Kanefa ny lalao teo am-pelantongotry ny argentiniana foana hatramin'ny voalohany.

Fa na ahoana na ahoana, raha vao penalty dia eo am-pelatanan'ny rainiboto e! Sady mahay lé Lehmann. Any amin'ny "bon côté" foana lery tamin'ny penalty 4 @ 4, voatohany moa ny 2.
9. onjah ( 01/07/2006 17:20)
Ny ekipan-tsika zany no nihintsana e.:'(

Vao nosoloina ny Goal ary koa nalana i Riquelme dia tonga dia efa kivy kivy aho hoe horesy eto ireto ekipako ireto androany.

Penalty nefa ny 2ème goal no milalao, vao maika nitombo ny morale n'dry zalahy alemana, ny mpijery etsy andaniny tsy lazaina intsony ny horakoraka, normale raha naresy ry zalahy.

Atao ahoana moa fa izay ilay lalao e tsy maintsy misy ny mandresy sy ny resy.

Dia hohita eo hoe iza no hibata ny amboara e. Efa mitazana fotsiny zany sisa e.

10. lapino ( 01/07/2006 22:03)
Eritrereto ange hoe raha ny alemana no nosoloina ny gôll ... :D
11. onjah ( 03/07/2006 11:21)
Mbola tantara hafa indray koa izay :D
12. sasa ( 04/07/2006 03:48)
lapino nosoloina any Oliver Chan izany le gôll d mahay ihany koa iny na d efa antitra aza koa, fa mbola malahelo foana hatramzao hoe resy i Argentine nefa ireny mintsy no tena mba nantenaiko teo.
13. mandrindra ( 04/07/2006 08:23)
i riquelme ohatra azo notsoahina fa nosolona an'i pablo aimar dia mbola équilibré ihany ny jeu. i crespo notsoahina dia i cruz ve no ampidiraina nefa ry saviola sy messi mbola ao, tena adalana be
14. lapino ( 04/07/2006 09:04)
sasa, miala amin'i SuperLehmann dia miditra amin'i King Kahn :)
15. sasa ( 05/07/2006 02:57)
lapino :-D:-D:-D:-D:-D
latsaka kou ny rainiboto izay natenaiko hibata an'io fandresena io hatram farany, mazava be izany izao fa mody any am Rainilita ny coupe, satria raha ho sarotra amndry zareo tricolor mintsy ny handavana ny vodilaharana Italiana izay tena hita mihamafy mintsy raha tamreny bôl farany nataony tam Allemagne ireny no jerena
16. mandrindra ( 05/07/2006 14:09)
sasa, fa nahoana no tonga dia hoe ry mangamainty no hifanandrina amin'ny rainilita
17. sasa ( 06/07/2006 03:14)
mandrindra efa fantatra lesy fa jereo aza ireny ataon'ny arbitre moa koa :-D:-D:-D fa za aloha d maka rainilita amin'io
18. fijo ( 06/07/2006 03:32)
le mpanazatra mihintsy matetika no mahagaga izany ny fahitany ny lalao.jereo koa iny nataon'ny brezil iny.
19. mandrindra ( 06/07/2006 07:25)
fijo, indraindray tsy azoko mihitsy fa toy ny match samy hafa no hitan'ny mpijery sy ny mpanazatra.

sasa, ny ahy hoa izay adva andry mangamainty dia tohanako daholo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3295