ny baolina kitra sy ny fanatontolona (mondialisation)
1. mandrindra
(
28/06/2006 12:47)
amin’izao andron’ny fanatontolona izao dia ny kitra no hita fa mahahenika ny tontolo. rehefa anaovana jery todika ny tanatara dia ry zalahy bekintana no azo lazaina fa nanjaka be indrindra manerana ny tontolo. kanefa ny kitra dia mbola lasa lavitra noho ry zalahy satria tsy manapetra io lalao io. ankehitriny dia mbola maro ireo faritra na firenena manohitra ny amerikana. ny ekonomia de marché, ny internet, ny demôkrasia, ny jiro, ny rano … dia mbola tsy tonga any amin’ny toerana maro. saingy kosa iza no tsy mahafantatra ny baolina kitra, milalao azy, mijery azy, mamaky sy mihaino azy.
raha oharina amin’ny mondializasiona dia mbola misy na maha hafa ny kitra. ny firenena matanjaka dia i brésil fa tsy etazonia. io firenena matanjaka io dia maro mpitia, be mpaka fy, saika andrianin’ny sasany mihitsy aza. tsy mbola ahitana vondron’olona na andian’olona milaza ho anti-bresil.
ny mondializasiona dia mandrava ny frontières manasaarka ny firenena , mandevona ny mahaizy azy ny firenena iray. ny baolina kitra kosa dia fototra ijoroan’ny firaisampirenena, na foko avy aiza, na manana, na mahantra dia manohina daholo ny ekipampireneny.
eritreritra sendra nandalo ny ahy, ary ahoana hoy ianareo ?

répondu par mandrindra le 29/06/2006 19:50
3. MTN
(
28/06/2006 13:27)
fa ilay fanatontolona ve tsy vao taty aoriana eh. Ilay kitra efa ela be no nisiany. Sady marina koa ilay hoe baolina sase dia poinss.
Matanjaka i bresil fa raha nampihoarina ny jeuany (na naharesy aza izy) sy ghana tena tsy nikitika firy mihitsy ry zareo.

4. Simpona
(
28/06/2006 13:33)
Ny kitra klou dia tena nandrava ny sakana ho an'ny afrikana nanatalenta tamin'io lalao io, io no nahafahan'ny maro nizaka ny zom pirenena eropeana, indrindra frantsay, Nefa mbola ampahany vitsy am afrikana ihany aza no tafita am'zany.
Fa ny tena goavana am dia ny commerce izay haterak'io phènomènes mondial io. niniana hatao izay hampalaza an'io mba hampandeha ny tsena ary ny firenena rehetra izay mijery mondial dia manararaotra an'io dawol (am resak dokam-barotra, lalao, ...)
Tsy manakan ny tsirairay haka fafinaretana sy izay tandrify azy zany
Mbô firy sy firy tkou ary zay le bol ao le???:?::?:

5. cutie
(
28/06/2006 13:59)
Mpandefa : mandrindra [ Valio ] 28-06-2006 17:47:02
Lohateny : ny baolina kitra sy ny fanatontolona (mondialisation)
amin’izao andron’ny fanatontolona izao dia ny kitra no hita fa mahahenika ny tontolo. rehefa anaovana jery todika ny tanatara dia ry zalahy bekintana no azo lazaina fa nanjaka be indrindra manerana ny tontolo. kanefa ny kitra dia mbola lasa lavitra noho ry zalahy satria tsy manapetra io lalao io. ankehitriny dia mbola maro ireo faritra na firenena manohitra ny amerikana. ny ekonomia de marché, ny internet, ny demôkrasia, ny jiro, ny rano … dia mbola tsy tonga any amin’ny toerana maro. saingy kosa iza no tsy mahafantatra ny baolina kitra, milalao azy, mijery azy, mamaky sy mihaino azy.
raha oharina amin’ny mondializasiona dia mbola misy na maha hafa ny kitra. ny firenena matanjaka dia i brésil fa tsy etazonia. io firenena matanjaka io dia maro mpitia, be mpaka fy, saika andrianin’ny sasany mihitsy aza. tsy mbola ahitana vondron’olona na andian’olona milaza ho anti-bresil.
ny mondializasiona dia mandrava ny frontières manasaarka ny firenena , mandevona ny mahaizy azy ny firenena iray. ny baolina kitra kosa dia fototra ijoroan’ny firaisampirenena, na foko avy aiza, na manana, na mahantra dia manohina daholo ny ekipampireneny.
eritreritra sendra nandalo ny ahy, ary ahoana hoy ianareo ?
ho an'ny olona mpijery bol io:wink:
6. lapino
(
28/06/2006 16:27)
tsy mbola ahitana vondron’olona na andian’olona milaza ho anti-bresil.
Anontanio ihany aloha i Jentilisa ... :wink:
Ary ahoana indray ary ity hevitra iray ity :
"Ny baolina kitra dia kilalaon'ny olona mahantra, efa mihavery ny maha-sport azy, fa lasa ataon'ny mahantra fitadiavam-bola sisa ilay izy."
8. jentilisa
(
29/06/2006 11:25)
Amin'ny ankapobeny tokony hotoherina ny lazaina fa firenena vaventy an! fa ny mahagaga tokoa amin'ny fitiavana bresil dia izao. Tamin'ny radio ity. Maro ny mahalaza fa raha mihaona i bresil sy ny gasy dia bresil no tohanany! gasy izy miteny izany...tsy normal ho'aho!
9. lapino
(
29/06/2006 16:26)
Raha mihaona izany ny gasy sy ny breziliana dia manohana ny gasy tanteraka aho sady ireo koa no manimba ny tsenan'ny kafentsika! :)
Kanefa na izany aza, raha ny tanjaky ny baolina kitra breziliana, dia ry zareo no heveriko fa handresy.
Ka sao dia mba mifangaro izay hevitra roa izay tamin'ny resaka henon'i Jentilisa tany?

10. mandrindra
(
29/06/2006 19:50)
jentilisa, tena malagasy fôpla izany. na ho resin'i bresil 10 sy aotra aza dia ny ekipampirenena malagasy ihany ny ahy no tohanako