Fivavahana sy ny endriny samihafa

1. soanja ( 17/06/2006 16:20)
Mitondra soa ho an'ny olona iray ny fivavahana (n'inona n'inona io :kristianina, silamo, Judaism sns) raha mahay mampita ilay hevitra ny olona iray ka mahay mandray azy ny mpihaino iray ka mampiasa azy amim-pahendrena sy afaka mandanjalanja sy manadihady tsara.

Nefa tandremo koa fa fanasana atidoha ny fivavahana ho an'izay tsy manana an'ireo fahafahana hanadihady sy mandinika. Ka indrindra mahafantatra izay tsy fahampiana izay ilay mpampianatra.

Ny fihetsim-po manaraby na manambany ,tsy haiko mandika an'io fa ny tiako resahina dia ny attitude sy ny fampianarana ny fivavahana koa dia tsy tokony hiaraka.

répondu par soanja le 23/06/2006 18:34
2. booboo ( 17/06/2006 16:32)
gné ? maninona ny fihetsem-po dia maninona ny attitude dé inona no tokony tsy hiaraka @ inona ? 8-)
3. Fiffi ( 17/06/2006 17:01)
soanja:

Ny fihetsim-po manaraby na manambany ,tsy haiko mandika an'io fa ny tiako resahina dia ny attitude sy ny fampianarana ny fivavahana koa dia tsy tokony hiaraka.
attitude @ inona ? :roll:


4. Fiffi ( 17/06/2006 17:09)
soanja:

Nefa tandremo koa fa fanasana atidoha ny fivavahana ho an'izay tsy manana an'ireo fahafahana hanadihady sy mandinika. Ka indrindra mahafantatra izay tsy fahampiana izay ilay mpampianatra.
fanasana atidoha ny fivavahana ahoana moa izany ? ny secte ve no tiana lazaina eto ?
Ireo izay tsy manana fahafahana hanadihady sy mandinika ? Raha misy mpampianatra mahafantatra an'le tsy fahampiana ? Fa ahoana aloha zany hoe tsy manana fahafahana hanadihady sy handinika eh ! tena tsy mazava mihintsy an!


5. pissoa ( 17/06/2006 19:43)
soanja:
Nefa tandremo koa fa fanasana atidoha ny fivavahana ho an'izay tsy manana an'ireo fahafahana hanadihady sy mandinika. Ka indrindra mahafantatra izay tsy fahampiana izay ilay mpampianatra.
Raha manasa ati-doha mba hitaritana anao amin'ny Tsara sy ny Marina ny fivavahana arahina, tsy hitako izay antony tokony hitandremana. Nisy/Misy kosa nefa ny manasa ati-doha mba hamonoanao tena, hiandrandranao valifaty, hamitahany anao ao aoriana kely, sns. Amin'ireny no tokony hitandrina.
6. Fiffi ( 17/06/2006 20:17)
ilay hoe tsy manana fahafahana hanadihady sy mandinika ny fivavahana no tena tsy mazava mihintsy !
7. LazaRandri ( 17/06/2006 21:37)
soanja:

Mitondra soa ho an'ny olona iray ny fivavahana (n'inona n'inona io :kristianina, silamo, Judaism sns)
TSIA marina izany ka! Misy fivavahana mampihorohoro olona, misy fivavahana mahatonga olona ho vetaveta, sns...

Araraotiko ny fandalovana eto iresahana ny fiainana Kristianina araka ny voalaza ao @ Romana 8:28a

We know that in all things God works for the good of those who love him

tsy dia mahalaza an'io loatra ilay dikateny Malagasy (ny DIEM no tsy fantatro)

Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra. Romana 8:28a
8. cutie ( 18/06/2006 01:26)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 17-06-2006 21:20:51
Lohateny : Fivavahana sy ny endriny samihafa
Mitondra soa ho an'ny olona iray ny fivavahana (n'inona n'inona io :kristianina, silamo, Judaism sns) raha mahay mampita ilay hevitra ny olona iray ka mahay mandray azy ny mpihaino iray ka mampiasa azy amim-pahendrena sy afaka mandanjalanja sy manadihady tsara.

Nefa tandremo koa fa fanasana atidoha ny fivavahana ho an'izay tsy manana an'ireo fahafahana hanadihady sy mandinika. Ka indrindra mahafantatra izay tsy fahampiana izay ilay mpampianatra.

Ny fihetsim-po manaraby na manambany ,tsy haiko mandika an'io fa ny tiako resahina dia ny attitude sy ny fampianarana ny fivavahana koa dia tsy tokony hiaraka.

miombon-kevitra @ soanja:wink:
9. Fiffi ( 18/06/2006 03:01)
cutie: ny @ inona ? hoe fanasana ati-doha ve ny fivavahana ? sa ny attitude , attitude inona ? sa le hoe tsy manana fahafahana hanadihady sy mandinika ny fivavahana ?
10. soanja ( 18/06/2006 05:03)
booboo:

gné ? maninona ny fihetsem-po dia maninona ny attitude dé inona no tokony tsy hiaraka @ inona ? 8-)


Ny "attitude" zany hoe ny fihetsika mifangaro fihetseham-po sy fisainana, ohatra ny fisehoana milay, mihevitra fa ambany sy tsy mahay n'inona n'inona daholo ny mihaino eo (zany hoe ny mpihaino ny hafatrao sy ny fampianaranao), na hoe mihevitra koa ianao fa tokony haharaka an'izany zavatra efa resahina izany daholo ny rehatra mihaino eo, na hoe tsy mahafantatra na tsy mihaino ny hevitry ny hafa fa midrikina foana ny ahy ihany no marina sns sns dia mila dinihina tsara alohan'ny hampianarana fivavahana.

satria nahoana? ny mpampianatra dia mila manana fanetretena alohan'ny zavatra rehetra. Mila manadino izay olana misy any aminy aloha amin'io fotoana io , ka vonona ny hiatrika ny olana misy eo amin'ny mpihaino azy. Zany hoe mahalala mihaino ny olona ampianarina eo amin'izay mahatsapa ilay olona resahina hoe handray ahy ampo ity olona ity.

Tsoaka dia hoe raha hampita finoana iray ianao ka tianao handray an'iny ny olona iray na maromaro mihaino anao dia ialana lavitra ireo attitude noresahiko ery ambony.








11. LazaRandri ( 18/06/2006 06:17)
soanja:

satria nahoana? ny mpampianatra dia mila manana fanetretena alohan'ny zavatra rehetra. Mila manadino izay olana misy any aminy aloha amin'io fotoana io , ka vonona ny hiatrika ny olana misy eo amin'ny mpihaino azy. Zany hoe mahalala mihaino ny olona ampianarina eo amin'izay mahatsapa ilay olona resahina hoe handray ahy ampo ity olona ity.

Voalazanao tokoa ry Soanja ny fepetra takiana amin'ny mpampianara ka dia isaorana anao. Saingy aoka ampiako kely hoe mila mampianatra ny fahamarinana koa izy ireny.

1- raha mpampianatra manana ny fahamarinana kanefa tsy manana an'ireo toetra ireo dia tsy mendrika ho mpampianatra.
2- kanefa koa na mpampianatra hendry be toy inona aza rehefa diso ny zavatra inoany sy ampianariny dia vao maika loza. Io no antony nandavako ilay teninao hoe n'inona n'inona etsy ambony.

Ohatra: Misy "leader" anakiray ohatra tena mendrika sy hendry, manetry tena sns...mitarika olona andeha bus mankany Diego. Manaraka azy tokoa ny olona...saingy ny zavatra IMPORTANT tsimaintsy jerena dia hoe tena ilay bus mankany Diego ve io fa tsy mankany Fort Dauphin?

Toy izany koa ny fifvavahana: na toy inona na toy inona ilay mpampianatra dia fantaro aloha hoe aiza no TENA FAHAMARINANA. Mankany amin'ny paradisa tokoa ve sa mankany amin'ny fahaverezana, sa ny fahaverezana amin'ny sasany no paradisan'ny hafa? :)
12. cutie ( 18/06/2006 21:23)
Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 18-06-2006 08:01:02
Lohateny : Re : Fivavahana sy ny endriny samihafa
cutie: ny @ inona ? hoe fanasana ati-doha ve ny fivavahana ? sa ny attitude , attitude inona ? sa le hoe tsy manana fahafahana hanadihady sy mandinika ny fivavahana ?

kamo za hanazava azy, vakio ze lazain'i soanja:-D
13. Fiffi ( 19/06/2006 04:18)
de izay lazain'i soanja ve zany de tonga de hevitsindry ? tsy misy adi-hevitra mihintsy zany!
14. pissoa ( 19/06/2006 04:48)
Hihihi, ny an'i cutie izany foana :-D:-D:-D Manan-kevitra be da be izy fa kamo foana hanazava, tsssss :-D:-D:-D
15. prime ( 19/06/2006 06:34)
soanja> Tsy manohitra ny hevitrao raha milaza toy izao : raha ny fahafantarako azy dia toa asan'ny Fanahy Masina ny fandresen-dahatra ny hafa raha ny finoana kristiana ohatra no fotorana fa hafa indray raha ny foto-pinoana ankoatr'io. Ao amin'ny testamenta vaovao aza moa hoy i Paoly Apostoly dia misy ny mitory an'Andriamanitra amin'ny fahatezerana, amin'ny fialonana... Izany nefa tsy mahasakana ny sitrpon'Andriamanitra tsy ho tanteraka. :)
16. LazaRandri ( 19/06/2006 06:52)
Prime> Marina tokoa izany! Misy mantsy mpampianatra entin'ny fisehoana ivelany sy te ho sariaka imason'ny olona dia lasa mi-compromettre ny fahamarinana.

tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy. Jakoba 4:4
17. prime ( 19/06/2006 10:57)
tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy. Jakoba 4:4

Saro-pady tokoa izany...:)
Tena mila fitandremana mafy...
18. soanja ( 19/06/2006 12:10)
Lazandri niteny hoe: " kanefa koa na mpampianatra hendry be toy inona aza rehefa diso ny zavatra inoany sy ampianariny dia vao maika loza. Io no antony nandavako ilay teninao hoe n'inona n'inona etsy ambony."

Ny fomba fampianarana no resahiko eto fa tsy hoe inona ilay zavatra hampianarina. Ahoana ny toetra tokony ananan'ny iray mba handaitra ny fampianarana ka hotafita any amin'ny mpihaino. Zany hoe ny fomba fampitana hevitra raha tianao handaitra ny fintana.

Misy tokoa ny fampianarana zavatra DISO. Ary betsaka be io eto ambonin'ny tany. Izaho anie ka tsy niteny hoe diso ny andry ianina sy ianina. Satria izay ilay efa resahako foana hoe tsy hitsara aho fa aleo azy mpihaino ny safidy. Eo indrindra ny ilana ny famakafakana sy fanadihadihana. Saingy sarobidy ny fotoana ka mila mahalala mahafantatra raha-potoana koa ilay mpihaino hoe omeko ny fotoanako ve ity resaka ity sa tsia. Ka hoe ndeha handany andro hihaino zavatra iray , izy mety tsy mahafantatra hoe diso anie ity. Dia ao moa no lasa voatarika raha tsy nahay nandalina sy nandanjalanja ary ao koa ny nahita fa diso be izy izany ohatra dia lasa nefa efa lany teo ny adiny 5 ohatra.

Omeko ohatra: Nisy ramatoa nanazava tamiko fa ny zavatra rehetra eto ambonin'ny tany sy ny tsy hita maso dia Andriamanitra avokoa. Na izaho izao aza dia mbola Andriamanitra.

Niketrona kely aho mihaino azy. Milamina tsara ny fanazavana. Ananany daholo ireo toetra notakiako tary ambony. Saingy vao henoko ilay sujet hoe Andriamanitra aho dia nisafidy hoe tsy hihaino intsony aho.
Misy anefa ny olona tsy mahalala an'izay fa mihaino sy mandany fotoana eo ihany. Dia misy voatarika tokoa satria hain'ilay olona nampita ilay hafatra ary tonga dia voatarika ny fony. Ka na dia diso aza ilay fampianarana dia azoko resahina ihany hoe voasasa atidoha ilay olona mpihaino teo.

Eo ny fahafantarana ny fampiasana ny SAFIDY avy amin'ny saina.

Misy koa anefa ny fomba hafa ao amin'ny fampianarana na presentation sns ka mampiasa ny atao hoe " Attention getter"
Fantatr'ilay mpihaino ny zavatra tena sarobidy sy manohitohina na lalain'ny olona mpihaino na hoe koa mahasaropiaro ny mpihaino sns. Atombony eo ny raharaha. Ohatra ilay nampiasain'ny St. Paul hozy iza iny moa fa tsy hitako eto ny hevitry ny rehatra "Tezitra aminareo Andriamanitra fa.... ary tezitra koa aho sns..." Raha vao heno ny resaka tezitra sy Andriamanitra dia misokatra ny mason'ny rehetra satria zavdehibe amin'ny olona ohatra ny tsy fahatezeran'Atra sns... dia mitohy eo ny fampianarana satria efa voakitikao ny fihainon'ny olona sy ny sainy ary mety koa ny fony.
19. soanja ( 19/06/2006 12:23)
prime:

soanja> Tsy manohitra ny hevitrao raha milaza toy izao : raha ny fahafantarako azy dia toa asan'ny Fanahy Masina ny fandresen-dahatra ny hafa raha ny finoana kristiana ohatra no fotorana fa hafa indray raha ny foto-pinoana ankoatr'io. Ao amin'ny testamenta vaovao aza moa hoy i Paoly Apostoly dia misy ny mitory an'Andriamanitra amin'ny fahatezerana, amin'ny fialonana... Izany nefa tsy mahasakana ny sitrpon'Andriamanitra tsy ho tanteraka. :)


Marina izany satria Kristianina ianao ary izay ny finoanao. Ary izay ilay Andriamanitra hinoatsika sy ianao.

Ny resahiko eto dia ny finoana rehetra izay misy n'inona na inona. Mino ahy ianao fa misy any ho any ary be dia be finoana hafa ampianarina, ary hoy ianao hoe diso be izany, saingy mety ho gaga ianao hoe nahaona ary ireto olona ireto lasa manao an'izao daholo manaraka ilay finoana ohatra nandao ny vady amanjanaka dia lasa namono tena daholo. Dia ho sitrapon'Andriamanitra ilay resahintsika ve izany? Tsia hoy aho. Fa tiako resahina aminao dia hoe Mandaitra ny fampianarana sy ny fampitan-kevitra raha toa ka manana ilay tools " fitaovana " entina mampita azy ilay mpampianatra ary mifanaraka amin'io ny faranitan-tsain'ilay mpihaino.


20. cutie ( 19/06/2006 12:25)
Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 19-06-2006 09:18:53
Lohateny : Re : Fivavahana sy ny endriny samihafa
de izay lazain'i soanja ve zany de tonga de hevitsindry ? tsy misy adi-hevitra mihintsy zany!

ka efa we miombon-kevitra aminy za
Raha te hanazava za de manampy fotsiny ngamba,fa za wa kamo be :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1977