Fivavahana sy ny endriny samihafa

21. prime ( 19/06/2006 12:58)
Soanja> Izaho tsy mandà ny fanazavanao kah! fa nitondra ny hevitro fotsiny mikasika ny asa fandresen-dahatra ary izay no nanimpiako manokana ny fetran'ny hevitro ka tsy ahafahako miteny ho an'ny finoana hafa...:)










22. LazaRandri ( 19/06/2006 22:18)
soanja:
Mitondra soa ho an'ny olona iray ny fivavahana (n'inona n'inona io :kristianina, silamo, Judaism sns)


soanja:

Ny fomba fampianarana no resahiko eto fa tsy hoe inona ilay zavatra hampianarina.


Tokony ahitsy kely aloha izany aloha ito adihevitra ito , sao mitarika fisavorovoroana ho an'ireo mareforefo finoana. :)

Ho fintiniko:
- Tsy ny fivavahana rehetra no mitondra soa ho an'ny olona
- Mora tafita ny finoana ampianarina rehefa hendry sy manetry tena ary mihaino sy tia ireo olona ampitainy izany ilay mpampianatra.

Io tokoa angaha ilay voalazan'i Joyce Meyere hoe: "raha tianao ny hampiely ny Vaovao mahafalin'i Jesoa dia aza tantaraina fotsiny fa asehoy amin'ny fihetsika sy fisainana ary fiainanao an-davanandro"
23. prime ( 20/06/2006 09:01)
LazaRandri> Izaho aloha manaiky ny hevitrao sy soanja e! fototry ny serasera mihitsy mantsy no itondrànareo azy kah mahatonga ahy manaiky. Ka tsy manavaka finoana fa dia ny toetra tokony ananan'ny mpandahatra sy ny mpikabary mihitsy raha tsorina... Fa nanisy fanamarihana fotsiny aho, fa raha ny fivavahana kristiana hoy aho dia tena asan'ny Fanahy Masina mihitsy ny fandresen-dahatra fa tsy miankina loatra @ toetran'olombelona na fahaizana na fahalalàna na fitondran-tena... "f'andrao hisy hirehareha hoy ny Tompo..." :)
24. LazaRandri ( 20/06/2006 09:12)
prime> dia mbola nampianykoa hoe: "tsy misy afaka manatona ahy raha tsy ny Ray no mitarika azy" :)
25. prime ( 20/06/2006 12:07)
Izay mantsy :)
26. LazaRandri ( 20/06/2006 12:16)
prime> :-*
27. Zina ( 20/06/2006 13:19)
prime, lazarandri .. mety ka mety tsara ny fanazavana
28. prime ( 21/06/2006 10:54)
LazaRandri> :-*
Soanja> Mazava tsara ny tianao itondràna ny adihevitra... :-*
29. soanja ( 21/06/2006 11:57)
Misaotra anareo manampy na manohitra amin'ny hevitra fampianarana fa izay indrindra no tiako hiseho. :-*:-*:-*:-*:-*
30. LazaRandri ( 21/06/2006 12:01)
Soanja> :-*
31. soanja ( 21/06/2006 12:04)
lazarandri :-*:-*:-*:-*
32. prime ( 21/06/2006 12:31)
Soanja> tohizako an!!! dia inona ary ilay tianao azavaina @ hoe endrika samihafan'ny fivavahana e?! Fahaizana mandresy lahatra mantsy hoy ianao dia mety hitarika fahasoavana na loza ho an'ny mpihaino... :)
33. soanja ( 23/06/2006 18:34)
Ny tiako resahin amin'iny dia hoe rehefa mihaino dia tsara tokoa raha sokafana aloha ny saina, hoe inona daholo hono izany volaza izany? Dia avy eo amin'izay mandalina hoe inona ny tsar sy ny ratsy, dia avy eo maka tsoaka avy amin'ny zavatra voaray teo hoe ity ny ahy no safidy.
Izay indrindra ny nakako ity hevitra ity satria tsy be mpitia satria tena mifanohitra lavitra amin'ny mahazatara eto dia samy mianatra eo na ny kely na lehibe hoa ahoana no andraisako azy sy hijerevako azy fa tsy amin'ny maso misolomaso mena foana dia avy eo mena daholo ny hita. Ny tiako resahina dia te hampianatra critical thinking eto aho saingy mety tsy ho tafita ilay izy raha ny fahitako azy.

Ny amin'ny lafin'ny finoana indray dia tena mahery ny resaka fandresehan-dahatra ka tandremo fa mety ho voasasa ny atidoaha raha tsy mahay maka ka io mety hivadika loza. Ohatra ilay nomeko hoe Novoin'ny Kristianina (mahery fihetsika ) ilay dokotera taty aminay satria izy no mpanala zaza malaza ary nodorana sy nopetehin-dry zareo ilay clinika fanoavany an'izany.
Sa ahoana ny hevitrao? 8)8)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6806