an' Andriamanitra ny fotoana

1. LazaRandri ( 14/06/2006 00:56)
Atreho miaraka amin'ny Tompo ny ankehitriny, ary ankino aminy ny ho avy.

Rehefa repotra be iny ny fandaharam-potoanantsika matetika dia manararaotra miditra ny fakam-panahy:
- Azafady fa rehefa manam-potoana aho vao afaka miresaka aminao fa miverena amin'ny manaraka....
- Ito raiso raha vola no tadiavinao fa miala tsiny fa mbola tena sahirana be ara-potoana aho izao...
- Aleo ahemotra amin'ny fotoana malalaka ny famakiana sy fandalinana Baiboly, sns...

Tsy fialam-boly ny fiarahana amin'Andriamanitra (sy famahanana ny ondriny) fa fiainana sy fitiavana. Ataovy Tompon'ny fiainanao iray manontolo Izy "na andro na alina". Ho hitanao fa na dia ny fotoana tery indrindra aza ho lasa toy ny fialan-tsasatra, ary tsy hisy ahiahy ny fiainanao na dia kely monja aza. Toy ny mpianaka mandeha eny an-dalambe ianareo ka tantanan'ny rainy ny zanany tsy ho tafintohina. Ary tsarovy fa Izy mahefa ny zavatra rehetra, tsy misy tsy hainy atao! :-)

Izy anie homba anao!
répondu par LazaRandri le 16/06/2006 03:33
2. Fiffi ( 14/06/2006 03:39)

Indrisy fa misy dia misy tokoa ireny hoe tsy manam-potoana ireny. Ny mahavariana kely fotsiny de raha tena jerena , manome fotona ho an'ny rehetra ny olona , na @ inona zany na @ inona .Ohatra heu...handehanana hiaraka @ namana , hanao fety ,sns..saingy indrisy , 1 ora fotsiny ohatra mba tokony ho consakrena ho an'ny fivavahana , na indray mandeha fotsiny aza ao anatin'ny herinandro , indrisy , mbola hahitana excuse hiany hoe tsy manam-potoana.
3. LazaRandri ( 14/06/2006 04:32)
isika koa anisany ry Fiffi fa aza manilaka andraikitra a! hahaha! Ary tsy amin'ny vavaka ihany fa na fitsimbinana ny "madinika" aza isika dia mitady excuse foana hoe OQP! (ohatra tsotra: za ve ho lany andro hiaino ny problemanao eo nefa za mbola sahirana...)
4. hery1814 ( 14/06/2006 06:39)
Tena marina io Ralaza izaho ihany aloha ity e, Rahery MEP XML tadidinareo ve ary nareo ve ao amin'ny record ao e! Mahafinaritra mihitsy ny fampiasanao ity serasera ity
LazaRandri:

Atreho miaraka amin'ny Tompo ny ankehitriny, ary ankino aminy ny ho avy.

Rehefa repotra be iny ny fandaharam-potoanantsika matetika dia manararaotra miditra ny fakam-panahy:
- Azafady fa rehefa manam-potoana aho vao afaka miresaka aminao fa miverena amin'ny manaraka....
- Ito raiso raha vola no tadiavinao fa miala tsiny fa mbola tena sahirana be ara-potoana aho izao...
- Aleo ahemotra amin'ny fotoana malalaka ny famakiana sy fandalinana Baiboly, sns...

Tsy fialam-boly ny fiarahana amin'Andriamanitra (sy famahanana ny ondriny) fa fiainana sy fitiavana. Ataovy Tompon'ny fiainanao iray manontolo Izy "na andro na alina". Ho hitanao fa na dia ny fotoana tery indrindra aza ho lasa toy ny fialan-tsasatra, ary tsy hisy ahiahy ny fiainanao na dia kely monja aza. Toy ny mpianaka mandeha eny an-dalambe ianareo ka tantanan'ny rainy ny zanany tsy ho tafintohina. Ary tsarovy fa Izy mahefa ny zavatra rehetra, tsy misy tsy hainy atao! :-)

Izy anie homba anao!



5. diamondra27 ( 14/06/2006 09:21)
misy ny fotoana fa miankina @ny fahaizana mi-organiser ihany io, ka ampidirinao @ temps -nao ve Atra sa tsia
de 'zay, tout est possible, andramo na de fahefakadiny fotsiny aza
6. laly ( 14/06/2006 09:26)
(l)marina izany voalazanareo rehetra momba an'i tompo zany tsy manampotoana rehefa momba ny Tompo ary anisan'izany ny tenako fa tsy manala tena aho nefa dia mikatsa mandrakariva ny tompo aho satria izy no ray mitantana araka ny voalazan'i lazarandria ary any aminy ihany no misy ny fiadanana, fahatoniantsaina, filaminana, koa aoka isika hametrka ny fiainana Aminy fa tsara Izy
7. tisera ( 14/06/2006 12:35)
Endrey tsara loatra ny miaraka @ Atra Jeso Tompontsika saingy tena marina daholo ny voalaza fa dia ny tenantsika ihany no manamaivana ny fotoana hiarahana Aminy ka dia manadino mihitsy aza indraindray . Mifona Aminao noho ny @ izany rehetra izany ry Tompo , Ary aza mahafoy na manalavitra anay na dia matimaty aza izahay @ fiarahan-dalàna Aminao . Amen!
8. Herimiafina ( 14/06/2006 18:56)
LazaRandri:

Atreho miaraka amin'ny Tompo ny ankehitriny, ary ankino aminy ny ho avy.

Rehefa repotra be iny ny fandaharam-potoanantsika matetika dia manararaotra miditra ny fakam-panahy:
- Azafady fa rehefa manam-potoana aho vao afaka miresaka aminao fa miverena amin'ny manaraka....
- Ito raiso raha vola no tadiavinao fa miala tsiny fa mbola tena sahirana be ara-potoana aho izao...
- Aleo ahemotra amin'ny fotoana malalaka ny famakiana sy fandalinana Baiboly, sns...

Tsy fialam-boly ny fiarahana amin'Andriamanitra (sy famahanana ny ondriny) fa fiainana sy fitiavana. Ataovy Tompon'ny fiainanao iray manontolo Izy "na andro na alina". Ho hitanao fa na dia ny fotoana tery indrindra aza ho lasa toy ny fialan-tsasatra, ary tsy hisy ahiahy ny fiainanao na dia kely monja aza. Toy ny mpianaka mandeha eny an-dalambe ianareo ka tantanan'ny rainy ny zanany tsy ho tafintohina. Ary tsarovy fa Izy mahefa ny zavatra rehetra, tsy misy tsy hainy atao! :-)

Izy anie homba anao!


Marina mihintsy izany.
Matetika mantsy isika variana amin,ny olana andavan,andro sy ny fiainana ka adinontsika Andriamanitra ary alahady ihany isika vao mahatsiaro azy.
nefa ny tokony ho0 izy dia tokony tsarovantsika isan'andro fa eo Andriamanitra ary izy avokoa no mitondra izao rehetra izao.


Izaho dia efa voan'io hoe alahady ihany no mivavaka, hany ka na maheno hirampivavahana andavan'andro aza dia ovana ny ondes amin'ny radio.

Mila mahay mijanona kely antenantenampotoana dia mivavaka.
9. Fiffi ( 14/06/2006 19:28)
Herimiafina: marina zany voalazanao zany . Iza anefa no tsy nanao an'io ? Hadino ...mora ny miteny hoe hadino .
Hananan'ny tsirairay ny fotoana hanaovana ny danin'ny kibony fa indraindray de ny fivavahana tsy tsarohina akory .
Misy azsa milaza hoe: heu...miasa mandritrin'ny herinandro ka vizana de mba ny halahady zay vao mba afaka maka aina. Nefa aina inona no azo raha tsy misy ny fivavahana ?
10. LazaRandri ( 14/06/2006 22:36)
Herimiafina:
Matetika mantsy isika variana amin,ny olana andavan,andro sy ny fiainana ka adinontsika Andriamanitra ary alahady ihany isika vao mahatsiaro azy.
nefa ny tokony ho0 izy dia tokony tsarovantsika isan'andro fa eo Andriamanitra ary izy avokoa no mitondra izao rehetra izao.

Raha somary hazavaina kely ny hevitr'i Herimiafina dia hoe:
Aza variana mijery ny olana andavan'andro ny maso fa atodiho amin'ilay Andriamanitra mpamaha olana.
11. diamondra27 ( 15/06/2006 05:14)
milaza fa tsy manampotoana lava raolombelona fa sahirana.

Ao anatin'ny 24H de misy 1/4 d'heure firy?
01H = 4 x 1/4 heure
24H = 4 x 24 x 1/4 = 96 x 15mn

Donc raha mba manao effort kely ny olombelona ao anatin'io 96 io ve de tsy mba ho hisy na dia iray monja aza ihaonanao @ Tompo?

Lazaiko anao marina anef fa ireny olona membre secte sy club satanique 'reny de mahafoy ora betska izy hanompoany an'io satana inoany io

Donc, chacun va réflechir une peu sy mi' se poser question mandinika ny tenany.

15mn fotsiny farafaharatsiny 1 ao anatin'ilay 96( kely dia kely nefa mila effort)
12. LazaRandri ( 15/06/2006 05:28)
angamba mety tsy azon'i Diamondra tsara ilay resaka. Tsy ny fahafoizana fotoam-bavaka manokana ihaonana amin'ny Tompo no hamafisina eto (tafiditra ao anatiny io fa tsy io no votoatiny) fa ny fahatsiarovana sy fanompoana Azy amin'izay rehetra atao...:wink:
13. marozevo ( 15/06/2006 23:13)
Taiza aloha no nahitanìi Laza ny fisehon'ireo ohatra lazainao ireo ? Ary iza no olona hitanao niteny an'ireo ?
14. LazaRandri ( 16/06/2006 03:33)
hahaha! mamaky ary ve ranamana izany sa ahoana? :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1443