ampio e!!!

1. anynenimalala ( 09/06/2006 07:14)
Tena mapite amono tena zany fiainako zany fa tena faorin fon ve no mba iainanay:cry::cry::cry:
répondu par Fiffi le 18/06/2006 13:19
2. Angie ( 09/06/2006 07:18)
tena mampalahelo zany marina, tena tsy haiko hoe inn mahazo anao aloha fa raha tianao zaraina @nay dia lazao sinon mahereza dia mivavaha hatrany.

Raha misy azo hanampiana anao dia aza misalasala fa misy namana maro eto afaka manoro hevitra an.
3. booboo ( 09/06/2006 07:58)
ié !

dia miezaha mivoaka ny trano fa aza mijanonjanona ao dia mampifalifalia tena ohtra hoe mividy chocolat :}hihihihihi.

Bon courage foana na izany aza :-*
4. hery ( 09/06/2006 08:06)
Dia mifampiresaha amin'ny olona hafa. Marina fa vitsy ny azo itokisana fa tsy voatery hitantara ny fiainanao akory ianao rehefa miresaka aminy fa mba miresaka fotsiny... mamoaka ny ao am-po

Mahereza
5. lanto92 ( 09/06/2006 08:20)
Mbola ho avy ny anjara masoandronao fa aza mitanondrika toy izao (oay lasa poety zah marina)

Mahereza foanam
6. Rafotsy ( 09/06/2006 08:25)
Inona no azo hanampina anao ary e ? Raha te hiresaka ianao dia ireto izahay namana !
Fa na izany aza mieritreritra izany hamono tena izany !
Bon courage !
7. pissoa ( 09/06/2006 08:26)
Aza mipetrapetraka, indrindra irery, fa mifampiresaha amin'ny olona.

Ny nanokafanao ity lohahevitra ity izao dia efa tena tsara be fa mahereza :-*
8. miranto ( 09/06/2006 08:26)
Ny azo hanampiako anao de ny hoe mahereza e, de ankino @ Andriamanitra ny fiainanao sy izay mahakivy ,fa izy irery ihany no tena fanalahidy ny fiainana e,
izay fa hivavaka ho anao aho de mahereza
Andriamanitra anie hitahy anao sy hijery ny fiainanao manokana
9. rapala ( 09/06/2006 08:40)
Marina mihintsy io lazainy hery io
10. Simpona ( 09/06/2006 12:35)
Tena mapite amono tena zany fiainako zany fa tena faorin fon ve no mba iainanay

Te hiteny aho we enga anie ka sangisangy foutsn io.
Aza manaiky mora resy zany fa jereo ny manodidina anao; marina fa mijaly ianao fa jereo fa misy ny mijaly noho ianao ary mbola vonona hiady amin'ny fiainana fa tsy mamoy fo.
Aza tehirizina ao aminao irery ny fahorianao fa zarao amin'ny namana iaraha mizaka ary tadidio fa io masoandro io mbola tsy maintsy miiratra indray rapitso
11. tisera ( 09/06/2006 12:46)
Mampalahelo izany hoe tonga @ famoizam-po izany : na mafy toy inona aza anefa ny ady atrehina dia tadidio fa tsy irery ianao an! Misy namana afaka manome hevitra sy mampahery fa izay ambony indrindra dia misy Ilay Andriamanitra Tompo manome toky antsika hoe :"Aza matahotra ianao fa momba anao ahao , ary aza mierikerika foana fa izaho no Andriamanitrao : mampahery anao Aho , sady mamonjy anao ary mitantana anao @fahamarinako aho." Ezaho izay mampifalifaly ny fo sy ny saina an ! Dia ataovy hoe:):):):):):) dia ampy :D:D
12. cacao ( 09/06/2006 13:07)
tandremo sao marary fo eo daholo fotsiny nareo fa rehefa jerena ny momba an'io aninenimalala io de toa olona tsy misy akory io , jereo anie , olona tsy sincere io matoa tsy mametraka ny momba azy akory h@ izao ora hanoratako izao
miala tsiny aho raha diso ny eritreritro
13. tisera ( 09/06/2006 13:18)
aiza kosa no harary fo akia ry cacao a! misy koa anie ilay mba te ho incognito rehefa mba mampiresaka é! Na marina na tsia ny zavatra nolazainy tsy manakana ny tsirairay tsy hilaza ny heviny @ toe-javatra toy izao é!
14. little ( 09/06/2006 13:38)
f'ino ra mahazo angnao zao li? tanjemo zao li, aigna zao li ra sarobidy!
fa mahalasa say avao ra zao li? tsa misy olo avao agnaragna toy.:-w. ia gnao ranenimalala? volagna olo jiaby agnaragnao.
15. soanja ( 09/06/2006 13:51)
anynenimalala:

Tena mapite amono tena zany fiainako zany fa tena faorin fon ve no mba iainanay:cry::cry::cry:

Efa tsara aloha raha efa vitanao ny miteny amin'olona (izahay eto) io eritreritrao io. Matetika mantsy tonga dia action no misy dia mampalahelo be. Teneno raha misy azonay anampiana anao (izay firesahana ihany). Ankoatr'izay dia i Jesoa no raiso ho andry fa izy hanome anao tanjaka sy hery hiadianao amin'izany zavamanjo anao izany. Mahereza


16. Zina ( 09/06/2006 14:06)
cacao a na misy io olona io na tsy misy .. tsy misy olana izany satria izay olona mamaky eto ko hofanampiana ho an'ny rehetra ka aza mi-sentir coupable oe mety ho diso io fieritreretanao io...

anynenimalala, ny fandehanana makany am-piangonana ko dia fanampiana be ho anao ahafahanao miresaka amin'ny olona membra ao.. ka mandehana any reeee...

nisy sondage iray nampiseho fa ny ankizy mandeha any am-piangonana dia tsy manana tendance mamonotena nohon'ireo ankizy izay tsy mande mihitsy...

Mazoto doly isika rehetra o
17. booboo ( 09/06/2006 14:20)
cacao sy little kosa e !

ndao tsika sy Anynenimalala manko hihinana glaces dia cacao sy little tsy omentsika :-P
18. totofy ( 09/06/2006 15:57)
booboo, za kou mba ento manaraka anareo é .... nenah ngé mihinana.... gilasy fotsiny é ! dé mampangina an' i aninenimalala.....sniff sniff:-D
19. Fiffi ( 09/06/2006 19:21)
anynenimalala:

Tena mapite amono tena zany fiainako zany fa tena faorin fon ve no mba iainanay:cry::cry::cry:
Hivavaka ho anao aho mba hanampy anao ny Tompo , ary mahereza hatrany an! :-*:-*:-*:-*:-*


20. Fiffi ( 10/06/2006 07:50)
cacao: aza hatao n'izany kosa izy an! aza de variana mitsikera olona fa tsy fantatrao akory ny antony mbola tsy namenohany ny momba azy .
Misy ireo namana vao nisoratra anarana ato de tonga de mandefa dinika ao @ "namana vaova" miarahaba ny rehetra aloha , io ve de tonga de lazaina hoe tsy sincere na olona tsy misy akory ?
Ary matoa izay nanaoratra de misy marina zany !!

anynenimalala: de kourazy foana akia an! :-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2502