ampio e!!!

21. Herimiafina ( 10/06/2006 21:00)
anynenimalala:

Tena mapite amono tena zany fiainako zany fa tena faoriana foana ve no mba iainanay:cry::cry::cry:

Marina ny andry retsy fa mampijaly dia mampijaly ny fahoriana, ary mankahery, miara-ory.

"Katsaho aloha ny Fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarianany, dia ho avy aminao ny zavatra rehetra izay ilainao".

Ny vorona eny andanitra aza tsy misasatra manana izay ilainy, maika fa ianao olombelona. Tsy hanary anao Andriamanitra.

Ary na inona hidona na inona hiatra dia aza mitsahatra ny mivavaka.

Misy toerana tiany hitondrana anao, ka angataho mba ho fantatrao ary ho todinao haingana izany toerana izany.

Ny zava-misy mantsy dia noho izao tontolo izao feno fampanantenana dia namboarintsika mifanaraka amin'izay ny saintsika, kanefa matetika mivilana amin,ny lalàna tian'ny Tompo hitondrana antsika izany heritreritsika izany, hany ka rehefa mahita fa tsy nandeha araka izay nantenaina ny zavatra rehetra dia kivy isika. tadidio nefa fa ny fanarahana ny làlana itondran,ny Tompo antsika dia hahitantsika fandresena lavitra sy fiadanana bebe kokao noho ilay noheritreretintsika. :-*


22. ftma ( 10/06/2006 21:20)
anynenimalala: tsy vahaolana amin'ny fahamafisan'ny fiainana ny famonoantena, aza mora kivy izany fa ao anaty mangidy no hahitana ny mamy, manana faharetana fa mbola hibaliaka ilay masoandro.
Andriamanitra tsy manary izay efa nanantona azy, ka ankino mandrakariva @ fitiavany ny fiainanao
23. Herimiafina ( 10/06/2006 21:22)
ftma: (l):-*:-*:-*:-*
24. Fiffi ( 11/06/2006 04:31)
anynenimalala: de aza misalasala akia fa namana daholo ny eto an! de kourazy foana an! :-*
25. little ( 12/06/2006 13:33)
aiza o! aiza le glasy o? za ko refa tsy omenareo glasy de hanao ohatran'i anynenimalala fa ny ah ataoko anydadamalala.
Mbo tsova mo zahe refa misy gilasy ndra nare zao, gilasy araiky avao da ampy aro.
An'i anynenimalala, hanoratara hoa anao ah
ny aty de salama, tsy de misy vovo
fa ny aty , ny aty, tsy mino ny saina
ehe, henoy eky hiran-drossy araiky iny fotiny e
26. Fiffi ( 12/06/2006 15:14)
Ary na inona hidona na inona hiatra dia aza mitsahatra ny mivavaka.
27. Nickovy ( 18/06/2006 11:43)
anynenimalala:

Tena mapite amono tena zany fiainako zany fa tena faorin fon ve no mba iainanay:cry::cry::cry:


Tsy haiko hoe inona no mahazo anao nefa inty mba misy torohevitra kely. Soa ihany fa misy olana eo amin'ny fiainana. Raha tsy izany dia ho toy ny fahazarana fotsiny ny atao. Tsarovy anefa fa ireny olana sy fahoriana ireny no tokony hitondra fanantenana ho antsika. Jereo ny lanitra. Mazana no manjombona ny andro ary toa rako-drahona izay rehetra jerena. Ao ambadik'ireny rahona ireny anefa ny masoandro dia mibaliaka hatrany. Toy izany koa ny fiainana. NA DIA MISY FAHORIANA SY RAHONA MATEVINA AZA DIA TSAROVY FA MIBALIAKA MANDRAKARIVA NY MASOANDROM-PANANTENANAO!!! DIA AZA MITSAHATRA NY MIVAVAKA SY MIFANAKALO HEVITRA AMIN'NY OLONA FA MANAMPY TOKOA IREO. Maheraza eh! Mivavaka ho anao izahay eto!(l)(l)(l)(l)
28. Fiffi ( 18/06/2006 13:19)
anynenimalala :-*:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1759