Ady hevitra malalaka

1. Silo ( 08/06/2006 07:39)
Hono hoa ry reto, Inona kay no tena dikan'ny teny ity @ Baiboly ao no misy azy ity

" Handao ny rainy sy ny reniny ralehilahy ka hikambana @ vadiny ka ho nofo iray izy roroa "

Mba angatahako fanazavana amintsika rehetra ny tena tiana dikan'io teny io .
répondu par marozevo le 13/06/2006 21:53
2. booboo ( 08/06/2006 08:08)
amiko, rafitra nentina nandrindra ny fiaraha-monina t@ izany ny @ resaka fanambadiana io : tsara raha mitokan-trano noho ny antony maro ( fidikidirana @ fianan'ny hafa, ny conflits rafozana sy vinanto manginy fotsiny ....); tsy @ resaka firaisana ara-nofo ihany no maha-iray fa ny ara-tsaina ( mpivady tsy miray saina zany gidraka lava ny ao an-trano ), ara-panahy, sns.

Refa tsy manaraka zay rindra-piaraha-monina zay dia mitranga aby ny olana kely be dia be eeeeeeeee.

3. prime ( 08/06/2006 08:08)
Ahoana aloha ny fandraisanao azy dia manomboka ny tena adihevitra sa????:wink:
4. Fiffi ( 08/06/2006 08:10)
booboo: izay indraindra . Dia ireo olona nakambana aoka tsy hisaraka , aoka mba tsy ho sarahina koh.
5. prime ( 08/06/2006 08:17)
Silo ô! mba lazao aloha ny hevitrao e!:lol:
6. booboo ( 08/06/2006 08:22)
fa ny an'i Prime ahoana ?
7. Fiffi ( 08/06/2006 08:28)
Silo , prime: fa inona no fandraisanareo le izy ?
8. caprio ( 08/06/2006 09:24)
silo,mahafinaritra refa zavatra tsara tahaka izao no hifanakalozan-kevitra,raha ny fahafantarako azy aloha dia tsy azo raisina ara-bakiteny daholo ny ao anatin,i baiboly zany we ny dikan,ny we handao dia tsy we voatery hisaraka @ray aman-dreninao enao fa kosa ilay fifehezan,i ray aman-dreninao sy ilay fandidiny anao taloha no hilaozanao sy tsy avelanao hanjaka eo @fihainanareo roa dia ho hitanao fa hilamina ny tokan-tranonareo na dia miaraka mipetraka @ray aman-dreninareo aza nareo fa kosa raha misy hiany fomba hisarahana trano dia hezao.Fa ny tsy mahamety azy fotsiny dia raha hoatra ary ka efa antitra be reo ray aman-dreninao reo dia andao azy ve enao?
9. majesty ( 08/06/2006 09:28)
Raha ny fahazoako ny hevitr'io teny io dia izao hoe;rehefa misy olona hanambady dia tsy tsara raha mbola miray trano amin'ny ray aman-dreniny na ny havany izy fa tokony aha-leo tena tanteraka,satria iarahan-tsika mahalala ny olana mety aterak'izany hoe miara miaina amin'ny havana izany,na ny ntaolo malagasy aza milaza mintsy fa ny hava-tiana tsy iaraha-monina;:D
10. Fiffi ( 08/06/2006 09:29)
caprio: fa tsy ny fandaovana ny RAD hiany le izy kah! fa ao koh ny hoe "hikambana @ vadiny ka ho nofo iray izy roroa "
11. lapino ( 08/06/2006 10:06)
booboo:
tsy @ resaka firaisana ara-nofo ihany no maha-iray fa ny ara-tsaina ( mpivady tsy miray saina zany gidraka lava ny ao an-trano ), ara-panahy, sns.

Rehefa nofo dia nofo kosa e. Ny saina sy ny fanahy mbola zavatra ankoatra ny nofo indray. :wink:
12. booboo ( 08/06/2006 10:23)
hum...tsy tadidiko ilay teny hebreo nangalana an'io teny malagasy io fa raha ny nazavaina anay t@ sekoly alahady dia tsy nofo ihany no fonosin'io teny io fa zay maha olombelona ny olombelona ( saina, fanahy, nofo na vatana ).
13. lapino ( 08/06/2006 10:31)
Raha izay dia ok aza ;) (indrisy fa tsy mahay teny hebreo za na ho tadidinao aza ilay izy :( )
14. pissoa ( 08/06/2006 10:41)
Silo:

Hono hoa ry reto, Inona kay no tena dikan'ny teny ity @ Baiboly ao no misy azy ity

" Handao ny rainy sy ny reniny ralehilahy ka hikambana @ vadiny ka ho nofo iray izy roroa "

Mba angatahako fanazavana amintsika rehetra ny tena tiana dikan'io teny io .

Misaotra an'i Silo nametraka fanontaniana fa izaho koa kay mba te hahafanatra ze tena tiany tenenina. :roll:
15. Herimiafina ( 08/06/2006 11:52)
Silo:

Hono hoa ry reto, Inona kay no tena dikan'ny teny ity @ Baiboly ao no misy azy ity

" Handao ny rainy sy ny reniny ralehilahy ka hikambana @ vadiny ka ho nofo iray izy roroa "

Mba angatahako fanazavana amintsika rehetra ny tena tiana dikan'io teny io .



Mifandray izany ny Karma an'ireo olona roa ireo.
Amin'ny Bouddhiste dia rehefa miray no mifandray ny karma, ny vady izany dia misy resaka firaisana, ary raha ara-nofo dia mazava ho azy fa misy firaisana koa.
16. Fiffi ( 08/06/2006 16:40)
Dia ireo olona nakambana aoka tsy hisaraka , aoka mba tsy ho sarahina koh.
17. Herimiafina ( 08/06/2006 17:27)
Dia ireo olona efa manana karma mikambana koa tsy tokony hampirafy fa manjary mizaka ny karma-n'olonkafa ny tokantrano.
18. dadasy ( 08/06/2006 19:17)
Inona zany karma?:?:
19. dadasy ( 08/06/2006 19:19)
Inona zany karma?:?:
20. booboo ( 08/06/2006 19:46)
Herimifiana > eka ouz !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727