rafozana

1. xxx ( 05/06/2006 11:03)
inona ny afaka mba hanampiana anareo ahy fa niaritra ihany aho aloa fa misy ny limite hoy ny fitenenana fa tena tsy maintsy mamelona rafozana, mipetraka aty france zahako sy ny vadiko, voa teraka zaza roa volana izahay, ka ny problème dia ilay vadiko mihitsy satria tsy maintsy mandefa vola ho an' i mamany hono izy, sady olona tsy azo reshina za koa moa tsy dia mba haiko loatra ilay miresaka surtout cas hoatr'izao ilay izy, ilay rafozana tsy misy fidiram-bola na ariary aza satria olona tsy ary niasa hatrizay niainany fa dia ny grands-parents sy ny rahavaviny no namelona an-dry zareo, niakiaina teny foana ry zareo, dia sambany tonga aty ivelany ny zanany lahy dia izao ataony fitaovana izao, manana anabavy roa koa fa samy tsy misy miasa e nefa vehivavy 30 taona mahery daholo sady tsy mbola manambady, ny iray niteraka tsy nanambady ihany koa, donc, ilay zanany lahy vadiko aty no mamelona an'izy mianakavy, izaho mbola tsy miasa satria tsy misy mitaiza ny zanako fa hiasa aho fa mbola tsy @ izao fotoana fa hiandry kely, raha ny satriny ny vadiko ary aleony alefa any @ mamany daholo ny volany toy izay homena ahy, marina fa izy no mandoa hofan-trano, nefa zara raha miantsena, fa efa andray fepetra aho fa tsy hividy na inona na inona intsony aho, mividy zavatra foana aho mantsy ka hoatrin'izany no hanararaotany anahako, vola be tokoa no alefany any @ mamany, ry zareo ary manam-bola noho zahay, aleony zahay no tsy mihinan-kanina toy izay ny mamany no tsy homena vola. Tena manala azy mihitsy aho eto @ forum satria tsy misy olona afaka hitarainako, ka inona ny azoko atao ?
répondu par hasinando le 22/06/2006 10:53
2. FanjaTiana ( 05/06/2006 11:11)
hummmm! tena blem be marina zany an!:( raha ny fanampiana havana aloha tsy maninona loatra izany raha misy ihany no azo atao, fa raha raka ity fitanataranao azy ity dia sao mba tsy rariny kosa...
ny vaha-olana re de miresaha ihany nareo roa a! tsy misy afa tsy izay ihany fa raha ao aoriana ny firesahana no misy olana de mandraisa fe-petra e!
3. xxx ( 05/06/2006 11:15)
ka araka ny efa noteneniko ty azo resahina ny vadiko, ka inona ary ohatra ny mot ampiasaina @ ilay firesahana, tsy dia haiko loatra ilay miresaka satria za efa nanandrana niresaka tamin'ny vadiko fa dia adi ny fiafarana, sady efa nantsoiko ny anabaviny noresahiko, fa hoe tsy azo resahina ny mamany fa marary fo fa hoe sao dia maty tampoka, dia nilaza ny anabaviny hoe tsy mangata-bola ry zareo, nefa hita fa miandry vola avy aty foana, raha vao taratara ny fandefasana vola dia tonga ny sms, mody manoratra sms raha vao tara.
4. mandrindra ( 05/06/2006 11:20)
ny fanontanina apetrako amin'i xxx dia ny hoe : mahatonga olana ara-bola ao antokatranonareo ve ilay izy?
raha tsia ny valiny dia tsy tokony ho blema izany satria manana ny ampy ianareo no sady mahavita adidy.
raha eny kosa ny valiny dia lazao i lery fa ny tokatrano aloha ny voalohany, indrindra fa mananjanaka ianareo. fa amiko aloha raha io lazainao io hoe tsy raharahany na tsy misakafo aza ianareo dia ho radical be ny valiteniko, hilazao izy hoe mandehana vadio mamanareo hoe satria ho aiza lery no miasa sy miaina fa tsy ho an'ny ankohonanay aloha.
5. xxx ( 05/06/2006 11:32)
somary blème ihany, fa ny asan'ny vadiko aty mbola cdd fa tsy cdi, eritrereto fa tsy mba afaka manao économie mihitsy zahay, sady hitan'ny fanjatiana a, efa nisy vola nifanarahana hoity ny vola alef any @ mamany, fa taty aoriana nanomboka nafeniny ahy ilay izy, sendra nanontany aho hoe mba ohatrinona izao ny vola alefanao any @ mamanao, tonga dia tezitra be, ka sendra hitako ary ilay taratasy reçu western, ka tena vola be kay ny alefany any, efa t@ herintaona no tsy hitako intsony ny vola alefa any, rehefa miantso phone manome ny code dia any @ cabine fa tsy ato an-trano, ary rehefa assedic no horaisiny dia inona no ataony, akanjo iray ary tsy vidiany ho ahy, nefa izy mividy akanjo foana, rehefa nisy ady izay vao mody mividy zavatra kely ho an'ilay zaza, mandray vola kely aho mantsy fa lazaiko tsara fa raha ny fitaovan'ny zazakely dia presque ny volako daholo no nividianana miampy ny prime de naissance azo any @ caf.
6. soanja ( 05/06/2006 13:55)
xxx:

somary blème ihany, fa ny asan'ny vadiko aty mbola cdd fa tsy cdi, eritrereto fa tsy mba afaka manao économie mihitsy zahay, sady hitan'ny fanjatiana a, efa nisy vola nifanarahana hoity ny vola alef any @ mamany, fa taty aoriana nanomboka nafeniny ahy ilay izy, sendra nanontany aho hoe mba ohatrinona izao ny vola alefanao any @ mamanao, tonga dia tezitra be, ka sendra hitako ary ilay taratasy reçu western, ka tena vola be kay ny alefany any, efa t@ herintaona no tsy hitako intsony ny vola alefa any, rehefa miantso phone manome ny code dia any @ cabine fa tsy ato an-trano, ary rehefa assedic no horaisiny dia inona no ataony, akanjo iray ary tsy vidiany ho ahy, nefa izy mividy akanjo foana, rehefa nisy ady izay vao mody mividy zavatra kely ho an'ilay zaza, mandray vola kely aho mantsy fa lazaiko tsara fa raha ny fitaovan'ny zazakely dia presque ny volako daholo no nividianana miampy ny prime de naissance azo any @ caf.


Misy zavatra 3 goavana no mahatokatrano feno ny tokatrano iray: Fitiavana (love), Fifampitokisana (trust) ary Andriamanitra (God) na fitoviana finoana.
Raha tsy feno ireo dia mitongilana ny fifandraisana. Raha za ianao dia apetraho aminy ireo fanontaniana ireo hoe: Mbola tia ahy ve ianao?, sns ka raha voavaliny ireo dia tokony hisy communication (resaka) mandeha tsara aminy sy aminao, zany hoe ny lakilen'ny faharetan'ny fanambadiana dia ny communication ihany. Mazava ny heviny, mazava ny anao ary asiana marimaritra iraisana. Misy ny fifandeferana satria ny zavatra tokony tsinjovin'ny tokatrano iray dia ny fanana tokatrano maharitra feno fahasambarana, indrindra eo amin'ny lafin'ny fanabeazana ny ankizy. Raha manana zavatra afenina izy dia misy zavatra tsy atokisany anao. Resaho io inona io? Inona no tanjona ho tratrarinareo eo amin'ny fiainan'ny fianakaviana (ianao, izy ary ny zanakao) sns raha mivady ianareo.
Ankaotr'izay dia ankino amin'Andriamanitra ny alahelonao. Mety hanome hevitra anao mangingina izy ny tokony atao.
Amiko tsy misy maharatsy ny divorce raha sanatria ka tsy feno ireo 3 ireo eo aminareo roa fa alohan'izay atombohy amin'ny resaka aloha (communication), aiza ny tena olana. Zany resaka rafozana izany dia zanaky ny olana efa misy tsy voavaha teo aloha.


7. xxx ( 05/06/2006 14:29)
marina ny tenin-dry ry soanja fa sarotra be e, ilay olona tsy azo resahina mihitsy sady za tsy haiko loatra ilay miresaka satria koa tsy haiko ny mihatsara-vela tsihy, ny fifampitokisana aloa tsy misy izany satria efa hitako foana miahiahy foana ilay rangahy ato an-trano kanefa aho tsy hanontany azy satria j'en ai marre de parler avec lui, efa nandray fepetra aho @ ataoko fa za aloa tsy dia miresaka firy intsony aminy, tena lasa mihatsara vela-tsihy aho.
8. Zina ( 05/06/2006 14:38)
marina mihitsy io lazain'i soanjo io...ankehitriny ny olana ao @ pivady dia ny vola ary betsaka ny divorce satria tsy ampy ny vola. Ka alohan'ny hatongavan'io probleme be io dia mila miresaka mihitsy nareo mivady..Na tiany na tsy tiany tsy maintsy miresaka aminy ianao momban'ny ireo zavatra telo lazain'i soanjo. Dia bon courage e
9. xxx ( 05/06/2006 14:49)
Zina:

marina mihitsy io lazain'i soanjo io...ankehitriny ny olana ao @ pivady dia ny vola ary betsaka ny divorce satria tsy ampy ny vola. Ka alohan'ny hatongavan'io probleme be io dia mila miresaka mihitsy nareo mivady..Na tiany na tsy tiany tsy maintsy miresaka aminy ianao momban'ny ireo zavatra telo lazain'i soanjo. Dia bon courage e



efa fantatro koa anie fa par interêt no niarahany tamiko satria izy olona mba navotako tany dago, tsy afaka nipetraka aty france izy raha tsy avy amiko, tany madagasikara takin'inona izy fa nony indray azony ny 10 ans @ izao fotoana dia nasehony tanteraka ny toetra alikany dia araka ny efa noteneniny hoe ny mamany aloa vao zahako, ny mamany aloa vao ny tokantrano, ka nataony tohatra fiakarana aho fa Andriamanitra no mamaly izany rehetra izany fa saingy mampalahelo tokoa ny ataony izao, na ny mamany ary efa faly fa tafapetraka aty france ny zanany ka inona intsony ny rarahiny izay blème aty, déjà ny zanany lahy grave be.
10. sipagasy ( 05/06/2006 15:20)
mmhhh raha izaho ny eo @ toerana misy anao indrindra @ izao rivotra politika iainantsika izao annn dia esorina aminy ny ttsiny fa tsy mendrika, izany hoe tokony ho ny tokan-tranony aloha vao ny havany, noho izany isaraho izy dieny izao sao ianao no tsy hahazo hihinan-kanina eo intsony fa satria mila mandefa vola izy sns, ny action sociale aty frantsa feno maniry tahakan'ny anana antony ry zareo dia hazavao aminy ny zavatra manjo anao, natao hanampy izy ireny fa tsy handentika, eny fa na dia hiteny aza ianao fa hoe ny tokan-trano tsy ahahaka, mmhhh sao hiatra aman'aina e!!!
Aza manaiky miaritra ny tsy rariny izany fa tany misy fanjakana sy lalàna ny ipetrahanao e!
11. soanja ( 06/06/2006 01:55)
[efa fantatro koa anie fa par interêt no niarahany tamiko satria izy olona mba navotako tany dago, tsy afaka nipetraka aty france izy raha tsy avy amiko, tany madagasikara takin'inona izy fa nony indray azony ny 10 ans @ izao fotoana dia nasehony tanteraka ny toetra alikany dia araka ny efa noteneniny hoe ny mamany aloa vao zahako, ny mamany aloa vao ny tokantrano, ka nataony tohatra fiakarana aho fa Andriamanitra no mamaly izany rehetra izany fa saingy mampalahelo tokoa ny ataony izao, na ny mamany ary efa faly fa tafapetraka aty france ny zanany ka inona intsony ny rarahiny izay blème aty, déjà ny zanany lahy grave be.
[/quote]

Tezitra loatra izany fonao izany ry xxx. Toneo aloha ny fo alohan'ny hiresahana aminy. Mivavaha fa ho hitanao fa ho tony ny fonao. Jereo ny hatsaran'ny zanakao, todiho ny fitiavana niarahanareo hatramin'izay sao mbola misy azo tehirizina na ho anao fotsiny aza. Tadidio fa mety miova ny olona fa tsy hoe akory hoe izay foana izy hatramin'izay. Saingy mba ahafahanao maka fepetra ny momba ny ho avin'ny fiainanao sy indrindra ny zanakao dia ny firesahana aloha no fanafody voalohany. Tsy vahaolana izany tsy miresaka izany.
Rehefa voaresaka ireo 3 ireo ka tsy hitandry intsony izay raisina ny momba azy amin'io 3 io dia resaho ampitoniana indray ny zavatra mety hitranga rehetra raha toa ka hisaraka ianareo (ahoana ny fipetraky ny resaka zaza sns.) Fa ny fitazomana koa ny fitaizana milamina amin'ny mpivady roa misaraka dia ny fisian'ny fisokafan'ny communication amin'ilay mpivady roa ihany. Eo no tena ilaina ny fanadinoana ny fitiavan-tena fa ny fitiavan-janaka no tokony hanjaka. Izay ny mahatonga hoe na mpivady misaraka aza dia mbola mpinamana foana fa ( tsy mifandray be) satria manana zanaka iombonana hokarakaraina. Bonne chance e.

12. rhaingo ( 07/06/2006 13:33)
Ny zanakareo aloha tsinjovina tsy ho very tsy ho mpihavana ianareo sy ny fianankavian'ny vadinao noho ireo zaza ireo, fa tsaratsara jereo ny fidiram-bolanareo dia mifampiresaha sy mifampiera hoe izao no anaovantsika ny vola, sns... Tadidio fa ny zanaka lahy tsy mahafoy ny reniny mihitsy. Ilay resaka anabaviny no tsy maha d'accord ahy, Resaho izy hoe efa olon-dehobe mahaleo tena kosa izy fa aleo hi-demermerde irery. Farany, Aza adino ny mitondra amam-bavaka e
13. Fiffi ( 08/06/2006 03:30)
fa maninona foana ary re no ahitana olana rehefa hoe misy rafozana eh ? :roll:
14. mandrindra ( 08/06/2006 07:23)
fiffi, tsy ny rafozana rehetra no manisy olana ka
15. tisera ( 08/06/2006 14:49)
sarotra be mihitsimihitsy lé resaka fianakaviana ity ! fa dia mila maka saina tsara raha vao io no iadiana hevitra!
16. Fiffi ( 10/06/2006 07:12)
mandrindra: tsy hoe ny rafozana rehetra no tiako lazaina fa manontany fotsiny aho hoe fa maninona no hoe ahitana olana foana rehefa rafozana ? heu... zah aloha tena mbola tsy nahazo olana avy @ rafozako ka zay angamba no nametrahako le fanontaniana.
17. xxx ( 10/06/2006 12:48)
[quote=Fiffi]

tsy sendra ny rafozana tsy manana antom-pivelomana angamba ianao fa tsy fantatrao izany hoe mamelona rafozana mandra-pahafatiny miampy ny anabaviny sady mety tsy sendra ny lehilahy tsy manana personnalité fa raha izany dia mbola manana chance ianao fa izaho izao ny eo @ toerana hoe tsy maintsy mamelona rafozana sy ny anabaviny, mampisy problème ato an-tokantrano fa raha tsy misy izany rehetra izany dia tsapako fa ho tsara tokoa ny tonkantranonay, ka ny conclusion sur fa tsy maintsy any @ fisarahana na ho faly ary ny reniny hoe misaraka sady ny zanany efa nahazo tombontsoa tamiko ny 10 ans hipetrahana aty france ka inona intsony ny hirarahiny an'izany, izy rehetra no nahavoa, izaho nanavotra azy ity no mijaly, atao ahoana fa mampalahelo, ny havany any dago mitsotsotra tsy miady @ fiainana fa mandray fotsiny, azo atao hoe mbola tsy manana ny ampy zahay ato @ tokantranonay, izany économie izany aloa tsy hisy mihitsy raha tsy zahako no miasa e.
18. tisera ( 10/06/2006 15:51)
ary raha resahinao ny hoavin'ny ankizy ve ny vadinao ka avy hatrany dia manao compte bloqué ianareo dia mbola tsy mandaitra ihany ? Ny reniny aloha dia mbola azo leferina tokotrany @ lé fanampiana fa ilay anabaviny teneno azy am-pahatoniana hoe : raha olona tomady vatana sy saina tokony mba miezaka miasa mamelo-tena . Asio fetrany ilay vola halefa ; xxx moa izany miasa izao sa mbola tsy miasa ? Na inona na inona koa aloha dia ny vavaka ho an'ny fiainan-tokantranonareo no tena mahavaha ny olana é! Raha Andriamanitra Tompo no tena tokony ho naman'ny tokantrano tsirairay fa ao anaty tokantrano tsy maintsy misy olana foana dia mila fandeferana , fifanajana sy fiadin-kevitra . Mivavaha alohan'ny iresahanao milamina @ vadinao momba io toe-javatra io dia avelao hiasa ao anatinareo ny Fanahy Masina fa ra-devoly koa mantsy grave be raha hampiady @ lafiny maro . Dia mahereza!
19. Fiffi ( 10/06/2006 18:58)
xxx: zany hoe heu...mety sendran'ny olona tena tia sy mitana ny fahaleovan-tenany angamba aho raha izany , izy tsy miditra @ fianako na pitiny aza , zah koh tsy miditra @ fianany na kely aza fa de samy manaja ny fiainany tsirairay .
tisera: marina mihintsy zany lazainao zany .
xxx: de mahereza hatrany eh!
20. xxx ( 11/06/2006 07:33)
Fiffi:

xxx: zany hoe heu...mety sendran'ny olona tena tia sy mitana ny fahaleovan-tenany angamba aho raha izany , izy tsy miditra @ fianako na pitiny aza , zah koh tsy miditra @ fianany na kely aza fa de samy manaja ny fiainany tsirairay .
tisera: marina mihintsy zany lazainao zany .
xxx: de mahereza hatrany eh!


teneniko anao "fiffi" fa izaho dia vehivavy mahaleo-tena mihitsy, efa eo am-pitadiavana asa tokoa aho izao, fa raha satriko koa anie hiasa, efa nifanarahanay t@ mbola bevohoka hoe tsy hiasa fa hitaiza, nefa aho hoatrin'ny hitsakitsahiny sy tsindriny @ ilay za tsy miasa @ izao fotoana, fa ny problème tsy misy hitaiza ny zanako.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1877