rafozana

21. Fiffi ( 12/06/2006 07:47)
xxx: fa maninona no tsy hatao any @ crèche le zaza ? @ zay ndry afaka miasa tsara . Mampalahelo koa zany zavatra mahazo andry zany an!
22. mbaliana ( 12/06/2006 10:02)
miareta kely aloha e, jereo aloha ny zaza dia refa afaka miasa sy mahaleo tena ianao dia omeolesona kely ... dia ho hitanao eo ny tena toetrany ee... asa aloha fa mba eritreritra ny ahy iny...fa mahereza aloha akia en attendant an.
23. xxx ( 12/06/2006 11:07)
mbaliana:

miareta kely aloha e, jereo aloha ny zaza dia refa afaka miasa sy mahaleo tena ianao dia omeolesona kely ... dia ho hitanao eo ny tena toetrany ee... asa aloha fa mba eritreritra ny ahy iny...fa mahereza aloha akia en attendant an.



eny e, marina ny teninao ry "mbaliana", hiaretako tokoa mandra-pahita asa, sady asa fixe mihitsy no ho jerena, fa raha mahazo place any @ crèche ny zanako dia voa maika tsara.
24. Fiffi ( 12/06/2006 11:55)
atero aty amiko de tezaiko hihihihih :)
25. HESHA ( 13/06/2006 05:59)
Aza avela ho ny hafa no hanimba ny tokantrano e.
Ny hevitra afaka atoroko zao ra mety hanampy anao, asaina manangana zavatra mampidi-bola le anabaviny am zay tsy charge intsony (Ohatra hoe epicerie na . . .), ny vola ho an ny rafozana ko am zay mihena ho azy fa mba efa any ndray izy no mitavana. Sarotra be manko le hoe ny anabavinao . . . . ny reninao ko mbola . . . . fa efa tianao izy, izy tia an ireo de asio politika kely.
Ny vola manova toetra foana na mitombo na mihena satria io le hoe "jamba" e. Fa dia ianao zao no mbola lucide de anjaranao zany no manalefaka ny effet ny amin ny tokantranonao sy ny fianakavian le vadinao.
Mahereza e !!!!!
26. rna ( 13/06/2006 07:01)
[quote=HESHA]
lazaiko anao mihitsy fa tsy hanao izany ry zareo satria vehivavy kamo velona daholo, mahafinaritra ary ny toloram-potsiny sady efa zatra an'izany hatrizay niainany e, en plus ry zareo nisy namelona foana, ny rahavavin-dreniny namelona izy mianakavy dia nitetitety, ry zareo no mandoa ny écolage-ny sy ny fiainany t@ izany fotoana, ka mino aho fa tsy hanao izany, za ary efa manomboka leo mipetrapetraka ato an-trano manjary mi-stresse, fa ry zareo tsy mba maninona @ izany mihitsy fa ao an-trano foana sady miandry toloram-potsiny, raha za ny eo @ toerany aloa dia menatra aho e, ary izaho niteraka zaza lahy fa tsy asaiko hamelona ataoko fitaovana ny zanako, izaho no tokony hitady asa mba hanana retraite any aoriana, fa tsy hoe niteraka dia ny zaza no atao fitaovana avelako izy hanana ny fiainany.
27. Fiffi ( 13/06/2006 07:25)
tena tsara aloha rehefa mahaleo-tena an! de @ zay "tu ne dois rien à personne" satria manko raha mbola miankina @ irery ny fidiram-bola indrindra de hanao zay danin'ny kibony ao fotsiny izy.
28. tisera ( 13/06/2006 12:23)
:o:wink: rna = xxx ve?! sa ahoana?
29. HESHA ( 15/06/2006 06:53)
andramo ihany alou e, ra teneninao ve ny vadinao hoe efa mba samy lehibe zao sady efa samy manan-janaka tsy mba hieritreritra izy ? Sady ra teneninao izy hoe anga kosa ny rain ny zaza tsy mba miraharaha azy de inn no havaliny ?
30. hasinando ( 22/06/2006 10:53)


FOMBA ny rafozana mananjanaka tafita kely zany fa resaho tsara ny vadinao de asio règlement e!
Mano any@ havany izy ,manao adidy any @havanao koa fa za manaiky poretina eo.

Courage fa tsy ianao irery no sendran'izany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1249