Nahay nanapaka tamin'ny kely ianao.

1. Herimiafina ( 22/05/2006 16:37)
Nahay nanapaka tamin'ny kely ianao, ka indro hanapaka amin'ny be.

Teny miverimberina amin'ny sarintsoratra samihafa ao anaty Baibolin'ny Tenin'Andriamanitra.

-Aza ariariana fahatany ny harena. Tandremo hatramin'ny 1francs ny harenanao.
-Aza manarinary fotoana amin'ny zavatra tsy misy fotony, takio hatramin,ny iray minitra ny fotoana.
-Ampitomboy ny finoana.
répondu par prime le 01/06/2006 09:18
2. heriw ( 22/05/2006 18:02)
tsy azoko mihitsy ny tnao ambara
3. Fiffi ( 22/05/2006 18:39)
herimiafina: mba tiako fantarina hoe aiza ho aiza ao anatin'ny Baiboly no misy an'io ?

Io resaka io ve mikasika @ fitantanana harena s fitantanana inona ?

Nefa indray misy hoe "ampitomboy ny finoana" ka tena tsy mazava , raha toa ka mba azinao hampiana fanazavana kely ? Misaotra Tompoko
4. marozevo ( 22/05/2006 20:19)
Ohatran'ny misokatsokatra fahatany fotsiny ilay loha hevitra, fa tsy hita izay lohany sy tongony.
5. cutie ( 22/05/2006 21:12)
efa henoko io :P
6. vale ( 22/05/2006 21:29)
Efa mpaheno an'io ko zà ry reto fa tsy azoko ny tena dikany à:(
HM> mba azonao azavaina ve ny tian'io lahatsoratra io lazaina?:roll:
7. LazaRandri ( 22/05/2006 23:31)
Herimiafina:

Nahay nanapaka tamin'ny kely ianao, ka indro hanapaka amin'ny be.
Teny miverimberina amin'ny sarintsoratra samihafa ao anaty Baibolin'ny Tenin'Andriamanitra.
-Aza ariariana fahatany ny harena. Tandremo hatramin'ny 1francs ny harenanao.

Eny an'Andriamanitra avokoa ireny no nomeny ampiasaintsika ka tokony ampiasaina araka ny sitrapony.


Herimiafina:
-Ampitomboy ny finoana.

Na finoana kely toy ny "mustard seed" aza dia ampy.

Samy manana finoana tokoa ny tsirairay. Saingy tsy ny halehiben'ny finoana no ilaina fa hoe amin'ny inona na amin'iza ny finoanao no miorina? Amin'ny Tenin'Andriamanitra ve, sa fahaizana, sa harena, sa "scientific evidences", avy aiza? (Romana 10:17)

8. pissoa ( 24/05/2006 05:57)
Tsy azoko mihitsy izay tsy azon'ny olona tsy mahazo :roll:
-Aza ariariana fahatany ny harena. Tandremo hatramin'ny 1francs ny harenanao.
-Aza manarinary fotoana amin'ny zavatra tsy misy fotony, takio hatramin,ny iray minitra ny fotoana.
-Ampitomboy ny finoana.
9. Fiffi ( 24/05/2006 07:36)
pissoa: zah aloha tena tsy mahazo an'le hoe fitantanana inona ilay izy ? nefa misy hoe hampitombohy ny finoana.
10. xxx ( 24/05/2006 07:47)
pissoa:

Tsy azoko mihitsy izay tsy azon'ny olona tsy mahazo :roll:

nafenina ny "hedry" ny fahamarinana, mijery izy fa tsy mahita, maheno fanazavana fa tsy mahazo =)) =)) =))

11. Fiffi ( 24/05/2006 07:50)
12. prime ( 24/05/2006 08:24)
Zah koa tsy kôpy!
Ny fanapahana voalazan'ny baiboly anie tsy harena ihany sy fotoana e! tena fomba fitantanana mihitsy no hamafisin'io am-pahateny io ao amin'ny soratra masina. Ka anamafisan'Andriamanitra ny fitiavany sy ny fitokiany amin'ny olona iray nilazany izany no ambara ao, nahatanteraka ny sitrapony an-tsakany sy andavany. tsy ny olona rehetra akory no nilazan'Andriamanitra an'izany.

Ny finoana koa tsy ny habeny no zava-dehibe, fa ny heriny sy ny ainy ao anatin'ny tsirairay miankina amin'ilay inoany. "ka na toy ny voatsinapy aza..."
LazaRandri:
Samy manana finoana tokoa ny tsirairay. Saingy tsy ny halehiben'ny finoana no ilaina fa hoe amin'ny inona na amin'iza ny finoanao no miorina? Amin'ny Tenin'Andriamanitra ve, sa fahaizana, sa harena, sa "scientific evidences", avy aiza? (Romana 10:17)
13. booboo ( 24/05/2006 08:30)
nenà ny fahazoako an'io verset iraika io dé ôtra zao ( lesonay tany @ sekoly alahady taloha ) : nahatoky zà t@ andraikitra kely nasaina nataoko tao an-trano, ohatra hoe mampirina fandriana isaka ny mifoha... dé afaka anankinana andraikitra mavesatra kokoa hatrany hatrany : ohatra hono hoe, hita @ rehefa miasa any am-piasana ndray andro any fa olona mahatoky @ asa atao, sns...
14. prime ( 24/05/2006 08:53)
Izay mihitsy raha ny tena izy.
Ka izay indrindra no tsy itenenany izany amin'ny olona rehetra fa izay nahatanteraka ny sitrapony ihany. Nanankinan'Andriamanitra zavatra, asa, adidy isika tsirairay avy. Nisy tenim-pitokiana nataony tamintsika tsirairay avy. Ilay (na ireo) nahatanteraka ny sitrapony no nanaovany io teny faminaniana io ka nomeny zavatra, asa, adidy bebe kokoa noho ny teo. Ary any amin'ny farany tena ny any an-danitra mihitsy no omeny hotantanan'izany olona izany. Tena izay tenenin'i boboo izay no mahazava azy fa amin'ny lafiny fiainana miaraka amin'Andriamanitra indrindra indrindra fa tsy amin'ny lafiny fiainana andavanandrontsika fotsiny.
15. xxx ( 24/05/2006 09:21)
Marina mintsy ny voalazan' i booboo sy prime io, raha mahatoky @ kely izay efa nomeny andraiketanao manomboka izao enao ,(oh: manao ny sitrampony , manao soa ny manodidina sy ny mpiarambelona , mizara izay efa noraisinao t@ A/tra ho any hafa , tsy mandany fotoana @ zavatra tsy de misy vokany ,sns ) de mahatoky @ be koa, ary azon'Andriamanitra fa ahazaka ny fitahiany enao ,dieny ety ka hatrany andanitra , fa raha tsy mahatoky @ kely akory enao fomba ahoana mo no hazakanao ny fitahian' Andriamanitra fa mahatonganao hirehare indray hoe enao no tena ohatr' izao de tsy ho hita mintsy ny toeran'A/tra @ izay
16. prime ( 24/05/2006 11:48)
Fa tsy azoko ho'a ilay vanitika be an'i xxx io e! sa te hampihomehy fotsiny.... pissoa koa moa lasa filôzôfa ho'azy teo....:-D:-D:-D:-D
17. Herimiafina ( 24/05/2006 12:21)
Avy aiza avokoa moa ireny andraikitra ireny? Ireny vola omena antsika ireny? Ireny talenta omena antsika ireny? Sy ny zavatra maro isankarazany izay natao hanjakantsika sy hotantanintsika? Eny fa na ny fahefana hananantsika aza? sns (tsy voatery ho vola sy fotoana fotsiny fa ohatra fotsiny ireo).

Avy aiza izy ireny no misy mitompo tena fatratra matetika mi-gaspiller azy ireny.

Latsaka eny andalana ny 1francs ao ampaosy ohatra dia tsy mitsimpona satria hoe tsy misy valerany iny.

Very ny fotoana, toa miaina tahaka ny olona iray tompon'ny fiainana ka miheritreritra ny hiaina amanjato-taonany. Adino Andriamanitra fa ny oloana sy ny fiainana andavan'andro no misisika ao andoha.

-Mila mahay mijanona kely eo anatrehan'ny rythme sy ny henjikenjika, ary manonona vavaka, na dia iray minitra monja aza ho an'Andriamanitra.

Marihina fa ny zava-drehetra dia an'Andriamanitra avokoa, ary matoa tonga eo ampelatananao tamin,ny fomba marina dia nomeny anao hoandraiketinao, eny fa na ny fanampiana ny hafa aza.



18. prime ( 24/05/2006 12:35)
=D=D=D=D
19. booboo ( 24/05/2006 13:46)
zay vao azoko tsara. Misaotra nizara raha vaovao tsy mbola fahenoko mitsy :-*
20. marozevo ( 24/05/2006 14:50)
Iza aloha no tsarain'i herimiafina amin'ireo ohatra ireo eh ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1018