Barcelone vs Arsenal ?

1. totofy ( 17/05/2006 09:47)
Match manja be : Barcelone sa Arsenal ? firy sy firy ?
répondu par nambina le 25/05/2006 06:19
2. mandrindra ( 17/05/2006 09:51)
Barca 2 Arsenal 1
3. diamondra27 ( 17/05/2006 10:14)
barcelone ny anay e! 3 & 2

hay mandrindra ekipako an!
4. mandrindra ( 17/05/2006 10:17)
efa poinsa ny fandresentsika ry diamondra27 a
5. naughtyboy ( 17/05/2006 10:28)
Arsenal 3, barcelona 2 samy ankafiziko fa tsy miala @ Arsenal na de voalohany aza io final io, thierry Henry vs ronaldinho milay mintsy fa ny gunners ihany no hibata izy io ko ..
6. hery ( 17/05/2006 10:29)
90mn 1 - 1

Dia resy @ tirs au but ny Barcelone

Tena tsy fananiako io fa na zah kou mba maka Barcelone...
7. totofy ( 17/05/2006 11:24)
Barcelone ny favori fa Arsenal no maharesy, io lé surprise an ! Arsenal 2 & Barcelone 1
8. mandrindra ( 17/05/2006 11:30)
totofy , aza mody avadika eo fotsiny ny score e :D
9. dadabe ( 17/05/2006 11:43)
zahay maka ny domoina soavina atsimondrano e:°)
10. totofy ( 17/05/2006 11:55)
mandrindra , lé score ngé serré e! tsy score fleuve io fa kely fotsiny de toute façon na iray na ny iray.. mety possible ohantran' ny tenenin' i Hery aza:wink:
11. mandrindra ( 17/05/2006 12:04)
io raha mbola ny style 4-1-4-1 no ampiasain'i wenger dia ho resy i arsenal satria na teknika sy rapida aza i henry dia tsy ahavaky irery ny vodilaharan'i barca indrindra moa fa raha i edmilson no milieu défensif.

amiko raha te hanana chance handresy i arsenal dia tokony hanova taktika hanao 4-4-2 classique ry zalahy. amin'izay matsy misy manao relais sy mifixer ny défens fa tsy miady irery i henry.

marina fa rindrina matanjaka ny manoloana an'i jens lehmann, saingy ireo ekipa rehetra nifandona tamindry zalahy hatramin'izay anie ka attaquant roa izay ampian'ny milieu offensif iray no nanafika. ny androany hariva dia attanquant telo no hanoloana amin 'izay koa mbola milieu offensif roa. ho henjana ny asandry kolo touré sy sanderos androany.

fehiny barca no mandresy e. :D
12. rapala ( 17/05/2006 12:16)
Barcelona e... matoa i Queen nihira io hira io midika izany fa mavita azy barca, arsenal 0, hi,hi,hi
(naughtyboy)
13. andriary ( 17/05/2006 12:18)
mety ry zareo bresiliana no maharesy eto na ny cote d ivoire
14. Ralay ( 17/05/2006 12:21)
Ekena fa mahay matoa tonga finale fa ny ahy aloha ny pronostikako dia Arsenal (2) Barcelone (1) ka dia ho hitantsika eo ny valiny anio alina. Iza no hiparier amiko bon resto =))raha sipa de omeko bizz oroka :D:*
15. mandrindra ( 17/05/2006 12:31)
andriary, fa ahoana moa no hoe bresiliana na ivoirian no handresy. samy manana bresiliana anie ireo ekipa roa ireo e.
16. rapala ( 17/05/2006 12:31)
Tsy aleo rahampitso vo miparier @izay i ralay tsy mila mitondra any @ resto no tsy manomé bizzmihany kou?:-D:-D:-D
17. totofy ( 17/05/2006 12:35)
tsy ny mpijery ve no maharesy fa mahita match tsara ! :wink:
bon match ry zalahy a! dé hita eo ce soir:-D
18. zandikely ( 17/05/2006 12:45)
Barcelone aloha no favorite, fa zaho mihevitra baolina tsy dia hisy buts maro miditra loatra.
Fiheverakao: Barcelone 1- Arsenal 0
Tsy dia ny défence Barcelone loatra no tokony hatahoran'ny Arsenal fa ahoana ny fiambenan'izy ireo an'Ronaldinho sy Eto miaraka.

Mety ho any Espagne tahaka ny UEFA cup koa ny Champion's League.
19. rapala ( 17/05/2006 12:49)
zandikely:^:^ sura hoa,
20. jentilisa ( 17/05/2006 12:53)
Ratsy be aloha ilay baolina raha vao ady sahala eo e! fa izao. izaho maka angleterre! i Arsenal (fa tsy ravinala) manko e!

Izahay indray mpampiady baolina fa ataovy resy eo ange barcelone e!

izaho aloha maka outsider amin'ity e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4828