moustiquaire MAIMAMPONA

1. azamanaiky ( 12/05/2006 18:46)
Eto Dago,ny tazo(paludisme) tsy miala
ny dengue sy chiku koa manadala
..samy entin ny moka.
Nahazo vola t@ Fonds Mondial ny Malagasy ,izay hividianana 3 millions moustiquares hiadivana @ tazo ka ho zaraina MAIMAIMPONA.
Gaga anefa @ adin'ny CRESAN miaraka @PSI, ny UNICEF fa manao tetika ny HAMAROTANA an'ireo ry zareo ankehitrio.
Fa ahoana ihany ity ady @fahantrana dradradraina ity e?Aza manaiky io tsindry ny mafia mpamono olona ireo satria ny ahazo vola ve ny tanjona sa ny handresy ny fahafatesana aterak'ireo aretina telo eto @tanindrazanao zao?
répondu par azamanaiky le 14/06/2006 08:12
2. Rainikarabo ( 12/05/2006 18:55)
fa rehefa hozaraina maimaimpoana ilay izy dia saika hoe iza daholo no mahazo? ny gasy mantsy 17 millions hono!
3. Fiffi ( 12/05/2006 18:55)
fa manao tetika ny HAMAROTANA an'ireo ry zareo ankehitrio.
Iza hono zany ? ary iza no nilaza an'izany ? Misy fanarahamaso izy io arakin'ny fahafantarako azy satria ady hiarovana @ fahasalamana izy io . Nahita article zay zah tao @ gazety fa ho alefako eto raha hitako.
4. Fiffi ( 12/05/2006 18:58)
Nefa aloha an! ny UNICEF mihintsy no hanaramaso an'io fizarana io. Marina fa tsy ho hahazo daholo ny olona rehetra fa c'est mieux que rien ! sa ahoana ?
5. sareraka ( 12/05/2006 19:20)
io ilay mondialisation e
entrée gratuite fa sortie payante:-D

KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY?
6. Fiffi ( 12/05/2006 19:22)
ka tsy marina izany ! porofoy aloha raha marina izany eh!
7. fanantenana2003 ( 13/05/2006 09:38)
sareraka:entrée gratuite fa sortie payante
manaiky a'izay mihitsy aho
8. diamondra27 ( 13/05/2006 12:14)
ka tsy ny olona mbola tsy voa ve no tokony homena e! de ze voa atao vakisiny, inon ny blème @zany, sa mitady sosy
9. diamondra27 ( 13/05/2006 12:16)
mahazo don de tsy faly ny vahoaka , tsy mahavita zavatra araka ny attente-ny ny vahoaka de milaza fa rava8 tsy mahavita azy ; de inona ihany ary no mety?
Mifaly @ ze hananana ngamba
10. Fiffi ( 13/05/2006 12:46)
fa ny tena olana koa anie dia ny famelezana ny tsaho eh! ity honohono ity hiany no hanimba zava-dehibe . Tsy misy porofo , tsy misy na inona na inona fa "hono" ahoana re zany eh ?
11. azamanaiky ( 13/05/2006 14:16)
Tsy tsaho fa azo porofohina:nisy fivoriana t@ alakamisy 11 mai teo teny @secretariat CCM Antanimena.Ary @ 16 mai izao ny fanapahankevitra farany hoe hozariana hamidy na mody alefa hoe marketing social nefa hamidy @ gasy efa maty noana.
Ny laharam-pahamehana @io dia ny zaza latsaky ny dimy taoan sy reny bevohoka.
Izay afaka mitady porofo tokony mankany Antanimena ny 16 ami @ 9 ora maraina miaraka @ mpanao gazety manontany alohan 'ny hanombohan'ny fivoriana.

Mila groupe de pression aloha raha mba tiany hisy vokany ity SERASERA mamokatra ity
12. Fiffi ( 13/05/2006 14:23)
azamanaiky:

Mila groupe de pression aloha raha mba tiany hisy vokany ity SERASERA mamokatra ity
groupe de pression ahoana koh zany ? hanao inona ? atao inona ? Ary nga tsy misy vokany ity SERASERA ity ? ary vokany inona ?:roll::roll:


13. Rainikarabo ( 13/05/2006 14:28)
ny ahiako raha hozaraina fotsiny dia hiteraka olana hafa, satria hisy ny himenomenona hoe "izahay tsy nahazo", sy hiteny koa hoe "tany ananona ihany no nomena fa ny tany ananona tsy mba nomena".
Sady 16 Mai ve kay vao fanapahan-kevitra e, mbola tsy nisy nanapaka izany teo hoe amidy ilay izy. Raha izaho manokana, aleo hipetraka amin'ny fahendren'izay nanankinana azy, organisme internatinal koa moa ireo ka tsy dia misy hidiran'ny fitondrana malagasy mivantana amin'ny fanapaha-kevitra raisin-dry zareo, sa diso zany eritreritro izany?
14. Fiffi ( 13/05/2006 14:57)
Rainikarabo:

Sady 16 Mai ve kay vao fanapahan-kevitra e, mbola tsy nisy nanapaka izany teo hoe amidy ilay izy.
ka zay manko hoa eh! ka io no nahatonga ahy hiteny hoe "honohono" zao foana no tsy mety eh!
Ny mampiheritreritra ahy indray dia sao dia ny heritreretin'i "azamanaiky" hoe hamidy fa misy manko ny olona izay omena zavatra dia tonga de hamidiny io fa tsy tazominy ho azy ????????


15. soanja ( 14/05/2006 11:05)
Rainikarabo:

fa rehefa hozaraina maimaimpoana ilay izy dia saika hoe iza daholo no mahazo? ny gasy mantsy 17 millions hono!

Ary maninona raha zaraina daholo ny olona ao Tamatave sy ny manodidina azy , zany hoe ny mahantra tsy afaka mividy an'io any, satria tsy hoe any moa no misy an'io aretina io izao?


16. kally ( 14/05/2006 11:23)
Ka iza avy moa ireto ho faritana hoe mahantra tsy hahavidy? Toa hanahirana ity resaka ity kah!ataovy an-tsapaka e! sa tsy mety aminareo izany?:roll: Samy gasy mitovy zo hoy ny sasany ka iza no hahazo iza no tsy hahazo? mhm!
17. Fiffi ( 14/05/2006 13:02)
soanja:


Ary maninona raha zaraina daholo ny olona ao Tamatave sy ny manodidina azy
[/quote]fa nahoana no ho an'Tamatave hiany ?

18. Fiffi ( 14/05/2006 13:03)
Ary maninona raha zaraina daholo ny olona ao Tamatave sy ny manodidina azy
fa nahoana no ho an' Tamatave hiany ?
19. booboo ( 14/05/2006 13:52)
tao Nosy-Be koa zao nafotaka ny chik sy ny dengue dia "nitsoaka" tany Mahajanga aby ny ankamaroan'ny vehivavy mitaiza kely reny !
20. Fiffi ( 14/05/2006 14:13)
ndryyyyyyyyy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2488