ity ary misy dinika atolotro ho anareo rehetra e

1. sareraka ( 12/05/2006 08:58)
Misy hadisoana ve ny nataon'ny mpitondra rehetra hatrizay teto MADAGASIKARA , rehefa lany dia mameno paosy?
répondu par toovs le 12/06/2006 16:26
2. Fiffi ( 12/05/2006 09:44)
iza hono no nilaza an'izany ?:wink:
3. fijo ( 12/05/2006 21:03)
efa nijery ny tany anaty paosiny tokoa ve aloha nareo e?????
4. dokotany ( 14/05/2006 13:10)
Tena marina io voalazan'i sareraka io ary tsy nivelona afatsy tamin'ny trosa ny fanjakana malagasy hatramin'izay ka hatramin'izao.
Indraindray aho lasa saina hoe sao efa tsy ho avotra intsony aza ny firenen-tsika ary fantatr'izay rehetra tonga eo amin'ny fitondrana.
Dia inona moa no azo atao amin'izany, afatsy ny mameno ny paosy!
5. VIRGINIE ( 02/06/2006 09:20)
Efa aretina mikiky ny olombelona io ry sareraka a!tsy maintsy izaho sy ny fianakaviako aloha vao ny hafa ,eny na ianao aza ve eo amin'ny toeranan'izay ireo tsy maintsy hanao an'izay kely ihany ,izay tonga eo dia tsy mahatsapa ny fihatraikany fa isika madinika no iharan'ny tsindry hazo lena ,ka na iza na iza hitondra eo dia tsy hisy solution afa-tsy ny fametrahana amin'Adriamanitra ny fiainana ihany .
6. prime ( 02/06/2006 12:01)
Hoy Virginie:
eny na ianao aza ve eo amin'ny toeranan'izay ireo tsy maintsy hanao an'izay kely ihany

Raha izaho aloha tsy hanao... i Virginie angaha raha eo hanao an'izany????:-P
sareraka> tokony tsy hisy fahadisoana, asa toy ny asa rehetra io, fivelomana io... fa ny olana anie tsy ny famenoany paosy fa izy ireo tsy mitsinjo ny vahoaka e! tsy mitsinjo ny hafa...:wink:
7. xxx ( 06/06/2006 07:19)
Rehefa hitondra izany dia vonona ny hamitaka foana???dia tsy ho diso kosa ary ve ireo mpitondra izay lany ka nameno ny paosiny fotsiny ry sareraka a? fa angaha izany no nifidianan'ny vahoaka azy ?
8. toovs ( 12/06/2006 16:26)
VIRGINIE:

Efa aretina mikiky ny olombelona io ry sareraka a!tsy maintsy izaho sy ny fianakaviako aloha vao ny hafa ,eny na ianao aza ve eo amin'ny toeranan'izay ireo tsy maintsy hanao an'izay kely ihany ,izay tonga eo dia tsy mahatsapa ny fihatraikany fa isika madinika no iharan'ny tsindry hazo lena ,ka na iza na iza hitondra eo dia tsy hisy solution afa-tsy ny fametrahana amin'Adriamanitra ny fiainana ihany .



raha mpitondra frantsay ve ohatra no manao izany de heverinao fa tsy efa resaka tribunal be. Diso kosa enao ra miteny an'izany amiko. maninona raha ataony izay hampandroso an'i gasika ra de mazefa-danja ho azy ny vola raisin'izireo e. mba au moins mitovy amin'ny fari-piainan'ny ankabetsahan'ny afrikana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2485