mba omeo izay mahita

1. Totaine ( 29/04/2006 03:26)
Sao mba misy aminareo manana na mahay ny tonon'ilay hira manao hoe:"Izao feoko mihira izay renao izao tsy henonao intsony rehefa any aoriana ka mba hatsiarovanao ny anarako....." asa mety hiran'i Salomon angmba io,izy io mantsy hira ho ataoko entina hatsiarovana ny raiko izay efa nody mandry.misaotra ary manantena
répondu par Fiffi le 08/05/2006 11:36
2. Fiffi ( 29/04/2006 03:49)
Totaine: mba manana hira maro2 an'i Salomon hiany aho fa toa tsy nahita an'io , fa tsy fantatrao ve ny titra ? mety tsy Salomon koa angamba ny mihira azy , fa ho jereko hiany aloha .
3. hertix ( 29/04/2006 03:51)
Romule no mihira io hira io. Manana k7 misy azy io aho fa andraso aloha tadiaviko dia alefako eto ny tonony raha mbola tsisy mandefa.
4. Fiffi ( 29/04/2006 03:52)
hertix: inona kay ny titra ?
5. hertix ( 29/04/2006 04:00)
raha tsy diso aho dia "mba ahatsiarovanao ny anarako" fa aleo aloha verifier-ko.
6. Fiffi ( 29/04/2006 04:05)
hertix: eny ary :)
7. dadabe ( 29/04/2006 04:43)
i arimalala anotaniana fa izy mahay hira maro be
8. Fiffi ( 29/04/2006 05:50)
sady efa ho jreren'i hertix zany satria izy hono manana casety.
Totaine: de mahereza hatrany an!:-*:-*
9. maminou ( 29/04/2006 07:10)
salut e!
raha tsy diso ny tononkira hananako dia "Izao feoko mihira henoinao izao" no lohatenin'ilay hira ary Romule no mihira azy;koa mihirà finaritra ary e!:D

Izao feoko mihira henoinao izao,
Tsy ho renao intsony rehefa any aoriana,
Ka mba hahatsiarovanao ahy,izao atao:
'reo hira fanaoko kaloina mangina.

Rehefa tsy ho hitanao intsony izany tavako,
Fa efa navalon'ny andro sy taona,
Ka mba hahatsiarovanao ahy re rahavana,
'reo dinantsika tsiahivina foana.

Fa hany mba farany hanafatrafarako,
Ka hiangaviako ho tanterakao,
Dia ny hahatsiarovanao izany tantarako,
Indrindra ny antsika,dia izaho sy ianao.

Rehefa tsy ho hitanao...sns...
10. Fiffi ( 29/04/2006 08:51)
tena maha-ontsa tokoa izany tononkira izany.Fa dia mahereza hatrany ry Totaine.
11. pitoussy ( 29/04/2006 12:58)
maminou :de ahona njay ny feony ?hita ao @ lisitry ny hira RVG ve ?
12. Fiffi ( 29/04/2006 13:02)
pitoussy: mba tiako henohina koa io hira io fa tsy aiko raha misy ao na tsia.
13. pitoussy ( 29/04/2006 13:06)
fiffi:eny oa aky, toa otsan'ny mampalahelo be le toniny
14. Fiffi ( 29/04/2006 13:11)
pitoussy: fa aza mi-:(:( be ao ndry an! :-*:-*:-*
15. pitoussy ( 29/04/2006 13:20)
fiffi: vo le tonony fotsiny anie de efa ma-:(:(:( e;sa ahona hozizy njy
16. Fiffi ( 29/04/2006 14:38)
pitoussy: f'ita hoa akia eh! :(
17. maminou ( 29/04/2006 16:50)
Salut daholo,
Tsy fantatro aloha raha misy an'io ao@RVG fa tena tsara tokoa io hira io ary tena hahitana fa sentimental be ny malagasy(limite mélo!).Tsy tsara henoina loatra raha lavitra ilay "malala" na koa efa zoky olona.:cry:
18. Totaine ( 30/04/2006 07:03)
salut! jiaby
mametraka ny fisaorana anareo rehetra
Ny lalana tsy aleha marina no tsy tody
Ny trano tsy atao no tsy vita
Ny voro-tsy rasaina tsy hita aty
manana tokoa manana anareo namana ato @ serasera fa d mamerina ny fisaorana nanampy ahy e!
19. diamondra27 ( 30/04/2006 07:22)
:°):°):°)
20. hertix ( 30/04/2006 09:27)
Misaotra an'i maminou nandefa ilay tonony. Misy ahitsiko kely ny sasany fa tsy nitovy t@ noraisiko t@ k7:

Izao feoko mihira henoinao izao,
Tsy ho renao intsony rehefa any aoriana,
Ka mba hahatsiarovanao ahy,izao atao:
'reo hira fanaoko kaloina mangina.

Rehefa tsy hitanao intsony izany tavako,
Fa efa navalon'ny andro sy taona,
Ka mba hahatsiarovanao ahy re rahavako,
'reo dinantsika tsiahivina foana.

Ny hany mba farany hanafatrafarako,
Ka hiangaviako ho tanteraka,
Dia ny hahatsiarovanao izany tantarako,
Indrindra ny antsika,dia izaho sy ianao.

Rehefa tsy hitanao...sns...

Raha be sentiment aloha tsy dia tsara mihaino azy e! Nahatsiaro ny dadako koa aho teo am-pandraisana ny tonony fa soa ihany fa tsy nitomany...:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7748