Tsy hoe be zesta...

1. 100tinl ( 28/04/2006 12:54)
Asa re ry namana na ny fiainana no mihasarotra ka adino hatramin'ny fahalalam-pomba faran'izay tsotra, tsy hoe be zesta aho na te-ho deraina fa tafiditra hopitaly ilay zanaky ny mpiara-monina, olona sahirana ara-pivelomanana ka dia ny mpiray vodirindrina teto no nifandimby nikarakara ilay zaza marary: fanateram-bary, garde malade etsetra e...nandritry ny herinandro maromaro, nefa dia hita taratra fa tsy mba NISY FISAORANA nomena ny mpiray tanàna NA DIA INDRAY MANDEHA AZA avy amin'ny fianakavian-drizareo nony nahare izy taty aoriana.Nahoana ? Tsy fantatro raha efa sendra toe-javatra mitovitovy @ izany ianareo ...
répondu par tiatsara le 03/05/2006 06:44
2. sipagasy ( 28/04/2006 13:00)
ny soa atao hono levenam-bola e! izay atao an-tsaina dia ampy izay e!
3. fasaly ( 28/04/2006 13:05)
misy ny olona sasany dia tena tsy mahalala io fahalalam-pomba io ka tsy azony antsaina izay hataony ka aza omena tsiny izy, ny soa atao levenam-bola marina:°):-*
4. Fiffi ( 28/04/2006 13:12)
raha manao soa aman'olona dia hatao @ fo madio tanteraka ary tsy hiandry valiny fa ny Tompo hiany no mahay mamaly ny soa vitanao.
5. dadabe ( 28/04/2006 13:26)
kii aza manao tsony r'ise @ sisa raha toa izy tsy mamaly soa a
6. fasaly ( 28/04/2006 13:30)
:?:?ié! ny mbola hanao kalou mety tsy hanao trony e!:°):°):°)fa mety tojo ny olonkafa njay de ho toy izay hatrany e! ho an'ny zay efa mpanao soa natioraly:°):wink:
7. Samoana ( 28/04/2006 14:04)
sarotra izany tsy hietsika izany raha sendra ol mila vonjy maika kouh!! Mandreraka marina ny tsy fahalalam-pomba saingy atao ahoana fa samy manana ny nitaizana azy e !
Mety fanahy inian'ilay fianakam's aza no namela le zaza herinandro maromaro satria fantany fa assuré n'ny mpiara-monina ny kaly aman-taiza:lol:
8. Fiffi ( 28/04/2006 14:55)
de fanararaotana be zany an!
9. diamondra27 ( 28/04/2006 16:20)
fin de l'histoire.


mety oe: mbola sahirana izy koa
10. vale ( 28/04/2006 16:55)
Hoy 100tnl> "tsy hoe be zesta"...

araka ny fahazoako azy dia olona sahirana be ireo nampian'ny mpiara-monina ireo? matetika tsy dia manana fomba tahaka ny olona"rehetra" izy ireny noho ny fari-piainany(tsy fahazarana mifanome> ko izy aza tsy manana sns,na koa resaka complexe...), ka aza dia eritreretina be ny @ tsy fankasitrahany sns, fa rehefa nanao izay tokony azo natao ianareo dia "afaka adidy" ary ny soa atao marina tsy hanenenana, eny fa na dia tsisy valiny aza..izay no tena fitiavana kah!...izay tsy fahalalam-pomba any (tsy fisaorana) aza asiana olana, fa ny fanaovant-tsoa TSY HANENENANA velively:wink:
11. Fiffi ( 29/04/2006 04:01)
kii aza manao tsony r'ise @ sisa raha toa izy tsy mamaly soa a
rehefa manao soa an'olona dia aza miandry valiny zany fa atoavy @ fo feno fitiavana fa ny Tompo hamaly foana ny soa nataonao.
12. tiatsara ( 29/04/2006 06:17)
Za koa taloha mba manao izany hoe aleo mangina fotsiny rehefa madio ny fo, dia nisy niteny ahy hoe tsy mety izany fa hahazoanao fahafaham-po ny teny fisaorana sy fankasitrahana ny zavatra nataonao, asa raha tena marina io aloha !

Rehefa tsy misaotra izy, nohon'ny antony samihafa : fanabeazana tsy ampy, tsy fahaiza-miaina ; dia ianao no misaora an'Andriamanitra nanome anao ny fahafahana nanao ilay asa soa re, arak'ilay hoe : tsy very akory ny fikelezanareo aina ..., sy ilay hoe izay ataonareo @ ireny madinika ireny ...

Ny olona anie @ izao fotoana tsy fantatra ny antony, efa tena mivadika mihitsy e ! ary ny manao soa dia tsy mba mahazo sitraka, nefa dia manao eny foana e !

Ny fo no angataho hadio lalandava, fa manjary misy fankahalana mitsiry.
13. kala ( 29/04/2006 06:54)
aza miandry ny fankasitrahana avy amin'ny ol zany refa manao soa ê!:wink:

sady tsy ny ol nasian-tsoa koa anhe no hamaly ê! sa:?::?::?:

aza mijanona manao ny tsara izany ê!sady tsy mila manontany hoe nahoana fa ataovy raha mbola azon'ny tanana atao ihany :-*



14. Fiffi ( 29/04/2006 09:05)
fa angaha kosa aloha rehefa hanao soa dia tsy maintsy handrasana fisaorana sy valiny ? Aleo izay nanaovana soa ahatsapa fa nanaovan'olona soa izy ka anjarany hiany no mahafantatra izay tokony hataony fa tsy misy hakanery io. Fa ianao rehefa manao soa aman'olona dia mahaiza mifaly fa nahavita soa fa ny Tompo hahay hamaly ny soa vitanao.
15. tiatsara ( 29/04/2006 12:55)
Fiffi : arakarakin'ny tsirairay io ka, misy mety foana ihany na tsy hisaorana aza izy, satria efa zatra izay izy : manao soa fa tsy mahazo fisaorana ;
misy koa anefa ilay fisaorana no solika manosika azy hanao soa bebe kokoa dia aleo izany izy mahazo fisaorana, sady kely anie fa tsy mandoa vola ny miteny hoe : misaotra e !
sa ahoana ?
16. Fiffi ( 29/04/2006 12:58)
tiatsara: tena faran'izay tsotra sady mora mihintsy ny miteny an'io aloha an! jereo anie eh!
tiatsara: misaotra !:)
17. tiatsara ( 29/04/2006 13:08)
Fiffi : misaotra ! ::-D:-D:*:*
18. Fiffi ( 29/04/2006 13:12)
tiatsara: misaotra! :):-*:-*
19. tiatsara ( 29/04/2006 13:19)
Zao kosa anie Fiffi e !
Tsy hoe mandrangitra an'ilay tompon'ilay loha-hevitra aho, fa ireo olona nampiana dia efa fantatra dieny mialoha fa tsy hahasolo ilay vola sy fandaniana natao taminy.

Ny tokony ho izy izany, dia io teny kely io : misaotra, satria hoy aho tsy dia ireo vola lany loatra angamba no tena zava-dehibe, fa ilay fitiavana nanosika hanomé sy hanampy ;
isika anefa samy manaiky fa tsy misy tsara toy ny fitia mifamaly @ fiainana (reciprocité des choses), manosika hanao ny tsara² kokoa io, satria ianao manao dia mahatsapa fa naharay valim-pitiavana ihany koa.

Izay angamba hoy aho no mba mampiady varotra kely ilay namantsika io hoe : naninona no tsy mba nisy ny fisaorana ! :roll:

Fa rehefa tena tsy mahazo fisaorana dia mahereza re ry namako isany e ! fomban'ny tany io, ngaha tsy mba narahanareo 'lay loha-hevitra SI TU ES RICHE iny, mifandraika kely @ iny ity anie !
Andriamanitra no mahita ny ao am-po tsy miloaka.

Fa misaotra Fiffi e ! :P
20. Fiffi ( 29/04/2006 14:45)
tiatsara: misaotra anao indray! :) fa ny mahagaga ahy koa aloha de zao: ny RAD dia mananatra , mampianatra ny zanany ho malala fomba , jereo kely ange eh! vao zazakely ny zaza dia hampianarina manao hoe "misaotra" na hoe "m'ci" rehefa mbola tsy dia mahay miteny loatra ny zaza. Zah zao mahafantatra zazakely vao 1 taona mbola tsy mahay miteny hoe misaotra fa misaotra @ loha (geste) de nahoana indray ary ireto olondehibe ny tsy mahay misaotra ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8865