FA MANINONA KAY ISIKA GASY NO BE FIALONANA E?...

1. xxx ( 20/04/2006 20:15)
Mbà nandinika aho fa @ ankapobény ny gasy dia be fialonana no faly raha misy zavatra mahazo ny olona iray...Any ambanivohitra sy any @ faritany dia mbola misy ny fampiasàna famosaviana sy ny ody mahery maro..En plus vulgaire raha mbà mankao @ chat rta.mg na wanadoo.mg ianao teny ratsy re izao!!sahala tsy misy olo-pady !!taloha izany olona mpiteny ratsy izany ireo atao hoe faikam-boto na zoam na jomaka..Marina fa mafy ny fiainana nefa na izany aza..
répondu par mirana5 le 02/05/2006 10:37
2. cutie ( 20/04/2006 20:28)
mila fanabeazana e :P
3. fijo ( 20/04/2006 21:27)
mampalahelo izany.sainga isika ihany no afaka hanova izany,fa tsy miandry olona
4. Herimiafina ( 20/04/2006 23:01)
Tsy ny fiarahamonina gasy ihany retsy ry xxx no ahitana ny antsoina hoe fialonana an! Misy an'io avokoa rehefa fiaraha-monina rehetra na any amin'ny tany mandroso na any amin'ny tany mahatra, na hiodinkavia, na hiodikavanana.

Ny olombelona dia manana hormone manokana ao anatiny ao mahatonga an'io fialonana io, io hormone io dia ao amin'ny hypophyse postérieur no misy azy ary ny vokany eo amin'ilay olona dia sentiment d'insécurité.

tsy ny fialonana loatra no ratsy fa ny fototra niaingany na ny nampiforona azy. Maninona no mioitra io hormones io ao amin'ny olona iray.
Ny antony dia satria ilay fiaraha-monian misy azy dia basée amin'ny resaka pouvoir sy fahefana ary voninahitra, ary ny manana voninahitra sy ny manambola ary ny fahefana ihany no HAJAINA.

Miandrandra harena avokoa arak'izany ny olona ao mba hahafahana mahazo ny fanajan'ny hafa, miandrandra voninahitra izy, ary izay rehetar hitany ho source de pouvoir dia alainy avokoa.

Matahotra noho izany ireo namany izay maniry ihany koa ny hitovy aminy, dia tsy mamela azy haka avance ary dia mi-sabotte mihintsy raha azo hatao rehefa hitany fa ho sarotra ny hanenjika ity namany.

Raha aravona, dia reflexe humain izy io ary tsy ifanomezantsiny. Misy izy io na aty andafy aza saingy ny tsy de maha-important azy loatra dia tsy dia mifandray be loatra ny Mpifanolobodirindrina sy ny Havana. Mifanena ihany indraindray fa pas au point hoe andeha hisikotra na hanadihady ny fiainan'ny tsirairay. :-w
5. Fiffi ( 21/04/2006 04:50)
marina io lazain'i Herimiafina io , fa na izany kosa aza an! aza genéralisena ilay izy , aza hatao hoe "NY GASY" fa tsy ny gasy rehetra no manao an'izany , raha resaka fialonana @ fanana , endrika , fahaizana sns..... mety ho betsaka hiany no manao an'izany fa tsy ny rehetra kosa an! Io koa angamba mety hoa miakina @ taonan'ny olona , toetra mbola tsy ho afaka @ olona mihintsy io fa tsy ny rehetra kosa no manao izany fialonana izany an! raha ohatra hoe misy ankizy manana , manakarena ohatra io an! manana izay ilainy rehetra , satria tena misy mihintsy gasy manana an! dia tsy hitako hoe @ inona indray ny antony helonany ? nefa asa moa an!
Raha tena mihaina @ fomba Kristianina ve dia hanana izany toetra izany koa ? asa koa anefa an!
6. kally ( 21/04/2006 05:05)
O ra-X a! tsy ny gasy ihany io ary tsy ny gasy rehetra.
7. Fiffi ( 21/04/2006 05:09)
fa maninona aloha hoe raha vao misy zavatra hita , na miseho , na nahavoan'ny olona iray , ohatra i xxx zao , nahoana no tonga dia lazaina foana hoe "NY GASY" ?
8. hery ( 21/04/2006 05:30)
xxx:


..En plus vulgaire raha mbà mankao @ chat rta.mg na wanadoo.mg ianao teny ratsy re izao!!sahala tsy misy olo-pady !!taloha izany olona mpiteny ratsy izany ireo atao hoe faikam-boto na zoam na jomaka..Marina fa mafy ny fiainana nefa na izany aza..



Kou maninona no tsy misy an'izany ao amin'ny chat-n'ny serasera? Mandehana ange ao amin'ny karajia.org dia jereo ao fa tsisy teny ratsy zany eo (euh... izay miteny ratsy mantsy dia voadaka e :-) )
9. Fiffi ( 21/04/2006 05:34)
ka ny serasera matotra sady :) de ampy !
10. rurik ( 21/04/2006 06:32)
sady afa ihany ny serasera .
fa dia asa tokoa re fa za ko nakany taloha tena tssssssss misy izany manao ny anarany @teniratsy zany dia manoratra ho anao izy ka raha vao tsy mamaly ianao dia opa vary raraka no ataony .
hery any zany na miteny ratsy aza tsy voadaka ?
fa afa ihany aloha serasera e:Ddia ampy
11. rurik ( 21/04/2006 06:33)
Fiffi:

fa maninona aloha hoe raha vao misy zavatra hita , na miseho , na nahavoan'ny olona iray , ohatra i xxx zao , nahoana no tonga dia lazaina foana hoe "NY GASY" ?

Fiffi an satria gasy no nahavoa azy ka mazava ho azy:-*:-*


12. agoago ( 21/04/2006 06:41)
Hay? zany! hormone avy ao @ hypophyse postérieur no mahatonga ny olona hialona? inona no anaran'izany hormone ratsy izany?
13. Fiffi ( 21/04/2006 07:13)
rurik: tsy hitako koa akia izay handehanana any @ zany wanadoo sy ny RTA zany raha teny ratsy sns...... zany ny any an! dia mitsikera ny gasy no hatao !!! rehefa nahazo paké tany :-D:-D:-D:-D:-D:-D
14. kiali ( 21/04/2006 13:50)
de angina ao ka tsy hilaobava!
15. Fiffi ( 21/04/2006 14:58)
de zay ny fahendrena!
16. zazakely ( 21/04/2006 15:05)
ilay heritrerita mihintsy no mahatonga an'izany ary vao mahita ny sasany dia efa lasa ny saina ka 'zany izy !
17. Fiffi ( 22/04/2006 06:31)
rurik: eny eh! gasy no nahavoa azy fa ny tiako lazaina dia aiza ve dia isakin'ny misy xxx voadona , izy hiany no mahafantatra ny antony , dia lazaina foana hoe ny gasy patati , ny gasy patata !! :wink:
18. mirana5 ( 23/04/2006 18:11)
MBA TSY TANTIKO LOATRA, momban'ny hevitr'i FIFFI aho,rehefa voa @ maha may azy any i Takaka dia ny gasy makatsy ny gasy makary, tsy tiako maizina io adin'i xxx "Rahtsinonina", io an, ny tokony ataony ao an tsaina, dia MITOVY daholo ny olona rehetra et encore ny Gasy aza no ataoko hoé, manana TOETRA MENDRIKA indrindra, sa misy complexité kosa ny Havako o!!:cry::cry::cry::cry::cry:
19. Fiffi ( 24/04/2006 04:33)
ka izay hiany koa hoa no tena mba mahagaga ahy an! aiza ve de isakin'ny misy zavatra manjoa an'olona iray gasy io an! dia ny gasy rehetra foana no lazaina fa manao an'izao sy izao ?
ao ry xxx ahhhh !! tongava ato @ karajia serasera fa ho hitanao ao ny gasy eh! sady :):)
20. besorongola ( 25/04/2006 08:53)
Izao fotsiny ny ahy. taiza ianao taloha no nahita gasy sahy mangala-paty izany ?Ny antony ve ? Efa miova isika satria teren'ny fiainana sarotra ka very ilay soa notohavina fahiny. Na ny fiteny aza raha tsy misy teny vahiny kely toa tsy ao tsara ny lanjan'ny tiana hambara. Ohatra hoe " vulgaire "
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1632