cause côtiére et merina.......

1. xxx ( 18/04/2006 21:14)
Miala tsiny @ izay tafintohina @ ity syjet ity fa mbola hita na @ izao aza fa mbola olana be tokoa ny momba azy io ara-panambadiana ,ara-pinoana ,ara-pôlitika, ara-piarahamonina etc...

Tao aorian'ny fahaleovantena raha mamaky tsara ny tantara dia antony iray nampirodana ny 1ére république koa io ...mandrak'izao !!
Asa re fa dia maninona loatra asa aloh izay eritreritry ny sasany fa raha ny fijeriko azy dia ho probléme foana io resaka fiaviana io:°):°)
répondu par Fiffi le 22/04/2006 13:29
2. cutie ( 18/04/2006 23:08)
pble foana io ho an'ze mandray azy ho pble:P
3. dadabe ( 19/04/2006 02:47)
:roll::roll::roll:
4. Fiffi ( 19/04/2006 03:24)
:roll::roll::roll:
5. fasaly ( 19/04/2006 03:58)
:roll::roll::roll:
6. jentilisa ( 19/04/2006 05:22)
sarotra tokoa ny mandray ity lohahevitra ity. Tsy hoe cause loatra no olana satria lasa resaka politika raha izay. Ny olona dia mbola mitoetra ao anatin'ny lalam-piaraha-monina hatrany. Ny fiaraha-monina misy eo amin'ilay olona sy ny fianakaviam-badiny na fihaviany mihitsy aza no miteraka olana matetika. Ny fomba samihafa moa dia efa manasaraka ihany koa, satria mety hifanohitra amin'ny soatoavina apetraky ny iray no avoakan'ny hafa. Noho izany dia anjaran'ilay olona hiditra amin'ny fiainam-pianakaviana ihany io.
7. Fiffi ( 19/04/2006 05:38)
hoy Jesoa " mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo "
Dia hoy ity hira ity : " mifankatiava hiany , raha mbola velon'aina , tsy misy toy izany o! no mampifaly saina "
8. hery ( 19/04/2006 05:46)
Tsy hitako hoe inona no tena olana. Harena ny fahasamihafana. Sady ny mahagaga dia misy mimenomenona foana hoe cause cotiere sns... (Efa nisy niteny hoe Cause merina na Cause ambaniandro ve? Sa ianareo tsisy kozy?) kanefa toa izay vao nisy tsy cotier lasa prezidà :-) Fa an'iza ihany ny kozy e?
9. Fiffi ( 19/04/2006 05:59)
hery: an'ny nadefa ny dinika koh ! ho an'iza indray hoy ianao ? fa aleo tsy hasiana kozy zany fa zavatra efa lany andro koa anie izany kozy cause merina sy cotière zany eh! sady inona marina aloha ilay " cause na kozy " fa tena tsy fatantra akory ?
10. eprom ( 19/04/2006 07:35)
Raha toa anareo daholo ny gasy de efa ela no foana io probleme io, saingy indrisy......
cutie>
pble foana io ho an'ze mandray azy ho pble

Andeha atao hoe tsy mandray an'io ho probleme aho, saingy ry zalahy teto antanana nandray azy ho probleme, de nony lany ho filoha le iray fihaviana amiko de nosakanany ny lalana tokony hivezivezeko, de ampitahoriny amin'ny radio sy televiziona aho, de amporisihiny ny boay keliny hisetrasetra amiko, hatrany ampiangonako avy no ampihorohoroana hoe hanapoahana grenady. De sûr ve ianao razoky fa tsy nanjary probleme-ko koa ilay izy?
fiffi>
fa aleo tsy hasiana kozy zany fa zavatra efa lany andro koa anie izany kozy cause merina sy cotière zany eh! sady inona marina aloha ilay " cause na kozy " fa tena tsy fatantra akory ?

Raha fantatrao le "cause" de ho gaga ianao fa raha lany andro aminao le izy de hay tsy lany andro amin-dry zalahy : aminy mantsy de nisy foko iray nahazo ny tombotsoa hatramin'ny andron'ny mpanjaka ka mandraka ankehitriny. Izaho manana ny hevitro an. Fa izay ny fiheviny ka ataoko akory ary.
http://raepr.blogspot.com/2006/04/ny-tanindrana-sy-ny-merina.html
11. Fiffi ( 19/04/2006 07:44)
eprom: misaotra anao aloha t@ le site an! fa asa angamba ve hoe ny tsy nihainako firy tany Dago ve no mahatonga ahy hiteny an'izany ? Nefa fantaro fa na izany aza dia maro ireo namako gasy avy any Fianarantsoa , Diégo , Tuléar sns......... fa tena tsy haiko an! satria tsy fombako aloha ny manavakavaka an! fa dia rehefa namana dia namana , raha toa ka hanisy zany fanakavahana izany marina tsy aleo tonga dia miala avy hatrany aloha @ finoana ny Tompo ?
12. diamondra27 ( 19/04/2006 07:46)
ny ahy aloha de misy blème ihany e!

raha namana tsotra tsy maninona fa raha hoe: hivady hummmm misy ihany ny olana koa....Tsy hoe: raciste zà fa le coutume no mampisy olana amiko sy ny fianakaviako
Na de samy gasy aza de tsy mitovy ny coutume sy ny culture ka matahotra ihany aho ny hiroso @io. Raha afaka mba manoro hevitra sy manala izany ahiahiko izany moa 'nareo maninona fa vao maika tsara.

Izany hoe: ny fahitàna ny zava-nitranga taloha teo @ fiaraha-monina no mahatonga ahy matahotra ny hivady @ olona tsy mitovy firazanana amiko( rotaka 1976)

Aza omena tsiny fa omeo courage sy raison sao de mety miova ihany 'zany toe-tsaiko 'zany
13. kiali ( 19/04/2006 07:53)
ary maninona wa no tsy misy oe "cause gasy "eh??
14. Fiffi ( 19/04/2006 08:00)
diamondra: tsy misy tsiny hanomezana andry akia izany an! satria izao an!
-tadidiko tsara fony zah tany dago , nianatra fa tany @ fianarana frantsay foana satria hono....... tazomiko ho ahy aloha io an!
-tsy maintsy jerena tsara hoe avy taiza na aiza no nihavian'ireo namana fa tsy izay olona miresaka @ tena dia ho namana avokoa.
-Fantatro fa nisy aloha ny fahadisohan'ny RAD nampianatra izany fomba izany , (tsy hoe manome tsiny ny RAD akory zah nohon'io an!) satria efa tahak'izany hatrany ny fomba fihainan'ry zareo ka dia nampita.
-Nanana namana zah ka hanambady izy , gaga aho fa tsy tanteraka ilay fanambadiana eny na dia nampijaly mafy ireo mpifankatia aza satria tsy mitovy fihaviana t@ ilay razazavavy ny lhl ka dia nisara-maina fotsiny.
-Tadidiko tsara nisy olona izay nampihanatra ny zanany ny fijerena hoe olona tsy mitovy @ nihaviantsika ireny olona tahak'izao sy izao ireny ka raha vao ohatra hoe haka namana dia safidihana tsara izay ho namana ka jerena ny zao sy izao ....
Mamplahelo tokoa ny zava-niseho tahak'ireny. Fa soahiany kosa aloha fa mba efa miheritreritra tsara ny olona , eny na dia mbola maro aza ny manao ani'izany.
DM: tsy indry irery akia no voa tahak'izao an! mahatsiaro tena marina koa zah zany . Fa na izany aza dia tsy manavaka ny ho namana aloha zah an! fa raha ny vady kosa arakin'nio nolazaindry io dia arakarakin'ny fomban-drazana hiany koa io an! ka tsy hitako izay hanomezan-tsiny andry na ny hafa izay tsy afaka manao izay sitrapony fa tsy maintsy manaraka ny fomban-drazany na koa ireo RAD-ny.
15. Fiffi ( 19/04/2006 08:23)
fa tena gaga tokoa aho raha nahita an'ity aloha an!

http://www.geocities.com/ra8votaka/fitaratra.html
16. xxx ( 19/04/2006 09:08)
na eto ANTANANARIVO aza dia misy ny RADIO FEON'imerina izay mahavariana ihany raha mihaino ny fandaharana sy ny hira ao !!!! midika izany fa tena mbola misy io fa mody fiatsarambelatsihy fotsiny!!!
17. Fiffi ( 19/04/2006 09:23)
xxx : de inona hono ny hira mandeha ao ? ary iza no mihatsaravelatsia ?
18. tiatsara ( 19/04/2006 10:22)
Rehefa te ho bangoina izy hoe : toe-tsaina taloha izany, dia voasarona fotsiny e, saromana fa tsy mangina ;
Ny tena marina, dia hita eny foana ny elanelana, fa anjaran'izay miaina azy no mandanjalanja ny tokony ho ataony, dia ny tena lehibe indrindra dia ny mieritreritra @ fotoana rehetra hoe : Malagasy toa ahy ity. Izay ihany.

Diamondra : marina ny anao hoe mampitahotra lay fomba tsy mitovy, ary tena misy io an ! tsy afenina izany, fanampiny moa, ianao vehivavy tsy maintsy hanaraka ny fombandry zareo rahateo raha samihafa ny firazanana, ka raha tsy vonona @ izay ny fo sy ny saina, dia aleo aloha mandinika tsara, fa mampikorontana zavatra maro ny tsy fifanajana eo @ tokantrano, na koa ny fitenenana hoe : any aminay ... toy izao ny fomba @ toy zao ... ; ary any @ ilay ankilany angaha tsy misy fomba rey olona e ! fa tsy maintsy ny fombanao foana no asongadina ???

Fa rehefa hay kosa anefa ny mandray sy mandrindra azy 2 samihafa dia tsy misy toy izany ny fiainana antany, tena misy sy azo atao koa io an !
Afaka mifanoro, mifameno, ary mifananatra ireo olona 2 samihafa, aza adino mantsy fa samy manana ny hanitra ho azy daholo rehefa atao fomba malagasy, na dia eo aza ireo mampitahotra be.
19. Fiffi ( 19/04/2006 12:24)
xxx : inona marina aloha no mahahirana an'i xxx eh ?
20. miangola ( 19/04/2006 16:35)
sao de enao mametraka io lohahevitra io no te handrangitra azy?
ho ahy manokana de zao ny ahy no mba hevitro
tsy ao tanà ihany no rasiste fa na ny any anindrana ihany koa aza, saingy ny ao tanà no asina resaka!!!
maninn zao no misy ny radio-paritra tsy hasina resaka?
za zao nande nanao zaika be tany diego saika maty fa tsy tia merina maizina any.
na aiza toerana aleha dia mihatsara velatsihy daholo
adala koa zay tsy tia ny azy e
miresaka sy mandainga ny tanindrana raha milaza fa tia merina fihatsarambelatsihy no betsaka,maninn no noroahina sy saika maty ny merina tany tamatave?
mbola nisy ve tao tanà ka nandroaka tanindrana?
anjaran'ny tsirairay no mandinika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1916