olana eo @ fanambadina

1. xxx ( 26/02/2006 19:03)
ahoana no mba fijerinaoreo ty tranga iray ty , mpivady tsy mifanaraka , nifankatia ihanyt@ volohany ,fa avy eo tsy nisy fitiavana intsony ,isakizay misy fifandriana dia tsy misy afatsy ozona no ataondramose ,lazaina fa papier hono ny nanambadian'i madame an'i ramose , ny ozona @zany miraraka , ahoana ny mba fandraisanreo azy
répondu par xxx le 14/03/2006 19:09
2. sipagasy ( 26/02/2006 19:34)
eeeee alamino ny saina aloha dia maka seza ianareo mivady dia miresaha tsara, diniho miaraka hoe taiza ny nisy lesoka ka nampiova ilay fitiavana ho afobe, dia ezaho amboarina e! rehafa tena tsy misy fanafana mos dia ny mifampi-tso-drano ny vaha olana tena mety e!, tsinjovy ny hoavinao fa ny fiainana anie tsy miandry anareo hilamina e! mandeha mihazakazaka io fa tsy azonao atao hoe andraso aloha hilamina izahay vao tohizana injay ny tantara.....

Mahereza e!
3. Veloo ( 26/02/2006 19:37)
alamino ao
4. diamondra27 ( 26/02/2006 20:11)
'za aloha tsy miditra @ adin'ny mpivady e!

tsy mahita manko raha tsy ao. De raha mitantara enao de 'zà tsy mahalala na tena marina le tantarainao , na le zavatra tianao ho heno fotsiny no lazainao de manahirana be ny manome conseils @ 'zany, fa miala tsiny

le ozona kosa aloha tsy mety
ny fitiavana de mila kojakojaina
5. Fiffi ( 26/02/2006 20:24)
tsy misy vaha-olana afatsy ny fampiresahana, fanazavana, tsy mitondra am-po izay voalaza rehetra fa mandinika tsara aloha , dia samy manome ny heviny , tsy tezitra , tsy may vava , fa am-pahendrena dia entina milamina ny resaka , dinidinihina tsara ary avadika im-pito aloha ny lela vao miteny , dia mifanazava , tey misy afatsy ireo aloha no fahendrena dia ny manaraka ho hota eo hiany izay tokony hatao.
6. patrick2002 ( 27/02/2006 03:59)
dia porofoy @ fa tsy papier no nidiranao taminy eh!aza asina quoi izay taimbavany any,fa manaova sacrifice be be kokoa,hahalalany fa tena tia azy ianao ,tena potika izaho hoe karakarao tsara,ilay bandy na ilay sipa,safosafoy sy horokoroy,ataovy a gogo ny teny mamy sy cherie cherie.:* fa babo foana io,miareta kely aloha.
7. Fiffi ( 27/02/2006 05:55)
ny an'i patrick aloha dia "safosafoy sy horokoroy,ataovy a gogo ny teny mamy sy cherie cherie. fa babo foana io,miareta kely aloha. "tsy ratsy aloha eh!
8. xxx ( 27/02/2006 06:41)
sipagasy : mety ilay mifampitsodrano no hiafarany e nefa tsy mbola izao angamba ,, misy zaza iray manko ao anatiny ao ,matoa aloa enao nanao zaza dia ny hanabe sy hampianatra azy no tanjona , amiko aloha lasa fitiavantena be ilay hoe hisaraka ra mbola misy zaza , satria lasa ilay zaza no victime , fijeriko zay
diamondra27 : tena mafana ny raharaha matoa tonga @ ilay stade lazaiko io ambony io , marina ny anao fa merci @ famalina
fiffi : ilay mifampiresaka efa tsy any intsony e , efa nanao zay rehetra mety azo natao , za ary efa niresaka t@ famillany hoe ra tsy hiova izy dia eo no raisina , efa fantany anie zany e
patrick : olona marary e ,ka zay mihintsy no atao , tsy misy kozy be intsony fa porofo fotsiny no atao hitany dia vita
9. Angie ( 27/02/2006 07:20)
Aza manody ny comme ça hoy lay fiteny, tena mirary soa marina e, dia mivavaha mafy fa tsy misy tsy vitan'ny vavaka. Raha mbola azo atao dia aleo tsy misaraka izany fa ilay zaza no tena mampalahelo. Rha efa lehibe indray izy mantsy mba mora mi-comprendre.
10. booboo ( 27/02/2006 08:50)
Ndraindray mety mahasoa koa ny manatona conseiller conjugal. Aza tonga dia miraviravy tanana fa ataovy aby klou zay mbola mety hanavotana ny couple. Rehefa hitanareo mivady fa tsisy avenir tsony ny couple-nareo dia aleo misaraka ! Amiko klou tena manimba ny sain'ny ankizy zany hoe mahita ny RAD miady lava zany e ! na tsy eo imasony aza nareo no mifamaly dia tsapany foana hoe misy raha tsy manjary aminareo. Tsy idiot ny ankizy ka tsy hahatsapa an'izany.
Dia bon courage e !
11. valinaka ( 27/02/2006 09:13)
tsara jerena ny tena olana de hita ny lalana aleha:
-raha ny fijeriko azy de managatsiaka eo aminareo roa ary izany zavatra izany de tsapan'ny bandy foana ary matoa izy manao izany latsalatsa izany de efa au courant izy ary irreversible io fa tsy maintsy miafara @ gidragidra be mihintsy io na ho ela na ho haingana fa fotoana fotsiny no andrasana.ny tiako ho tenenina de izao:ny momba azy de mazava satria tsy maintsy nisy fihetsika na teny latsaka nataonao matoa izy tena tofoka be tahaka izany.
-ny momba ny zaza de tsy de hatao excuse satria ny zaza de tsy azo hianteherana satria kely izy mety hanao crise ary rehefa lehibe de lasa izany hoe raha vao 18 ans de tsy manaiky ho fehezinao intsony ary eo ianao vao tena ahatsiaro tena ho seule;

ny solution izany de izao:ny tenanao jerena fa aza mitady excuse etsy sy eroa fa mandany fotoana fotsiny ary miandry zavatra tsy hisy mihintsy ary ho diso fanantenana .ataovy izay hananana autonomie de tsy mila an'i rakoto sy rabe ary afaka mirevy na mampirevy tsara ê!
mazotoa ary courage foana.
12. patrick2002 ( 28/02/2006 02:54)
tokony ho tsapan'i xxx aloha fa nailay olona mandatsa koa anie ka mba marary ihany ny ao anatiny ao eh!io ilay hoe na ny milaady na ny hiadivana dia samy victime daholo ,ka raha tianao hilamina ny raharaha ,dia raiso @ toeranao hoe fahadisoam-panatenana goavana ,ny ao anatin'ilay mpadantsa,tokony hametraka fanontaniana ianao voalatsa hoe fa dia inona loatra no tsy nety nataoko no dia ,mahatafavoaka teny hoatry ny izany ity taolantehezako ity ,hinoako marimarina manko fa mahatsiaro delaissé izy,izay tsy fanahinianao fa vokatry ny parametre vao2 nitranga t@ fiainana,oh: fananan'asa vao2,fahaverezana asa,fisian'ny zaza,tsy fahampian'ny vola miditra ,nitobaka indray ny vola ka mila fahamalinana hitantana azy,manana projet goavana ianao mba hanatsarana ny hoavinareo,mety tsy hi comprendre an'izany izy fa tonga dia lazainy hoe manao tsinotsinona azy ianao.Ny hany toro-hevitra homeko anao fotsiny dia aza lany andro manameloka aniray ohatra hoe tia-tena ianao raha mbola tianao ny hampilamina ny tantara,ka hitohizan'ny volantantelinao,teneno hoe meloka izaho anky cherie ah !:-$ ary hifonako,izany mamela ahy ise,ary hieazaka izaho hiova hoe.fadio ny manao chantage na manao taim-bava hoatry ny hataony,fa raha vao manao an'izay ianao,dia efa mitarika any @ fandravana izay,ka dia bon courage ary eh(l)
13. xxx ( 01/03/2006 18:44)
boboo : marina ny voalazanao , manimba sain'i ankizy ilay izy , nefa amiko sy fijeriko ary heritreritro , tsy fidiny ho azy ny ho tonga tety , dikan'izany , manana anjara zany enao eo aminy , ra mbola azo hiafina dia aleo aloha miafy , satria lasa ny ankizy no victime volohany , ka zay zao no misy ahy , marihiko fa za diia bandy
valinaka : marina ko ny hevitrao , fa tena zay no atao , sady tsy hita ko anie zay mahasoa @ ilay atsy sy eroa e
patrick :masaka ny kozinao , ary tena fantatro anie fa diso fanantenana izy e , ka ny olana rapa dia zao , efa mba nanao zay azo natao sy nety e , tsy hanameloka ny iray intsony angamba fa tsy vahaolana zany fa dia zay hahzasoa ny zaza no atao
mamerina ny fisaorana aloha fa tena namana nno ato e , misaotra @ torohevitra fa tena misy azo raisina
14. ari.malala ( 02/03/2006 12:13)
Raha nanaraka tsara ilay resaka aho dia ianao izany ry xx ilay mandatsa? Tsy mety anie zany e! Tsy tompon'inon'inona ianao ka hirehareha @ izay kely anananao, sady tadidio tsara fa mandratra fon'olona be mintsy zany latsaina izany, fa aza atao intsony! Ataovy eo @ toeranao anie ohatra hoe ianao no latsaina hoe raha tsy za enao tsy toy izao na tsy haiko e... enfin, mankarary fo b le resaka latsalatsa fa aza atao @ olona tsony e d mahaiza mandamina resaka.
15. xxx ( 02/03/2006 19:24)
ari.malala : tsy azonao ny resaka ,izy vavy no mandatsa , ataoko ahoana nyhandatsa olona ry ari a ,mahaiza mandamina resaka ahoana , tsy azoko , miala tsiny fa za angamba no tsy nahay nanazava e
16. lyiah ( 03/03/2006 06:41)
ho an'ny mpivady é
ny tokantrano tsy ilaozan'ny disadisa sy ny korontana na ny avy any ivelany no anton'izany na ny avy aminareo roa mihintsy koa ny fanafody dia izao:
na avy amin'ny inona no antony nanambadianao io vadinao na noho ny inona dia tsarovy fa ny fitiavana dia avy amin'Andriamanitra ka izy no namorona ny fanambadiana noho izany "tsy manolotra izay tsy zakan'ny aintsika izy fa izay zakantsika no omeny "
koa na inona na inona olana dia apetraho aminy ary manana conscience amin'izay atao sy izay fanapahankevitra fa mivaha foana io.fadio izany misaraka am-panambadiana izany indrindra raha efa voatsodranon'Andriamanitra,fadio koa ny mamono tena,ary aza mitsoaka adidy fa rehefa tsy diso ianao dia hahazo rariny foana ao aoriana ao ary raha Andriamanitra tsy andrin'ny hafa andraso ihany .
fa hisy valiny ny ataonao dia mahareta é
izay fa mahereza daholo, ary matoa miditra ny tokatrano dia efa vonona hisedra izay mitranga fa tsy hoe mbola sain-jaza ka hanandrakandrana fotsiny dia rehefa tsy mety dia ialana sns...tsarovy fa na mahita hafa aza ianao dia hafa ihany io vadinao io fa io ihany no tena mahazaka anao mba eritrereto ange ny teniko é
Aza adino ny mivavaka é ary tsarovy fa ny olona tsy faly amin'ny fiadananao fa aza tena matoky olona hamaha ny olanareo mivady fa Andriamanitra ihany no mahay mandamina izany.tonga saina eo ihany izay diso.
tsy hoe sermona ny ahy fa torohevitra azoko tamin'ny fiofanana talohan'ny mariazy.
ho ela velona anie ny mpifankatia
17. xxx ( 03/03/2006 07:20)
lyiah : marina ny teninao , zay anie mivavaka e , ary hitako fa tena misy fiantraikany ilay fivavahana , zany no mbola mahatonga anay hiray monina , tsy hoe akory rehefa manome sy miteny ny olana eto dia ny olonkafa no hanome ny vahaolana , adihevitra no atao , ary zay ihany ko anie no tena mahita ny mahazo sy iainanay ato fa mba ataoko angamaba mba ilaina ny maheno ny hevitrin'ny olona satria efa mba nisy ny nandalo t@ io toerana io ,alohan'ny mariazy ny olona dia tsyu maintsy manao fiofanana , ka enao io ve mino fa ireny mpivady rehetra nanao fiofanana ireny dia nahazo zay tena mba hevitr'ilay fiofanana ,ny ankamaroany nahazo fa misy ihany ny tsy hainy mihintsy hoe inona no dikany , asa na azonao na tsy ny tiko ambara
18. poussye ( 03/03/2006 07:45)
Salut
Fantatro fa hazo fijaliana ny tokantrano raha misy probleme. Ny vehivavy anefa natao handeitra sady ny tokantrano hono fiafiana. Aza adino ny mivavaka fa Atra Mahalala mihoatra lavitra noho izay eritreretinao amin'ny iainanao sady raha tsy mandalo ady tsy mandresy. Misy fetrany ny fahoriana fa ekeo dia zakao fa mbola ho avy ny fotoana ampialamina ny tokantranonareo.
Tsy vahaolana ny fisarahana .
Mahereza dia mazotoa
19. xxx ( 03/03/2006 09:27)
poussye : marina zany , ilay fotona angamba ho avy fa ampilamania ny tsirairay
20. ikalakintina ( 03/03/2006 10:12)
salu,xxx, tena marina fa refa misy zaza de tsy vahaolana ny fisarahana, na de mangatsiaka aza ny fo, ny disadisa misy foana fa amiko ny vaha olana de samy mandini tena aloha, avy eo miresaka fa raha vao tsy miresaka koa anie de tsy misy vahaolana e!, de mahereza a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6012