Ny vola ny maha-RANGAHY

1. patrick2002 ( 29/01/2006 18:52)
Ny vola ny maha-Rangahy toa efa ela no nisianio teny io ,Ny Lehilahy tsy mba ratsy ,hatramin'ny naha tany ny tany no nisian'izany teny izany,ary farany dia hozy Napoleon raha nisaraka t@ Josephine vadiny izy t@ taona 1600 tany ho any hoe TOUTES LES FILLES SONT DES PUTES SAUF MA MERE.
Raha jerena ireo teny 3ireo dia misy hifandraisany ary zava-misy hiainana,nefa mifanohitra @ valeur moral izay dradradradraina etsy sy eroa hatrany am-piangonana ,gazety ,tele ,lalana,ka ahoana ny hevitrareo,tokony ekena ve ireo teny ireo ,sa tokony hotohizana foana ny fanoherana azy
répondu par fijo le 15/02/2006 21:30
2. vivi ( 29/01/2006 19:27)
taloha zany fa tsy @ zao fotoana izao intsony , betsaka zao no sipa no ambony sy manambola fa tsy ny rangaha intsony , na ny bandy anie zao koa efa tsy miditra @ sipa koa raha tsy misy vola , efa nilaozany toetrandro io fitenenana io
3. Fiffi ( 29/01/2006 19:28)
patrick: ahoana moa izany hoe "ny lehilahy tsy mba ratsy hatramin'ny tany ny tany" ? dia ny vavy zany ahoana aloha ? nefa rehefa tena dinihina tsara dia ny vola tsy maha-rangaha fa ny saina , ny toetra , ny fanahy no maha-rangaha na maha-vehivavy ny olona. Ny hoe "rangaha" manko dia midika hoe "manana" eto ary rehefa tsy manana ilay olona dia tsy rangaha nefa lasa mifamadika indray ilay hevitra momba ny rangaha.
4. fasaly ( 29/01/2006 19:30)
ka amzao fotoana izao aza efa mampidi-bola kou ramatoa kou! dia efa tsy io intsony zany amzao fa hoe ny vola no maha olombelona:wink:
satsia zà manokana miasa mitsemboka vao mahazo vola fa tsy azoko hoe inona no tena idiran'ny ilay hoe toutes les femmes sont putes:roll:
5. Fiffi ( 29/01/2006 19:47)
fasaly: zay indrindra manko! fa marina aloha fa efa taloha beeeee izany e! @ izao fotoana izaho efa mitovy lanja ny lahy sy ny vavy ary betsaka koa aza ny vavy tena lasa alavitra an! fa ny an'i Napoléon kosa aloha tsy rariny e!
6. vivi ( 29/01/2006 20:50)
ka zao anie ry fiffi,zany izy we napoleon, nefa anie fier ery lery t@ voalohany nampakatra any zozefine, efa efa fantatra we mainty fa zao aloha no tsy azoko e!,fa angaha niodina i razozefina ?
7. Vahinala ( 29/01/2006 21:19)
Raha tam andro taloha d azo ekena ihany angamba ilay fitenenana satria marina tokoa fa ny vhv tamzany fotoana dia tsy manambady raha tsy olona tena manankarena be ary ny ray amandreny no mifampiraraha amin'ny fanambadiana, raha raisiko ohatra ny komorianina dia tsy mahazo zazavavy ny bandy iray raha tsy mahavita manome izay angatahin'ny ray amandrenin'ny vavy aminy, na omby io na volamena, tsy maintsy, mety izany angamba no anisany nahatonga anle razoky io hiteny hoe les femmes sont toutes des putes satria hoe sahala ny vidiana ihany zany.Ary toa mbola mitohy aza io fomba io hatramzao any Comores ohatra raha tsy diso aho satria efa nisy mpiara mianatra taminay taloha nitantara anzany dia nazavainy hoe, izany hozy no mahatonga anay lasa betsaka no maka vady malagasy na vahiny satria ny ao aminay sarotra ny maka azy.
Amzao fotoana kosa angamba ataoko fa tsy mitombona zany satria hé zany napoléon efa tam taona 1600 ve ! Efa mandeha ny fivoharana ary ny ankamaroany vhv dia efa miasa sy mahavita mitady vola toa ny lhl avokoa, amiko dia raha resaka fitadiavambola dia mitovy zo soamantsara ny lahy sy ny vavy ary betsaka aza ny vhv mbola mahazo vola be be kokoa noho ny vadiny. Za raha resaka izany sahy mifampitana tsara am lhl ka !
8. patrick2002 ( 30/01/2006 00:58)
ka fanontaniana mipetraka aza mitovy ihany ve ny fitondranareo ny sipanareo na ny vadinareo raha mampidi-bola na tsy mampiditra izy.
9. Veloo ( 30/01/2006 01:11)
odryyyyy rehefa tiko tsy misy difference zany lesy a.. rehefa mahay mifanaraka sy mahay miresaka momban;ny vola tsy misy olana mihitsy lesy a:wink:
10. patrick2002 ( 30/01/2006 01:19)
Ny @ hoe EFA NILAOZANY TOETRANDRO ALOHA ,dia :izaho mahita fa ny fotoana mandeha ,ny fiaraha-monina mandroso ,fa ny olana mipetraka iray ihany eo @ fiainana io,izany no nangalako ny teniny Napoleon t@ taona 1600,ary tsy dia mpamaky baiboly ny tenako,fa ny olana eo @ fiainantsika izao dia betsaka ny mpitori-teny no milaza fa efa voasoratra ao @ baiboly izao,tsy misy anefa isika masahy milaza fa efa nilaozan'ny toetrandro ny baiboly ka tokony tsy ho resahina intsony.
Na izaho koa ary dia somary tohina ihany :evil::evil:mieritreritra ,fa tsy misy,izany ny maha-lehilahy anay raha tsy manana ny maha-izy anao ianao (matetika dia materielle io,na vola),
Na ianareo vehivavy koa aza dia sendaotra ihany,tsy homena tsiny ianareo:(:(:(,satria mifanohitra @ valeur moral,izay dradradradraina isan'andro @ media izany,any am-piangonana,eny antsekoly,fananarana nataony dada sy mama,nefa izay no zavamisy
11. Veloo ( 30/01/2006 01:28)
o ry patrick a ny tenin;i Napoleon, dia foana satria izy olombelona. Ny Baiboly dia avy any @ andriamanitra ary mbola mandaitra amin;ny fianan-tsika isan'andro mandra pahatongan'i Jesosy. Tsy tokony ho comparenao ireo zavatra roa ireo... Mafy ny fianana ankehitriny ary tsy kely lalana i satana ny hanimba antsika olombelona mba tsy ho voavonjy...ny zavatra tokony atao dia ny mihezaka ny hanao ny tsara foana...am-pivavahana
12. patrick2002 ( 30/01/2006 01:50)
ka manontany an'ny veloo ary izaho hoe NY omby mahia tsy mba lelafiny namany,
Ny ory tsy mba havany manana
lany andro sa tsy lany andro ireo teny ireo,olombelona no niteny anireo ah!
Ny momba ny hoe baiboly tenin'andriamanitra ,dia tsy tao an_tsaiko fa azafady hoe kristianina no miresaka amiko,noraisiko sahala @ literrature tsotra ny baiboly eto),fa avadiko indray hoe :ny coran an'ny musulman,ny torah an'ny judaisme (mino aho fa tsy ekenao hoe tenin'andriamanitra ny voasoratra ao:D:D)dia efa milaza izao probleme iainana izaho,fitiavam-bola ioah!^:^^:^^:^
13. diamondra27 ( 30/01/2006 04:17)
patrick2002::wink:^:^
omby mahia tsy lelafin'ny namany
14. Fiffi ( 30/01/2006 04:19)
patrick: hoy ianao: Ny ory tsy mba havany manana
amiko aloha dia tena lany andro tokoa ireo teny ireo eny na marina aza fa olombelona no niteny an'ireo ary mba azonao lazaina ve hoe iza no namorona na niteny an'ireo? ary @ izao fotoana hihainantsika izao ve dia tokony mbola mandaitra ireo? Dia tsy mba ho topaza-maso na kely aza ve ireo ory no lazaina an'izany ? :evil::evil:
15. Vahinala ( 30/01/2006 08:12)
Raha za d tsy hitako izay blème, za mampidi-bola izy koa mampidi-bola ! Ok tsara tsisy olana e ! Ny fahaizana mifanaraka momba ny dépense rehetra ihany no tena ilaina dia zay.
16. mandrindra ( 30/01/2006 12:50)
"ny lehilahy tsy mba ratsy", ô ry vehivay aza tonga dia ny mifanohitra amin'izay no raisina e. rehefa miteny an'izany dia tsy midika velively akory hoe ny vehivavy dia ratsy. aza dia manao tsaokevitra maika loatra fotsiny.
io sy ilay hoe "ny vola no mha rangahy" dia tokony apetraka main'ny hoe fomba fiteny taloha izany ka tokony ho jerena aloha ny drafitry ny fiarahamonina tamin'izany andro izany mba ahazahoana ilay teny. ny hoe "ny lehilahy tsy mba ratsy" dia tsy resak tarehy akory fa, voatery ny hampiseho ny endrika sy ny ntoetra tsara ny lehilahy satria fitaratry ny ankohonana izy.
"ny vola no maha rangahy", tsy ny hoe fampidirandrangahy vola no zavadehibe fa ny fananana azy. na ny vavy, na ny lahy no mampiditra vola, na azo tamin'ny loka ( na loto, hihihi), na nandova rafozana matanjaka izany dia lasa tsongoimbolon'ny tanana foana rapanana. rehefa misy atokona ilay ankohonana dia ilay rangahy foana no voaresaka aloha.
17. ravakamalala ( 30/01/2006 13:07)
io lazain i mandrindra io mits no tena izy, ny drafitry ny fiarah monina tamin izany fotona iznay no mahatonga ny fomba fiteny tsy misy afa tsy ho an ny lehilahy. izy no niasa, ka iankinan'ny fianakaviana tamin izany, dia izy foana no fitaratra.

tsy vao maika ve milay be raha hoe ny lhl tsy mba ratsy e! tsy ratsy anie izany ny vadintsika e!
za kosa aloha tsy haka ny ratsy velively e!:wink:
18. Vahinala ( 30/01/2006 15:01)
mandrindra:

"ny lehilahy tsy mba ratsy", ô ry vehivay aza tonga dia ny mifanohitra amin'izay no raisina e. rehefa miteny an'izany dia tsy midika velively akory hoe ny vehivavy dia ratsy. aza dia manao tsaokevitra maika loatra fotsiny.
io sy ilay hoe "ny vola no mha rangahy" dia tokony apetraka main'ny hoe fomba fiteny taloha izany ka tokony ho jerena aloha ny drafitry ny fiarahamonina tamin'izany andro izany mba ahazahoana ilay teny. ny hoe "ny lehilahy tsy mba ratsy" dia tsy resak tarehy akory fa, voatery ny hampiseho ny endrika sy ny ntoetra tsara ny lehilahy satria fitaratry ny ankohonana izy.
"ny vola no maha rangahy", tsy ny hoe fampidirandrangahy vola no zavadehibe fa ny fananana azy. na ny vavy, na ny lahy no mampiditra vola, na azo tamin'ny loka ( na loto, hihihi), na nandova rafozana matanjaka izany dia lasa tsongoimbolon'ny tanana foana rapanana. rehefa misy atokona ilay ankohonana dia ilay rangahy foana no voaresaka aloha.



Ok sefo !:-*:-*:-*:-*
19. Veloo ( 30/01/2006 17:51)
patrick2002 ^:^^:^^:^
20. diamondra27 ( 31/01/2006 06:22)
patrick: ny vola no fototry ny ratsy rehetra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5599