izy roa miaraka mon colonel!

1. jentilisa ( 19/01/2006 06:08)
Fantatry ny lehibem-piadidiana miaramila iray fa handalo any amin'ny toby misy azy ny deba ara-miaramila ao amin'ny faritra misy azy. Efa fantatr'ilay lehibem-piadidiana ny fomba fanontanin'io deba ara-miaramila io. Novoriany ny miaramila teo ambany fifehezany ka hoy izy:
__ handalo eto amintsika ny colonel ka rehefa manontany anareo izy voalohany dia valio hoe 25 taona mon colonel, raha mbola manontany fanindroany izy dia valio hoe 3 taona mon colonel ary raha manontany anareo farany izy dia valio hoe izy roa miaraka mon colonel. Voaray?
__ voaray mon lieutenant! hoy ry zalahy niara-niredona!

tonga tokoa ny afak'ampitso indro ny colonel fa nisafo ny toby. Nanontaniany tsirairay ireto miaramilany.
__ Firy taona ialahy?
__ 25 taona mon colonel!
__ firy taona nanaovana miaramila ialahy?
__ telo taona mon colonel!
__ ny aiza no tian'ialahy, ny fiainana eto an-toby sa ny any amin'ny vadin'ialahy?
__ izy roa miaraka mon colonel!
__ tsara! hoy ny colonel dia nifindra teo akaiky izy nanontany indray.
Somary gaga izy fa toa mitovy avokoa ny valinteny nataon-dry zalahy ka somary namadi-panontaniana izy rehefa tonga teo amin'ny miaramila farany.
__ Firy taona nanaovana miaramila ialahy?
__ 25 taona mon colonel!
__ Firy taona ialahy?
__ 3 taona mon colonel!
__ Ity angaha mivaha! sady tezitra ra-colonel. Kisoa sa alika no fihevitr'ialahy ahy?
__ izy roa miaraka mon colonel
...dia tsy haiko intsony ny tohiny...
répondu par Veloo le 30/01/2006 16:22
2. lapino ( 19/01/2006 06:23)
... ko ra-colonnel :-D:-D
3. dadabe ( 19/01/2006 06:45)
voa izany le :-D:-D
4. jentilisa ( 19/01/2006 07:02)
tantara efa talohabe io an!
tamin'izany fotoana izany no efa nantsoina hoe jôba ny sipa! tamin'ny taona 60 e!
5. pissoa ( 19/01/2006 07:17)
Milay be =)) =D=D
6. mirana5 ( 19/01/2006 07:46)
jentilisa:

tantara efa talohabe io an!
tamin'izany fotoana izany no efa nantsoina hoe jôba ny sipa! tamin'ny taona 60 e!



bera kely ny sipa taminn'ny andronay e
7. Vahinala ( 19/01/2006 08:33)
=))=))=))=))=))=))=))
8. rongatry ( 19/01/2006 08:46)
ie : mampimé tokoa zany miaramila 3 taona zany kou !
surdoué be !
9. ari.malala ( 19/01/2006 10:50)
:-D:-D
10. mamzelkely ( 19/01/2006 13:20)
:-D:-D:-D
11. Veloo ( 19/01/2006 19:11)
:-D:-D:-D:-D
tena tsara ka misaotra jentilisa zany ka hatsikana
12. jentilisa ( 20/01/2006 06:36)
rehefa mihomehy ianareo dia izay no mahafinaritra e! mba fifaliana ihany koa anie e!
13. ari.malala ( 20/01/2006 11:13)
mbola =))=))=)) ihany isaky ny avy mamaky e! efa heno fa mampi :-D:-D:-D:-D:-D=))=)) b fôna eeee
14. Herytae ( 20/01/2006 11:40)
efa film efa ela be io kou!
fa ny tena izy t@ zany dia fitsaràna miaramila le izy fa tsy fitsdihana, satria misy le tsaraina ireny dia mianatra tsianjery izay ho valiana.. hi hi hi fa mampime foana k'lou e!
15. jentilisa ( 20/01/2006 12:06)
Tamin'ny gazety hehy no namakiako an'io an! gazety ilay taloha be ireny mihitsy! dia naveriko manontolo io!
Fa ahoana aloha ilay an'i Herytae?
16. mamzelkely ( 20/01/2006 12:53)
fa milay fôna le izy ka:-D:-D
17. jentilisa ( 20/01/2006 13:25)
Aiza ô?
18. Veloo ( 20/01/2006 17:47)
ato zahay ooooo
ie milay fona knou reny no tena tsara...
anamboary afa ndray ry jentilisa a
:-D:-D
19. jentilisa ( 21/01/2006 07:19)
rehefa mahita na mahatadidy dia manoratra e!
20. Veloo ( 22/01/2006 00:32)
jentilisa a dia mianjy zany zay an :wink:
:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0894