mahantra

1. xxx ( 03/01/2006 16:38)
Tena miha mahantra hatrany tokoa isika gasy na dia anisan'ny manana tany manankarena sy anisan'ny vitsy mponina indrindra eran'izao tontolo izao. Fa inona ary no mahatonga ilay fahantrana e???
répondu par kally le 05/01/2006 18:38
2. lapino ( 03/01/2006 16:53)
http://serasera.org/forum/index.php?rub=dinika/message&msgid=m438de24d58923

>>> "Misy tononkiran'ny feo gasy izay mba nahasorena ahy hoe "Izay lasa aloha hantsoinay, izay taraiky handrasanay". Ahoana moa no fomba hahalasa lavitra amin'izany?"
3. kally ( 03/01/2006 17:51)
Asa koa fa betsaka ny ankizy na mahay sy be diplaoma aza dia miandry toloram-potsiny sy varimbariana ary tantanana lava, hany ka na efa miasa aza dia meda velona sy tsy mahalala ny tokony hataony na mandiso sy be kitoatoa ny ankamaroany.Dia ohatr'izany daholo ny birao tsirairay dia aiza no handroso?
4. fijo ( 04/01/2006 04:23)
marina io voalazan'i kia bla io.le fomba fisainana sy fiasa mihintsy no tokony hovana .
5. xha ( 04/01/2006 08:37)
[quote=xxx]
Toe-tsaina no mahatonga an'io, toe-tsaina tsy mety mivoatra sy tsy manaiky ny hiova amin'ny fomba fanao mahazatra amin'ny lafiny rehetra na dia efa hita aza fa tsy mety intsony lay izy.Manatena toloram-potsiny foana fa tsy mba miezaka dia izay io eh!Jereo ny Japoney mandroso izy oh! fa ahaona?Fa maninona?Ary isika ahoana?



6. jentilisa ( 04/01/2006 09:48)
Tena izay toe-tsaina izay mihitsy no nanabeazan'ny frantsay antsika! mba tsy ho mpamorona fa ho mapanampy azy fotsiny amin'ny zavatra atao. Izay foroniny dia tsy raharahiana loatra...indrindra moa fa eo amin'ny mahasamy malagasy indrindra indrindra.
7. Veloo ( 04/01/2006 14:23)
mila manova saina mihitsy ny gasy ka... mila mahatsapa tena fa tena nadevozana ka tokony hivotra kle:(
8. kally ( 04/01/2006 18:45)
Zavatra azo amboarina izany ange fa tsy sarotra e! ny fomba fampianara no asiana maso fa any no be lesoka be.
9. fijo ( 05/01/2006 04:31)
havoaka ny didy ary fa i kia bla no hiandraikitra ny fampianarana manomboka mason'andro anio.
10. Vahinala ( 05/01/2006 08:09)
Misy kosa ange ry reto ny tanora vao nivoaka nahazo diplaoma teny ankatso ohatra tsy mety mahita asa satria nahoana, jereo amin'ireny offre d'emploi amin'ny gazety ao Dago ireny fa na inona na inona recrutement ataony dia mila expérience minimum 3ans foana, dia ahoana kosa ary ny mba mikasika ireo débutant, tsy manana chance mihitsy hany ka lasa manao sofera taxi sy taxi be ny ankamaroany.
11. kally ( 05/01/2006 09:26)
Vahinala> Mahazo foana fa ilay ankizy mihitsy no tsy mahay mivarotra ny fahaizany, vao mahita an'ilay tolotr'asa hoe mila expérience dia tsy manandrana mandefa akory ka aiza no hahita?!
12. Vahinala ( 05/01/2006 10:59)
kally > Tsy hitanao anga fa ny ankamaroan'izy ireny aza misy soratra mihitsy hoe "débutant s'abstenir" ??? Za anie anisany voan'izany e,novaliana daholo ty annoce rehetra ty fa tsisy tohiny mihitsy, chance be no nahitako ny asako amzao fotoana ary hanaovako stage aty ivelany io.
13. mandrindra ( 05/01/2006 14:36)
vahinala, tsy izay rehetra misoratra eo amin'ny offre d'emploi iray dia ho arahinao avokoa, tsy maintsy mikiry, ary indraindray dia terena fotsiny izao hiety. Rehefa mitady asa koa dia tsy ny annonce ihany no jerena, raiso ny penina sy ny taratasy dia anirato izay orinasa tsapanao fa mety hisy asa mifanraka amin'ny fahalalanao. Indraindray aza ilaina mihitsy ny tonga dia manantona ilay orinasa.
Ny fahasahiana no tsy ampy amin'ny malagasy.
14. Vahinala ( 05/01/2006 17:13)
mandrindra > za anie tena tsy mandà anizany mihitsy e, misy fahadisoan'ilay ankizy vao misondrotra nefa koa betsaka ny fanakiviana eny antsefantsefany eny,ra za aloha tsy ampianarina ny mikasika iny mintsy e satria tena marina mihitsy izany lazainao izany ary zany no niainako, fa angamba ny mety d tokony tsy fantatro hoe hisy sehatra iray angamba mba hanoroana ny tanora ny fandehan'izy ireny.
15. kally ( 05/01/2006 18:38)
Vahinala:

mandrindra > za anie tena tsy mandà anizany mihitsy e, misy fahadisoan'ilay ankizy vao misondrotra nefa koa betsaka ny fanakiviana eny antsefantsefany eny,ra za aloha tsy ampianarina ny mikasika iny mintsy e satria tena marina mihitsy izany lazainao izany ary zany no niainako, fa angamba ny mety d tokony tsy fantatro hoe hisy sehatra iray angamba mba hanoroana ny tanora ny fandehan'izy ireny.



Dia tafaverina @ ilay resako etsy ambony ihany hoe ny fampianarana no misy lesoka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3548