Fanavaozana ny wikianja

1. hery ( 03/01/2006 09:18)
Havaozina tsikelikely koa ny wikianja amin'ity herinandro ity. Ny wikianja moa dia toerana ahafahanao manoratra malalaka zavatra izay tianao... dia tena malalaka tokoa. Amin'izao fotoana izao aloha dia ny mombamomba fanampin'ny namana tsirairay no tena ho hitanao ao fa mbola azo itarina ho ngeza be.
http://wiki.serasera.org ny wikianja
Raha ohatra ka mangamanga be fotsiny no hitanao dia ampiasao ny touche F5 fa mbola ilay wikianja taloha izay no voatahirin'ny ordinatera.
Mazotoa daholo
répondu par hery le 11/01/2006 22:05
2. lapino ( 03/01/2006 13:47)
Milay fa misaotra e :)

Misy dinika sy fanehoan-kevitra mahaliana ihany eto amin'ny forum indraindray, mety ho milay raha misy mahavita mandravona an'ireny, dia atao tahirin-kevitra ao amin'ny wikianja.

Fa ny ahiako kely dia raha misy fifangaroana ilay izy. Misy ohatra izao amin'ny fandraisana misy hoe "ohabolana", sao dia ho lasa hifangaro amin'ny http://serasera.org/ohabolana.
3. Fiffi ( 03/01/2006 17:01)
hery: misaotra anao fa tsara be e!
lapino: fa taiza foana no tsy hita fa nanjavona ? :-D:-D:-D .
Nefa io aho fa mijery an'io fa tsy itako hoe mifangaro :-*:-*
4. lapino ( 03/01/2006 18:55)
Fiffi:
lapino: fa taiza foana no tsy hita fa nanjavona ? :-D:-D:-D .

Mbola nihodina kely :-$:wink::)

5. hery ( 03/01/2006 22:02)
Mitohy ny fanavaozana

Manomboka amin'izao fotoana izao dia mila mampiditra ny solonanarana sy tenimiafina serasera vao afaka mampiditra lahatsoratra ao amin'ny Wikianja.
6. hery ( 05/01/2006 23:28)
Mihatsara ny endriky ny wikianja amin'izao fotoana izao.
Nasiana teny fampidirana kely ihany koa
http://wiki.serasera.org
7. pissoa ( 06/01/2006 16:39)
Tsy mihatsara fa mihatsara be ny endriky ny wikianja amin'izao fotoana izao :)
8. Vahinala ( 06/01/2006 17:39)
hery:

Mihatsara ny endriky ny wikianja amin'izao fotoana izao.
Nasiana teny fampidirana kely ihany koa
http://wiki.serasera.org




Za re tsy mety tafiditra ao mihitsy fa lazainy hoe diso foana ny mot de passe ko an, fa maninona kay ? Tsy ilay ato am serasera namana ihany angaha no ampiasaina sa hafa mihitsy ? Misaotra dieny mialoha an.
9. hery ( 06/01/2006 20:50)
Vahinala> andramo aloha ny hoe Vahinala dia avy eo andramo ny vahinala (jereo ny différence @ majuscule)
10. fijo ( 06/01/2006 21:17)
nanandrana aho fa tsy nety le izy
11. hery ( 07/01/2006 09:48)
Vahinala>

Ok nahitsy kely ilay izy fa nisy olana ho an'izay nanana pseudo misy majuscule. amin'izao dia tokony ho mety.... efa nasaina nandramana
12. Vahinala ( 07/01/2006 11:54)
hery > Andraso fa andramako ndray ary e !
13. hery ( 11/01/2006 22:05)
Aiza ny takelaka taloha tao amin'ny wikianja?

Ny takelaka rehetra vita hatramin'izay dia tsy nofoanana akory fa mbola ao daholo

http://wiki.serasera.org/index.php/special:Allpages ny takelaka rehetra dia ho hitanao ao.

Manomboka izao kosa dia toerana hafa no ahitana ny takelaky ny tsirairay.

http://wiki.serasera.org/index.php/special:listusers
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4661