Fitia niova loko
1. nyeja
(
27/12/2005 14:42)
inty misy tononkalo iray mampalahelo mila ady hevitra kely avy aminareo e.
Fitia niova loko !
Raha toa ka niova loko,
nanjary antra sisa
ilay fitiavanao,
dia hionona ny foko
miangavy aho avelao.
Dia avelao hangina
hamafa ny alaheloko,
manjombona sy gina
ilay masoandro keliko.
Raha fombafomba sisa
tsy vokatry ny fo,
ilay fiarahantsika
izay manga teo aloha.
Dia avelao hisaona,
ny anaranao aho ry aiko.
Fa ny miangavy foana
tsy ho vitako, tsy haiko!.
Dia avelao, ho kotsan-dranomaso
hanjahatra fa ory
avelao hangaina,
aleo aho hiari-pery
ny lalanao no zory
dia aza miasa saina.
Raha anio anie aho tomany
aleo fa zakako ihany.
Ny ho avy no andrandraiko
fahanginana no ilaiko.
Ny Eja 23/12/2005
répondu par mapi le 08/10/2007 08:32
2. Vahinalasoa
(
27/12/2005 14:53)
Tsy hitako izay ambara ry nyeja, mafy rehefa sendra ny toy izao nefa atao ahoana moa, tsy maintsy misy foana ny indro kely eo amin'ny fiainana. Rehefa tojo olana tahaka an'io dia atao antsaina fotsiny hoe na tena tia azy aza ny tena dia ts anjara izy matoa izay no nitranga, ary tadido koa ilay fiteny hoe "androany ianao tomany, fa rahampitso ianao ho faly". Fa hono hoa aloha e, ianao ang ano sendra an'io ? Mahereza e.
3. kally
(
27/12/2005 15:10)
Izany ary no lalam-piainana, aza variana mitomany fa mba zory koa ny lalanao.Zaranao aza lasa iny hahitanao tsaratsara kokoa!
4. nani
(
27/12/2005 15:20)
Rehefa voatantara anaty tononkalo ilay situation de manjary ohatran hoe maivana ,sady manome hery ho an ilay olona hitrangan ilay tantara . Fa mino aho fa ny miaina izani kosa tsy moramora , raha ny hevitro manokana aloha ee ,indrindra fa hoe tena mbola tiako ilay namana de aleoko aloha hiafina ihany na de niova loko ary ilay fitiavana sao mba hiova ihany izy ka , tsy tonga kosa zaho de ahamoy fo b loatra !Asa anefa fa hevitra ihany zay ,fa refa tonga tokoa ni tokoa tsy hay ??
5. zoary
(
28/12/2005 05:02)
fa maninona kay ry reto rehafa misy olona tiana d mampifila foana a?!sa hodiany tsy fantatra?
6. naritsimba
(
28/12/2005 08:20)
Nyeja> raha ny fijeriko an'io tononkalo io, dia tahaka ilay tononkalo nosoratana mpanoratra iray hoe:Tanala very sampy no tokony ho setriny, ny fanafodin'ny aretim-pitiavana dia tsy misy afa-tsy fitiavana ihany.
Koa ho an'izay niharan'ny tahakan'io voalaza ao anatin'io tononkalo io dia aoka tsy hamoy fo fa miezaka kosa mampiseho fa na inon-kidona na inon-kihatra, tsy mety ho kivy tsy maintsy mitraka.
Mahereza ny rehetra e!
Koa ho an'izay niharan'ny tahakan'io voalaza ao anatin'io tononkalo io dia aoka tsy hamoy fo fa miezaka kosa mampiseho fa na inon-kidona na inon-kihatra, tsy mety ho kivy tsy maintsy mitraka.
Mahereza ny rehetra e!
7. Vahinalasoa
(
28/12/2005 09:54)
Za ry reto d manontany tena foana hoe, fa maninona marina aza no mampijaly ilay fitiavana e, maro tokoa ange ny sendra an'io lazainy nyeja am tononkalo io e, ary indrisy fa maro koa no mamohy fo.
8. anjeliko
(
28/12/2005 10:00)
fa maninona kay ry reto rehafa misy olona tiana d mampifila foana a?!sa hodiany tsy fantatra?
9. anjeliko
(
28/12/2005 10:02)
raha ny momba ny nanoratana ny tonokalo d mahafinaritra satria voalaza sy tafita tsara ny hafatra tiankambara.
raha ny momba ny zavatra vohiziny ndray d miray hevitra @ aho.zany hoe raha toa niova loko lay fitia ary raha toa ka tena tiako lay olona d avelako handeha izy.satria any an-kafa mantsy ny hasambarany noho zany tsy avelako hijaly eo anilako izy;raha bola tena tia azy aho.
ny alaheloko mantsy hisava ihany e!!!ny fitiavana zay nisaonako tsy maintsy hitsangana @ fahafatesana ka hitondra hendrika sy aina vaovao ndray e!tsisy atahorana ny @ zany
raha ny momba ny zavatra vohiziny ndray d miray hevitra @ aho.zany hoe raha toa niova loko lay fitia ary raha toa ka tena tiako lay olona d avelako handeha izy.satria any an-kafa mantsy ny hasambarany noho zany tsy avelako hijaly eo anilako izy;raha bola tena tia azy aho.
ny alaheloko mantsy hisava ihany e!!!ny fitiavana zay nisaonako tsy maintsy hitsangana @ fahafatesana ka hitondra hendrika sy aina vaovao ndray e!tsisy atahorana ny @ zany
10. ari.malala
(
28/12/2005 10:14)
nyeja, mampalaelo tokoa ilay tononkalo, fa efa teo @ ilay toerana aho, dia tena notanterahako tokoa io voalaza io, hoe ny lalanao no zory, fa ny hasambarany no ekeko ho ahy. Tsy maintsy mahay mapionon-tena koa no tena marina e! sady aty aoriana koa rehefa tojo ilay tena tiana sy tena tia ny tena dia toa adino ilay fahoriana nandalo taloha iny.
11. Vololontsoa
(
28/12/2005 10:28)
Tena tsara be ry Ny Eja lay tonon-kalo a! maro tokoa ny olona no sendra ny toy izany ,fa ny fanafodiny dia tsy misy afa-tsy ny fahaizana mampionon-tena ihany.Fa soso-kevitra iray ihany koa woe maninona raha asiana feony e!
12. Ragadona
(
28/12/2005 10:42)
"Adin-tsaina foana mameno ny fiainako
Mila ho isan andro tsy misy hitarainako
Tsy tantiko eh, na dia tia anao aza aho
Koa dia aleoko, ho faranana
F'hitady hafa aho, hiadanana
Izay ho solonao, vaovao
TSINJO
Mila ho isan andro tsy misy hitarainako
Tsy tantiko eh, na dia tia anao aza aho
Koa dia aleoko, ho faranana
F'hitady hafa aho, hiadanana
Izay ho solonao, vaovao
TSINJO
13. zoary
(
28/12/2005 10:45)
Ny manantena tsy misy no sarotra, mamoy mora foana.
manantena loko manga hiverina, hay loko mainty hatrany no tavela.
aza mba mitanondrika ela, afoizo dia mitraka.
traikefa daholo zany, hanitsina famindra.
manantena loko manga hiverina, hay loko mainty hatrany no tavela.
aza mba mitanondrika ela, afoizo dia mitraka.
traikefa daholo zany, hanitsina famindra.
14. HARYZO
(
28/12/2005 10:45)
tena tsy misy ho kianina intsony eh tena sosokevitra tsara ho an'izay too olana ohatra an'io eh mahereza
15. xxx
(
28/12/2005 11:48)
Eh...Za mits zany, mety amik io tonokalon'ise io @zao, ts za lé niov loko an!
Misôtré
Misôtré
16. xxx
(
28/12/2005 16:56)
Raha toa niova loko
Ka zary antra sisa
Ilay fitiavany;
Na hiram-boloky
Sy toa fombabomba
No alaoky ny vavany;
Dia aleo izy hisintaka!
Aza azomina akory
Ary aza potehina;
Aleo izy hibitaka!
Na dia tsy ahitan-tory:
Ny ho avy atrehina.
Dia ny fonao tonio;
Na dia namela ratra,
Ekeo ho tantara.
Fa ny hisolo ny anio
Izay mahavaky tratra:
Fitia amboara.
pissoa 28/12/2005
Ka zary antra sisa
Ilay fitiavany;
Na hiram-boloky
Sy toa fombabomba
No alaoky ny vavany;
Dia aleo izy hisintaka!
Aza azomina akory
Ary aza potehina;
Aleo izy hibitaka!
Na dia tsy ahitan-tory:
Ny ho avy atrehina.
Dia ny fonao tonio;
Na dia namela ratra,
Ekeo ho tantara.
Fa ny hisolo ny anio
Izay mahavaky tratra:
Fitia amboara.
pissoa 28/12/2005
17. jennifer2
(
28/12/2005 22:58)
Mampalahelo izay olona sendra an'ireo tononkalo ireo. Mahereza reto a!
Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy
Raha olona iray no tsy tia, mitotoa koba hatavy
20. nyeja
(
03/01/2006 10:06)
eny , mampihetsi-po ilay valiteny omenareo ahy eto dia mialatsiny raha izao vao tonga eto fa tena sahirana kely dia izao vao afaka mamaly .