Fitia niova loko
22. Samoana
(
03/01/2006 14:01)
Raha namaky io voasoratr'i Nyeja io ny tenako dia izao no voamariko
- ilay fitia niova loko dia tsy voateny eto hoe noho ilay rangahy nahita olon-kafa hotiavina ( raha ny vavy io mitaraina io ). Mety ho avy @ ilay be taraina koa izany no nahatonga ilay fiovàna ( aretina, kizitina, mila afom-pitiavana miredareda hatrany ). Hany hery lasa miantra na tsy terem-panahy loatra intsony ny lahy hiezaka hamalifaly ilay efa nofinidiny.
-Vaha-olana ilay fahanginana raha entina mitady izay fomba hamelomana ny afo. Tsy miampanga fotsiny an-drangahy fa mba manao jerikina ny mety nampangatsiaka ilay fitiavana aloha. Atsaharo ilay tomany fa mainka hampitombo fihantrana

23. nyeja
(
04/01/2006 06:11)
valiako avy hatrany àry, ilay resak'i samoana e, asa raha voajerinao ny andininy faharoa milaza hoe "ny miangavy foana tsy vitako tsy haiko" noho izany misy ezaka ataon'ilay iray ao fa ilay nanova loko no tsy mahatsapa izany.
Ekena aloha fa tsy nolazaina ny antony nanmiova loko snsn ..., fa eto,kosa anefa tsy miampanga ilay nanova loko mihitsy ny mpanoratra fa manome lalana azy aza handeha amin'izay mety mahasoa ny fiainany, satria ny fitiavana raha antra dia tsy mety fa aleony mionona avy hatrany.

24. Vahinala
(
04/01/2006 07:39)
Tadidinareo ve ilay hira hoe " ny hasambaranao eny antanin'olonkafa, ny hasambaranao hekeko ho ahy ". Izany hoe marina fa niova loko ny 1 nefa koa tsy afaka ny hanery azy ianao fa dia manaiky izay mahasambatra azy sisa na tsy eo anilanao aza izany, d mandefitra ny fo na dia tia aza satria ratsy izany fitia tsy mifameno izany.
25. lapino
(
04/01/2006 10:42)
Fitia afo-mololo
Fatra-piredareda
Saingy malaky maty
Ho fainy eo daholo
Ny kamo be tenda
Sy izay tsy mahita anaty
Raha toa ka tena tia
Avelao izy handeha
Raha izay no tian'ny fony
Vokary ny fitia!
'Meo azy be dia be,
Tsy ilana tamby intsony ...
... Satria nahoana moa
Ilay olon-tia be
No lasa ohatr'izay?
Mahasambatra kokoa
Hono ny manome
Toy izay mandray
Fatra-piredareda
Saingy malaky maty
Ho fainy eo daholo
Ny kamo be tenda
Sy izay tsy mahita anaty
Raha toa ka tena tia
Avelao izy handeha
Raha izay no tian'ny fony
Vokary ny fitia!
'Meo azy be dia be,
Tsy ilana tamby intsony ...
... Satria nahoana moa
Ilay olon-tia be
No lasa ohatr'izay?
Mahasambatra kokoa
Hono ny manome
Toy izay mandray
26. lapino
(
04/01/2006 10:44)
Ohatra ny tiako ilay modelin-driman'i Pissoa, dia nindramiko tsy an-kiera fa azafady :wink:
27. pissoa
(
05/01/2006 08:41)
lapino > =D=D=D
Fa mampihomehy kosa ilay izy an!
Fa mampihomehy kosa ilay izy an!
lapino:
Ho fainy eo daholo
Ny kamo be tenda
Sy izay tsy mahita anaty
28. nyeja
(
06/01/2006 05:35)
lapino
misaotra anao fa tsapako fa ilay mpanoratra tena mila vokatra be dia be tokoa ilay tononkalonao an
mankasitraka e
misaotra anao fa tsapako fa ilay mpanoratra tena mila vokatra be dia be tokoa ilay tononkalonao an
mankasitraka e
29. lapino
(
09/01/2006 12:15)
ny eja < mitodika amin'ny andaniny daholo ireo resaka ireo, fa nefa mampiseho koa fa misy an'izay "kamo be tenda" izay daholo avy amin'ny laniny roa. Somary "exageré" ilay kamo be tenda, fa entina hilazana hoe samy te mba hankafy ilay hafanan'ny fitiavana, nefa samy tsy te hanisy entretien an'ilay afo.
farany moa dia mamoy sy mandrava no vahaolana raisina, samy maratra sy marary rehefa misaraka. Dia mihena amin'iny koa ny fitiavana mety ho hita any an-kafa avy eo, na mety ho tsy fitiavana intsony aza no ho anton'ny fiarahana.

30. fiaritiana
(
17/01/2006 13:17)
Tena anisan ny tononkalo ankafiziko io tononkalon Ny Eja Fitia niova loko io,manambara ny fiainan ny mpifankatia ary toa mihatra ato anaty mamaky azy, mafy tokoa rehefa tena tia an! nefa rehefa tsy tia ny iray dé aleo miala mangiangiana...
misaotra Ny Eja a!satry foana hamaky lé tononkalonao!
Bizzzz
misaotra Ny Eja a!satry foana hamaky lé tononkalonao!
Bizzzz
31. fiaritiana
(
17/01/2006 13:18)
lapino sy pissoa:tsara koa ny nataonareo ka!milay be!
Bizzzzzzzzzz:-*
Bizzzzzzzzzz:-*
32. mapi
(
08/10/2007 08:32)
milay b le izy fa kay azo atao tsara ny maka hevitra b d b toy e! fa d mahereza e!voankazo an'ala io e! d anao ny safidy sisa