pazzapa: inona indray!

1. jentilisa ( 21/12/2005 05:51)
Efa rentsika moa fa tafala ( sady niala no noesorina)tao anatin'ny sehatry ny pazzapa III i Stephane. Saingy tsy dia any loatra ny resaka ataoko eto fa hafa ihany.

Raha nahadinika isika dia ny roa tamin'ny nandresy tamin'io pazzapa io dia avy any Antsirabe avokoa. Ny zavatra nampitovy azy ireo ihany koa no holazaiko eto. I Sitraka izay nandresy tamin'ny pazzapa II dia nilaza fa hira evanjelika no tena ifotorany. Raha tadidintsika dia nanontaniana izy tamin'ny fotoana nampivaivay ity fandaharana ity amin'ny fanomanana ataony; niaiky izy fa tena sahirana tokoa ary tena tsy mora ny miditra amin'ny resaka kanto indrindra rehefa nahazo ny laza ianao.

Eto indray dia i Tahiry pazzapa III indray no holazaiko anareo. Tamin'ny Alahady teo dia nanao fampisehoana evanjelika ihany koa izy...teo ampandraisana azy ny olona dia falifaly ery fa hahita vedety vaovao ao amin'ny fiangonana. Fa rehefa avy eo, asa na noho ny hira tsy dia fantatry ny olona loatra na ny andro efa hariva loatra (efa amin'ny 6 ora hariva mahery vao nanomboka ny anjarany izy) dia nody tsikelikely ihany ny olona. Indrndra fa ny tanora tsy ampy taona moa izany. Raha tena nandinika ny hira nataony izay nolazainy fa noforoniny ny maro tamin'ireo anefa dia hita hoe tsy ratsy ireo hira ireo. Fa ny nahavariana dia ny nahita azy nanolotra ny hirany...dia toy ireny mpitory filazantsara an-kira ireny mihitsy ranamana io. Tsy ho gaga aho raha mety handre ao aoriana kely ao hoe lasa mpitondra fivavahana hono i Tahiry PazzapaIII.

Izao izany no olana amiko, mendrika ivoahana amin'ny maha-artista tokoa ve ity Pazzapa ity? Toa ny hira malaza ihany no tadiavin'ny olona amin'ireto tanora vao misondrotra ireto fa tsy mba ny hirany amin'ny mahaizy ilay olona tsirairay mihitsy!
Hahatafavoaka artista manana ny mahaizy azy ihany ve ny gasy voabahan'ity pazzapa mampianatra hihira hiran'olona fa tsy ny an'ny tena ity?

Tahaka ilay magalie nandresy tamin'ny star'Ac amin'izao fotoana izao izay mahatonga ny gazety hanontany ihany koa hoe hanana ny ho aviny tokoa ve ramatoakely io?

Dia miandry ny hevitrareo aho!
répondu par istraky le 04/01/2006 11:48
2. xxx ( 21/12/2005 06:21)
misy marina tokoa ny voalazanao. Rehefa nodinihina tokoa ireo artista navoakan'ny pazzapa dia sahirana ry zareo amin'ny hira noforoniniy na noforonina ho azy.Misy tokoa ry zareo ny manam-peo fa asa na ny mpamoron-kira no tsy mahita hira mety amin-drizareo na ahoana. Tsy hitononona anarana mphira tamin'ireo aho fa misy tokoa ny manandrana mano hira an'ny tenanay amin'ny cabaret na avoaka radio mihitsy fa tsy dia tafita loatra e.Ny mahagaga aza dia ireo mpifaninana pazzapa tsy tafakatra amin'ny famaranana indray no toa manana ho avy tsara satria toa ankafizin'ny maro kokoa ny hira avoakany amin'ny anarany.sa diso ve aho?
3. xxx ( 21/12/2005 06:23)
misy marina tokoa ny voalazanao. Rehefa nodinihina tokoa ireo artista navoakan'ny pazzapa dia sahirana ry zareo amin'ny hira noforoniniy na noforonina ho azy.Misy tokoa ry zareo ny manam-peo fa asa na ny mpamoron-kira no tsy mahita hira mety amin-drizareo na ahoana. Tsy hitononona anarana mphira tamin'ireo aho fa misy tokoa ny manandrana mano hira an'ny tenanay amin'ny cabaret na avoaka radio mihitsy fa tsy dia tafita loatra e.Ny mahagaga aza dia ireo mpifaninana pazzapa tsy tafakatra amin'ny famaranana indray no toa manana ho avy tsara satria toa ankafizin'ny maro kokoa ny hira avoakany amin'ny anarany.sa diso ve aho?
4. peta ( 21/12/2005 06:31)
Saika anonontaniko aminareo heo: fa nesorina ahona i Stephane?
mba omeo fanazavana za reto fa tena tsy au courant mintsy a!
5. xxx ( 21/12/2005 07:11)
raha ny voalaza aloha dia hoe efa nanao contrat tamin'i RTA avokoa ny mpandray anjara amin'io Pazzapa io fa tsy mahazo manao contrat amin'olon-kafa handray anjara amina fampisehoana hafa raha tsy milaza mialoha amin'i RTA. Nandika io anefa hono i Stephane satria to ananao sonia contrat handray anjara amina fampisehoana iray sadt tsy nampandre ny RTA. Ary toa tsy io ihany fa toa nangataka remboursement-na frais de transport sy frais d'hotel fictifs tanmy @ RTA hono lery nefa toa nipetraka tao amina tranona artista iray teo akaikin'ilay hotely.
6. HS ( 21/12/2005 07:14)
Araka ny fahafantarako azy dia taorian'ny fampisehoana voalohany nahavory olona maro nataon'ny RTA sy ny Pazzapa 3 tao amin'ny palais des sports dia nisy fifandirana teo @ Stephane sy ny mpikarakara noho ny resaka vola ka mety ho izay no anisan'ny antony nialany na tsy nandraisana azy intsony.
7. jentilisa ( 21/12/2005 12:23)
ary toa lasa feno resaka pazzapa indray ny tanàna an!
8. fasaly ( 21/12/2005 17:52)
tsy azo ampitahaina ny star'ac sy ny pazzapa! satria ny artista tranaiinibe ao france de manaraka ny dian'ny mpandresy ao amy star'ac, ka tsy hoe magalie no nandresy dia tsy hanana ny ho aviny izy satria ngeza vatana be tsy hoatran'ny ireo nandresy taloha fa ny mpanao gazety kou anie miteny zavatra alohan'ny fotoana foana e!, fa eto resaka pazzapa
hitako mihintsy fa tsy dia malaza firy ny mpandrsy hatrizay alony e! ka io tsy tokony ny aritsa tranainy ihany kou ve no tokony hanohana azy ireo...,? jereo i nolwen zao i laurent voulzy no nanampy niara-niasa taminy nandrintra ny herintaona...fa lay artista aeto amintsika anie toa otran'ny samy maka ho azy, matahotra ny hifampisongona angamba e! tsy haiko alou e!
9. jentilisa ( 23/12/2005 08:04)
ny famoronankira mihitsy anieizao no toa tsy misy na hoe tsy matotra loatra intsony! sa tsy ampy marketing?
10. moi ( 26/12/2005 10:00)
Ny pazzapa ve tsy fahaiza-mihira no tena avoaka e ! Fa hafa mihitsy ny fahaizana mamoron-kira ; firifiry moa ny mpamoron-kira fotsiny, dia hirain'ny mpihira hafa ?
Rehefa any aoriana kely vao heno hoe andRanona kay no namorona an'iny, fa tsy ilay mpihira !
Ka asa izay ho fepetra vaovao ao amin'ny pazzapa4 na asiana prime anehoana ny hira noforonin'ny tsirairay fotsiny ... Fa ny tsara aloha dia sady mpamorona no mpihira e !
Momba an'i Stephane, tsy te hitongilana atsy na aroa aho, fa ny tadidiko fotsiny dia niteny tamin'ny gazety Stephane hoe "Tsy aleo ve dieny izao aho dia efa manomana ny hoaviko satria amin'ny herintaona ihany dia tsy ho re intsony izany pazzapa3 izany"
Nanaiky handray anjara Tana In Love izy amin'io, ary io koa tsy nahafaly ny RTA
11. fasaly ( 27/12/2005 22:17)
ka misy izy efa mahay mamorokira fa mila mianatra mihira de tafiditra ao am pazzapa ihany raha ohatra ka!
12. istraky ( 04/01/2006 11:48)
:D Izaho aloha mahita fa misy marina mihitsy ny tenin'ilay nilaza hoe misy olona mahay mihira fa tsy voatery mahay mamorona. Nefa arak'izany tsara kokoa ny mahay azy roa ary ny tena tsara ary dia ny fahaizana mitendry. Misy izao mpihira tanora vao misondrotra toa an-dry Marion, tsy nandalo PAZZAPA nefa mahay mihira (sady tsara feo), mahay mitendry instruments 3 no sady mamorona ny hirany ihany koa.
Raha manampy ny mpamorona i RTA dia hitako ho tafita ny zavatra atao fa raha izao dia tsy ampy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7079