simba ny fitiavana e!

1. miramirana ( 17/12/2005 18:55)
tena tsy hitako intsony izay atao.Misy bandy zay niaraka tamiko tany dago dia miteny ana foan izy oe za hono ny sipa tia indrindra hatr@ zay nefa talohan'ny nialako tany dia nampirafy ahy izy satria tsy nety.....taminy aho.Dia avy eo niaraka ,nisaraka dia niaraka indray izay fa izy miteny oe tia be ana (sa koa aloha potika)nefa otrany tsy tantiko ny zvtra nataony ana.Dia farany aho zany nisaraka définitivement taminy na dia mbola tia azy ary.@ zao fotoana izao izy eto aty(France)dia mbola niteny tamiko izy oe tia ana izy,ida niverina niaraka indray zay.dia le comble dia izao,miteny aty amiko izy oe matahotra ny ampijaly ana hono izy,nefa en fin de compte misy sipa nanaitraitra azy eto @ sera2(hitako fa miantso azy foana ilay sipa)dia misala2 izy entre za sy ilay sipa.dia za niteny taminy oe ra tena tia ana oa ianao tsy nila nisala2 izany entre za sy ilay sipa.dia zao otrany sady halalo maizina izy no sady tiako koa!!tsy hitako izay ataoko nefa tsapako fa na hiverina hiaraka aminy ary aho tsy ho possible intsony entre anay!!:-o
répondu par ja le 20/12/2005 10:49
2. vale ( 17/12/2005 19:07)
miramirana> tena raha izaho no t@ toerandry dia ialàko dieny mbola tsy mifamatotra @ io bandy io aho e! satry izy nanitsaka anjy izany! @ izay ko mbola misy ity ilay faha-2 ity dia inona no tokony hampisalasala azy tsotra ny tokony ataony: efa engagé za izay ny tokony ataony na miantso azy foana aza ilay sipa!
fantatro fa njy potika araka ny fitantaranjy eto fa ny fanafodin'ny fitiavana koa anefa dia fitiavana ihany! ka aza matahotra fa raha tsy nety ny anjy sy io bandy io raha vao mahita solony njy dia hadino ho azy io e! mahereza!:wink:(l)
3. zandrikely ( 17/12/2005 19:13)
miramirana ; marina io voalzan'i vale io , za bandy no miteny an'iznay fa tsapainy aloha eenao , io misaraka dia miaraka io manko ny maha loza azy efa mifankafantatra toetra tsara nareo , fa na ho lasa lavitra aza nareo ohatra hoe mivady dia tadidio fa tsy maintsy hampirafy sy hampijaly anao ilay bandy , zay anie no mahavoa anay bandy e , rehefa tiana tsy mba milamina fa vao maika miseho milay , enao ihany no tena mahita azy ao fa hevitra ny anay , dia mba miramirana e , aza vakina loha be lotra fa eo no raisina eo enao , bonne courage
4. vale ( 17/12/2005 20:07)
Noararaotiny t@ ilay nareo nifamerina io njy! itany fa tia an'azy tena tia manko satry na nisy zavatra nataony dia namela an'azy ndri e! eritrereto iany aky ààà!:-*
5. miramirana ( 17/12/2005 20:27)
misoatra betsaka e!za aloha fantatro fa tsy hety intsony ny aminay e!fa ny nahatonga ahy niverina taminy,izy niteny oe tsy mbola sipa tiany otrana hono.Fa za efa nanadino anazy ange dia ny naha vendrana dia ninon ny tenininy ,niverina taminy indray.Fantatro fa tsy possible intsony entre anay,sady za konkoa matikambo nefa ....efa tonga tato antsaiko io tenin'ny zandrikely io fa zao aho voa tena convaincu satria izy ary lehilahy no miteny an'zany.tena zay voa tena oe simban'ny fitiavana e!!
6. ravakamalala ( 17/12/2005 22:35)
Mampalahelo an ahy akia ndry fa tena tia dia araraotiny a!
iteny izy hoe ndry no tena tiany, tsy mbola nitia olona ohatran dry izy , sns, tadidio fa ny "toky fitaka fa ny atao no hita".
tsy omena tsiny ndry satria tena tia.

raha izaho aloha no teo aminny toerana dia misaraka koa aho e! ny lhl anie zarany aza hanandroa e! fa anjarantsika vhv ny mieritreritra, fa za mahita, araka ny resaka fa tsy tena tia andry izy. misy olonkafa akia any afaka hitia andry araka ny tokony ho izy a!
adabohy any i ngama io fa tttsssss...
7. Veloo ( 18/12/2005 00:59)
dien'izao mbola tsisy na inn na inn zao ny tsara dia ny misaraka...
8. Herimiafina ( 18/12/2005 06:30)
miramirana:

tena tsy hitako intsony izay atao.Misy bandy zay niaraka tamiko tany dago dia miteny ana foan izy oe za hono ny sipa tia indrindra hatr@ zay nefa talohan'ny nialako tany dia nampirafy ahy izy satria tsy nety.....taminy aho.Dia avy eo niaraka ,nisaraka dia niaraka indray izay fa izy miteny oe tia be ana (sa koa aloha potika)nefa otrany tsy tantiko ny zvtra nataony ana.Dia farany aho zany nisaraka définitivement taminy na dia mbola tia azy ary.@ zao fotoana izao izy eto aty(France)dia mbola niteny tamiko izy oe tia ana izy,ida niverina niaraka indray zay.dia le comble dia izao,miteny aty amiko izy oe matahotra ny ampijaly ana hono izy,nefa en fin de compte misy sipa nanaitraitra azy eto @ sera2(hitako fa miantso azy foana ilay sipa)dia misala2 izy entre za sy ilay sipa.dia za niteny taminy oe ra tena tia ana oa ianao tsy nila nisala2 izany entre za sy ilay sipa.dia zao otrany sady halalo maizina izy no sady tiako koa!!tsy hitako izay ataoko nefa tsapako fa na hiverina hiaraka aminy ary aho tsy ho possible intsony entre anay!!:-o

Bandy isankarazany ao anatin'ny olona 6miliara ireo. Avelao any izy refa misalasala, tsisy hatak'andro.
De manao va konkou zavatra hafa, mi s'occuper ianao fa manjary tsy misy heritreretina afatsy izany de vao maika marary.
Efa tena tsy izy mihintsy izany misalasala izany, tssssss

9. tyfoly ( 18/12/2005 09:24)
rehefa manana courage aloa we hisaraka @ ihany no fanafodiny akia a!,za mitovitovy cas @ ndry fa ny probleme-ko tsy manana courage nefa tokony hisaraka @ilay olona mihitsy za fa eee!, fa tsy misy mihotran'ny misaraka ihany akia !
10. ravakamalala ( 18/12/2005 13:13)
Mbola tsy tafasaraka foana angaha akia ndry ry tyfoly? fa efa mba niresaka taminy ve nefa? :-*
11. lapino ( 18/12/2005 13:30)
Aza misaratsaraka izany ry zareo a!
12. ravakamalala ( 18/12/2005 13:32)
saraho kambony rehefa tsy haninn tsy haninn. lhl be mameno tanana ireo koa ho faty an kazo tokana eo!:wink:
13. lapino ( 18/12/2005 13:51)
Aza misaraka hoà! Sady ny an'i miramirana izany tantara tena milay be mihitsy. Izy milaza fa tia anao, ianao koa tsy mahafoy azy. Ka inona indray àry?!

Bandy maditra ve no tsy tantinao e? Zavatra normal ange izany rehefa mbola tsy manambady ilay bandy e! (na efa manambady aza, fa izay indray zavatra tsy mety) Fa rehefa ianao no tena tiany dia any aminao ny tsilon'ny compas no mitsatoka! mihodinkodina fotsiny ny ankoatra an'izay.
14. Maheriloha ( 18/12/2005 13:51)
Miatsaravelatsihy aminao izy satria fantany fa tsy ho azy ianao
15. ja ( 18/12/2005 15:21)
dain koa ity lapino!!!
16. miramirana ( 18/12/2005 15:27)
efa nieritreritra tsara aho sady nahita ireo valin-teny bdb ireo dia ny misaraka no hitako tsara.izy raha teo moa tsy heno2 intsony no sady za koa moa tsy manoratra sy tsy miantso azy intsony,c'est mieux pr tt le mde,@ zay koa aho tsy tenter hiverina aminy intsony.
"A/tra tsy handriny andriko eto ihany".
17. jennifer2 ( 18/12/2005 15:28)
Ary lapino sady mamoaka no mampiditra an! inona no tena hevitrao e?
18. vale ( 18/12/2005 15:38)
lapino:

Aza misaraka hoà! Sady ny an'i miramirana izany tantara tena milay be mihitsy. Izy milaza fa tia anao, ianao koa tsy mahafoy azy. Ka inona indray àry?!

Bandy maditra ve no tsy tantinao e? Zavatra normal ange izany rehefa mbola tsy manambady ilay bandy e! (na efa manambady aza, fa izay indray zavatra tsy mety) Fa rehefa ianao no tena tiany dia any aminao ny tsilon'ny compas no mitsatoka! mihodinkodina fotsiny ny ankoatra an'izay.


ouay ty lapino e! raha otsan'izany doly ve ny bandy tsy aleo manao masera? tia tena!:evil:
19. ravak ( 18/12/2005 17:01)
tsilon'ny compas ny lohanao ry lapino!!tsy menatra akory ianao miteny an'zany!:twisted::twisted::twisted:
20. Herimiafina ( 18/12/2005 18:35)
miramirana:

efa nieritreritra tsara aho sady nahita ireo valin-teny bdb ireo dia ny misaraka no hitako tsara.izy raha teo moa tsy heno2 intsony no sady za koa moa tsy manoratra sy tsy miantso azy intsony,c'est mieux pr tt le mde,@ zay koa aho tsy tenter hiverina aminy intsony.
"A/tra tsy handriny andriko eto ihany".

Izay ahay, zah libra raha mila manala azy ianao, hehehehe

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2155