Tsy mety velona ilay ordi

1. hery ( 14/12/2005 10:46)
Tohin'ilay bios tary fa efa nilamina iny fa ito amin'izay ny tena olana.

Teo aloha nisy Windows ME ilay ordi, dia no-installer-na ny internet dia raha vao mandeha kely, afaka 5 min na 10 min tonga dia maty ho azy dia miverina (ohatran'ny hoe courant tapaka tampoka)

Dia noheverina hoe virus dia nasiana anti-vir sns... fa mbola tapaka ihany isaky ny 10min eo ho eo.

Dia no-reformatter-na dia nasiana OS vaovao (Windows XP) dia tsy tapaka mihitsy izy nandritra ny tapany voalohany tamin'ny installation (naharitra 30min) fa rehefa niditra @ tapany faharoa (Ilay ao anaty windows) dia tapaka indray. Isaky ny mitady hitranga ilay Logo-n'ny Windows XP iny dia tapaka. Dia tsy mety vita mihitsy izany ny installation XP satria tsy mety misokatra mihitsy.

Inona no tena olana? Mieritreritra aho hoe resaka carte video kanefa rehefa atao safe mode na demarrer-na @ VGA dia mbola tapaka foana. Sa carte video ihany?

répondu par LazaRandri le 22/12/2005 00:56
2. lapino ( 14/12/2005 10:57)
Ny ahiako amin'izany dia olana materialy, (za efa tratra dia RAM ilay izy). Andramo hoe démarrer-na amin'ny ultimate boot cd ohatra, misy memtest izay ao, na utilitaires-na diagnostics hafa (hdd, cpu, ...)

Azo atao koa andramana esorina izay karazana périphs tsy dia ilaina @ install, dia matos maivana no i-installer-na an'le windows. Raha mety dia azo installer-na tsirairay izy avy eo.
3. Herimiafina ( 14/12/2005 15:52)
Andramo tsirairsay hoe ireto:

*Mety lasa any amin'ny bios le virus dia tsy matin'ilay anti-virus, de ny vaha-olana, tsoahina ihany ny pile cmos de avela 25mn hi-décharge kely, dia apetaka indray de miverina paramètre par défaut.

na

*Raha Duron ilay machine dia maty ho azy raha mi-chauffe satria akaiky loatra ny circuit d'alimentation, ka mila jerena ny condition fampangatsiahina rehetra.

na

*Jereo daholo ny paramètre de configuration rehefa mandeha ilay machine sao de misy hoe redemmarer toutes les 10mn.

dia

*Jereo koa ny spyware raha misy satria tsy dia mifankazatra ny Windows ME sy ny Spyware (raha nisy).


Mividiana NORTON SYSTEM WORKS na NORTOM SYSTEM UNTILITIES, dia anatin'iny misy NDIAGS.EXE (zakana disquette), dia manao diagnostic matériel sous DOS io de verifier-ny daholo ny matériels rehetra.
Rehefa tsisy probleme hitan'io logiciel io de redemmareo "mode sans échec" (F8) ny machine, dia lancer-o indray ny Scan base des registres ka ny NORTON no asiana manao azy, dia hita eo izay erreur rehetra.
4. Herimiafina ( 14/12/2005 15:55)
Oay somary diso, 25 seconde le fotoana hi-decharge fa tsy 25mn, azafady.
5. ds ( 14/12/2005 21:43)
Ilay izy ve tapaka ho azy (maty) tsy misy hafatra na fampandrenesana ?
Raha misy fampandrenesana (écran bleu !), dia ny "mémoire vive" no ahiana.
1) Andramo soloina tsirairay ny barety (RAM).
2) Safe mode start ;-)
6. andriniaina ( 15/12/2005 05:18)
Salut Hery.
Efa tratran'io trangan-javatra io ko aho ary mbola tsy tena mazava amiko hatramin'izao ny tena cause. Fa ny fiheverako dia ny carte mère mihitsy.
Mazotoa ary e!
7. hery ( 15/12/2005 07:21)
Tonga dia tapaka ho azy ilay izy... tsisy filazana mihitsy ary mbola ilay eo am-pandehanana tsara iny izy no tapaka.
Teo aloha, tamin'ny mbola nisy windows ME dia tapaka rehefa mandeha tsara iny ny windows (10 min eo ho eo) fa amin'izao (Nanao install windows XP) dia tsy mbola tafiditra windows akory dia tapaka. Tsy resaka mi-chauffe angamba satria tamin'ny nanao install windows XP io aho dia tsy tapaka mihitsy.
Rehefa hiditra windows amin'izay izy izao vao hitako hoe tapaka.
8. eprom ( 15/12/2005 09:35)
Ram no atahorako amin'izany. Raha misy barette maro de ampiasao tsirairay aloha na testeo @ ubcd araka ny hevitry lapino ery ambony.
9. ds ( 16/12/2005 11:10)
Raha tapaka ho azy, dia ny processeur izany no mety mi-chauffe. Mandeha tsara daholo ve ny ventilo ? Arakaraka ny fiasan'ny Pros no mampi-chauffe azy fa tsy voatery ny faharetana. Izany hoe mety tsy mi-chauffe mihitsy raha velomina ny solosaina fotsiny ka tsy manao n'inoninona. Toa AMD XP na SEMPRON ilay ao sa ?
10. njara ( 20/12/2005 04:40)
vérifieo ihany ny onduleur, andramo direct fa le micro-coupure avy ao @ onduleur tena tsy tiany mintsy.
11. hery ( 20/12/2005 10:02)
Tsy mampiasa onduleur kah.
Andramako installer-na OS ambanimbany indray aloha jerena. WIN 98
12. LazaRandri ( 22/12/2005 00:56)
Hery ah, tena kankana mihitsy io mahazo azy io fa omeo ody kankana aloha.
Dia indraindray izy tsy mamono tena fa lasa adala ny totoziny (mifamadika ny bokotra havia sy havanana).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1305