amin izao taona 2005 izao mbola misy ihany ny toy izao

1. ravatorano ( 14/12/2005 05:53)
ZAZA TERAKA. Noho ny fomban-drazana izay mbola voatazona hatramin’izao dia tsy afaka mitaiza zaza kambana ny olona avy any.
Kambana dimilahy tao Mananjary, ny iray ihany no notazonin’ny reniny
Kambana dimilahy be izao ny voalohan-janak’ilay ramatoa. Ny totalin’ny lanjan’izy ireo, 6 kilao sy 300 grama. Izany hoe raha atao ny kajy tsotsotra dia eo amin’ny 1 kilao sy 200 grama ny lanjan’ny zaza tsirairay. Tany Ampasimanjeva any amin’ny faritry Mananjary no nisy an’izany tamin’ny faramparan’ny volana novambra lasa teo. Ny iray tamin’ireo zaza ireo notazonin’ny reniny, ny efatra ambiny kosa nomeny an-dry masera.
Marihina fa noho ny fomban-drazana izay mbola voatazona tokoa amin’iny faritra iny dia tsy afaka mitaiza kambana ny olona avy any. Izay angamba no nahatonga ilay ramatoa nanome an-janany ho tazain’ireo masera. Na dia eo aza ny fiovan’ny toetr’andro dia mbola mitana hatrany ny fomba aman-panaon’ireo olona teo aloha ireo taranaka mifandimby aty aoriana. Ilay rain-jaza kosa raha vao nahare ny vaovao dia tsy hita izay nanjavonany, asa taitra angamba izy satria tsy nampoiziny ka naleony aloha naka saina. Mety ho ihany koa nalahelo fa tsy afaka hitaiza ireo zanany rehetra ireo noho ny fomban-drazana misy any an-toerana. Tombantombana daholo moa izany. Tena mahavariana tokoa ny toe-javatra tahaka izao
HAR & RD - midi madagfasikara 13/12/2005

Mahavariana ary tena mampivarahontsana tokoa izany nefa dia izay ilay fomban drazna eh
Ny hevitrao mba ahoan amin izany ?
répondu par diamondra27 le 17/12/2005 07:11
2. bnoty ( 14/12/2005 06:13)
tena mampalahelo tokoa zany nefa tena fahasoavana be zany dimy ndray mipoaka zany an! tonga dé vita ny afera! tsy miteraka tsony no sady miara-lehibe ny ankizy!
3. Fiffi ( 14/12/2005 06:51)
ravatorano: ekekeo hoe izany no fomban-drazana avy any , saingy izao angamba no tokony ho fantarina hoe tolotr'Andriamanitra izao fanomezany an'io olona io kambana avy hatrany ho dimy io . Efa mba taona 2005 ve dia mbola tsy niova mihintsy ilay toe-tsaina ? Tsy hoe manaratsy ny toe-tsaina akory aho , fa mba mivaotra no mba tiako ho lazaina.
Araky ny filazanao ry bnoty , tena fahasoavana angamba tsy misy tahak'izao . Fa na ny tena nitondra ireo zaza naditrin'ny 9 volana ary tena zanakao ve dia tsy mba misy na kely aza hoe tokony mba hieritreritra ny tena satria fahasoavana izao . Ny nataon'ny rainy koa aloha dia azo lazaina hoe "lacheté) e! na izany na tsy izany hoe sadaikatra izy na natahotra hoe tsy aharaka ny fitaizana na fivelomana ireo zaza ireo , tokony ho fantany tsara fa zanany ireo , ary iero zaza ireo ange ka tsy nangataka ny ho avy aty e! dia mba tokony mi-assumer io rainy io fa tsy handositra tahak'izao .nefa ny hazoko lazaina dia sambatra ireo olona ireo nahazo fahasoavana lehibe tahak'izao. Ny olona tsy afa-manan-janaka aza efa tsy fidiny , fa ny nenina hono tsy aloha hananatra fa aoriana handatsa ka asa aloha fa raha izany ary ny fomban'ireo olona any , inona no hazo hatao ?
4. ari.malala ( 14/12/2005 06:59)
mampalaelo b zany! ny ana le zaza no tena mampalaelo ana satria araka ny tenin'i Fiffi we ts naniry ny hoavy taty, d nefa vao tonga tetoa n-tany d efa sarahina @ nahitany masoandro, ary ny tena marina aza d le nahitany masoandro mints no minia misaraka @zareo...:( ny ts manana aza efa ts fidiny... fa zany we le nomena an-dry masera aza azo koleferina noho ny sanatria we naririna fts tany anaty ala tany alo e, ao @ ry masera izy sur fa manana hoavy tsaratsara kokoa satria hahita fianarana, hanana trano fialofana... fa ny tokony atao angamba hoy aho, d ny fanentanana any ambanivolo lavitr b mbola mitana ny fombandrazana izay efa hita ny ts fetezany we ts tokony atao zany manary zanaka izany fa fhasoavana ireny, na ko we saziana ze manary zanaka e... ts haiko alo fa ra za d zay e
5. naritsimba ( 14/12/2005 07:01)
Samy manana ny finoany sy ny fombany ny firenena tsirairay, matoa r'izareo tsy mitaiza kambana dia ao raha...! koa aoka tsy dia hifanome tsiny fa mba hanadihady isika rehetra, soa ihany aza fa mba efa azo tezain'ny masera fa tsy ilay fomba taloha ariana izay zaza kambana.
Efa misy fivoarana ihany raha ny fijeriko azy, misy koa ireo tsy te hanary ny zanany fa dia aleony miala ilay faritra misy azy ary tsy miverina any intsony ireo RAD fa ilay zaza rehefa lehibe ka mahalala fa Antambahoaka ny fiaviany dia azy ny safidy na hiverina any izy na dia hiorim-ponenana @ izay toerana nitondran'ny RAD azy.
6. majakely ( 14/12/2005 08:05)
Aminay agny ijy io ...
i jaja kambana io ...amena olo fa tsy ajo tijaina ,, ...(,araka izay hira izay ee....)
7. lapino ( 14/12/2005 08:29)
Isika izay miaina an-tanàndehibe, dia sarotra amintsika ny hi-compr an'izany toe-javatra izany. Nisy fotoana izahay tany ambanivohitr'i Mananjary, fa dia tena izany no tanàna mampalahelo.
- kahie akanga 1 sy stylo 1, izay no fitaovam-pianaran'ny ankizy mandritra ny taona
- EPP iray no eo an-tanàna, anankiroa ny mpampianatra. Efa hafaliana tsisy ohatra izany ny an'ireo mpampianatra raha nisy anankiray afaka CEPE eo an-tanàna, tsy isan-taona manko izany.
- Ireo izay afaka CEPE dia matetika sakanan'ny RAD tsy hanohy fa manjary mandao tanindrazana hono.
- Ankoatra ny mpampianatra dia olon-dehibe 2 no mahay mamaky teny sy manoratra ao amin'ny fkt: zandarma iray (niveau BEPC), sy ny prezidà-n'ny FRAM (niveau T2 angamba)
- Ilay mpampianatra sady prezidà-n'ny fkt no manenjika manatrika izay raharaham-barotra rehetra ataon'ny vahoakany, fa sao dia ambakain'ny olona eo ambony mizana sy eo amin'ny kaonty.
- nahita ambanivohitra tsy nisy sarety sns tany. Lonaka ny tany dia mamokatra ny vary, fa raha ny fomba fambolena dia tena tsizarizary.

Raha izany, dia mbola tsy mahagaga raha ny fomban-drazana no mandrafitra ny fomba fisainan'ireo olona ireo, amin'izao taona iainantsika izao.

Ny tsy itaizan-dry zareo kambana dia hoe biby ambany hono no miteraka maro (oh. ny kisoa), fa ny biby ambony miteraka iray ihany (oh ny omby). Asa raha avy amin'ny kolotsaina arabo izany na tsia aloha ...

Eritrereto hoe amoron'arabem-pirenena izany tanàna izany. Mbola misy pire any an-tsefatsefany any. Fa isika avy an-tanàn-dehibe no "exotique" amintsika izany.
8. mimiso ( 14/12/2005 09:32)
Ny mpitondra fivavahana zay mipetraka @ reny faritra misy zvt tahaka ireny no tokony hanova ny toe-tsain'ny ol. mba hiala @ fomba izay hita sy azo ialana , tahaka zao trangan-jvt zao. Aiza ve ka ny sombin'ny ainao de ariana !! mampalahelo le fomba fa mila fanavaozana sy fanamboarana
9. naritsimba ( 14/12/2005 10:48)
mimiso> marina ny voalazanao.
Lapino> tsy any @ io faritra io irery no misy tahaka an'io ny resaka fampianarana fa dia maro raha ny eto Madagasikara no lazaina.

Anjarantsika no mijery hoe inona no marina ny fandrosoana tena ilaintsika satria raha ny fandrosoana an-tanandehibe no jerena dia mivaona @ tsy tokony ho izy tahaka ny fitafy mihanjahanja, ny fiteny tsy maotina, ny tsy fanajana ny hafa sns..., maro izy ireo, koa raha fandrosoana ho any @ lalan-kafa dia aleo ihany manaja ny fomban'ny teo aloha fa izany no miteraka fahaverezan'ny kolontsain'ny firenena iray.
Andeha ho jerentsika tsara fa raha misy firenena tena mandroso @ izao fotoana dia ny Japoney izay nanaja ny fombany tanteraka fa tsy manaraka an-jambany ny fanaon'ny hafa akory.
@ izao fotoana izao firy amintsika malagasy moa no tena manaraka marina ny kolontsaintsika sy tia azy ireny ohatra @ izany ny fitafy, ny hira gasy, ny famorana, ny hala volon-jaza sns maro izay isika ihany no namotika azy fa naka tahaka be fahatany ny kolotsaina netin'ny hafa ihany.
Any @ iny faritry Mananjary iny na iza zazalahy ka na efa vita famorana taty afovoan-tany aza na tany @ toeran-kafa na dokotera na rainjaza no nanao azy dia tsy maintsy entina any @ tanindrazany izay vao tena lehilahy. Izany dia azo itarafana fa ny lehilahy dia tsy maintsy mahalala ny tanindrazany. Firy amintsika lehilahy Malagasy moa ankehitriny no tsy mahalala akory ny tanindrazany raha tsy hoe handevina ka ataon'ny valala mpiandry fasana hoe: hanatitra maimbo vao mahalala mijery ny fiaviany hany ka ataon'ny olona tondro molotra? ka manjary menatra dia lasa tsy sahy miverina mody an-tanindrazana intsony mandrakizay fa dia lasa vahiny sary monina an-tanin'olon-kafa?
Antsika no mandinika sy mijery @ maso tsy miangatra ny hoe ilaina ve ny fitazonana sy fanarahana ny fomban-drazana sa tsy ilaina.
10. lapino ( 14/12/2005 11:18)
Raha ny fahitako azy dia tsy maninona manaraka an'ireo "fomban-drazana izay tsy hita ny maharatsy azy". Fa raha hita ny maharatsy azy, dia aleo asiana fieritreretana ihany kle!

Io faritra io aloha no noteneniko satria io no hitako. Fa io ihany aza no hitako dia ohatra an'izay, asa raha manahoana ny any an-toerana hafa any ?!...

mimiso: raha ilay toerana hitako dia efa kristiana ny antsasaky ny tanàna. Misy mpitondra fivavahana mitety faritra mitarika fiangonana any, fa tsy tena isan'alahady, bandy kely vao mpianatra ho pasitera fa mikofoka mafy ihany. Fa tsy vitan'ny bokotra tsindriana ry zareo ilay hoe "manova toe-tsain'ny olona". Mila anaovana operation mihitsy!
11. naritsimba ( 14/12/2005 11:34)
lapino> ka eo mihitsy no tiako tsindriana tsara fa misy amintsika ny mandray an-tendrony hoe rehefa fomban-drazana dia ratsy avokoa satria efa entin'ilay tsy fijerena ny tena zava-misy marina ka manaratsy be fahatany fotsiny ny ankamaroany.Mhita aho izao fa raha ny vodiondry fotsiny no jerena dia tena fomba tsara mihitsy saingy indrisy fa dia tsotsorina fotsiny sisa, raha ity tokoa moa ka ataon'ireo mpitondra fivavahana Môpera na Pasitera na Presbitera na ireo manao ny fanamasinana fa hoe tsotsorina ny fanamasinana ny mariazinareo dia mba ahoana ny fijerinareo an'izay? Eo indrindra no ilana ny fijerena ifotony ny zava-misy marina, tsy sanatria akory ny tenako mankasitraka ny tsy fitaizana ilay zaza 4 mirahalahy fa raha jerena eo @ fiainam-pianakaviana dia tsy ho velon'ny Malagasy izany kambana dimy izany, tsy mba tahaka ny any @ tany mandroso isika ka manome fanampiana fa na msisy aza fanampiana omena an'ireny miteraka kambana ireny dia eo am-pahaterahana ihany, koa tsy aleo ve tezain'ny masera izy ireny dia mba miaina tahaka ny olona rehetra toy izay hijaly na dia eo anatrehan'ny RAD aza, ary tsy sanatria akory very izy raha any @ Masera fa tsy maintsy hahalala ny RAD foana na ho ela na ho haingana satria izay koa dia anisan'ny fitaovana iray ampisehoan'Andriamanitra ny maha Andriamanitra azy.
12. Fiffi ( 14/12/2005 13:46)
naritsimba: tsy hoe fanomezan'tsiny akory no tena ato anaty saiko fa hoe mba te hilaza aho hoe fahasoavana lehibe tahak'izao avy @ Andriamanitra ve dia aleo ny fomban'ny ntaolo no tokony hasiana lanjany mavesatra tokoa nefa koa @ izay velona soamantsara ireo zaza ireo , indrindra moa ny momba ny rain'ireo zaza ireo . Raha toa ary ka tsy handika ny fomba ilay renin-java , fa naninona no nitsaoka ny vadiny ? Eny aloha e! sohiany fa misy ny masera nandray ny zaza fa tsy nariana , milaza izany fa olombelona misaina ilay ramatoa eny fa na dia vitany aza ny manome ny zanany aman'olona.
13. Veloo ( 14/12/2005 16:38)
:snif::snif::snif:
14. ravakamalala ( 15/12/2005 00:27)
fiffi > ka tsy mitovy akia ny olon drehetra a! hitan dry, isika zao kristiana, zava dehibe amintsika ny fanarahana ny sitrapon Andriamanitra, dia ataontsika izany.

Fa ireo olona ireo mety tsy nanadalina ny resaka fivavahana, mety tsy mahalala an Andriamanitra izy, fany fomban drazana no masina sy fanamperana aminy, ka nataony izay tokony hatao, ohatrantsika manao ny sitrapon Andriamanitra fa tsy ny fomban drazana.

nefa tsy azontsika melohina koa izy araka ny tenenin dry satria mba nalefany tany amin ny masera marina aza ny zanany.
15. Fiffi ( 15/12/2005 05:37)
ravakamalala: eny akia an! fantatro anie hoe tsy mitovy ny olon-drehetra e! samy manao izay ahasoa ny fiainany , ary marina ny andriko , tsy ho melohina aloha izy satria zany mba tsy fidiny ho azy no namelany ireo zanany , saingy ilay nataon'ny vadiny kosa aloha tena tsy rariny e! enga nie ka hiverina io vadiny io satria tena efa mba mafy ho an'ny ilay reny sy vady izao fanapahan-kevitra izao.
16. ravatorano ( 15/12/2005 10:36)
za zany raha nandalo tamin iny faritra atsimo antsinanana iny d taitra nahare sy nahita io fomban drazana tany io.Tena nomeny olona ilay zanany kamana nanao safidy izy roa ary olona tzsy iray foko amin dry zareo no nomeny azy asa raha mbola ao anatin ilay fomba izay.
Amitsika izay tsy manaraka ilay fomba dia maharary tokoa , izay anefa no izy ary efa nolovain dry zareo tamin ireo razambeny taloha izany ka mbola ampiharin ny taranaka aty aoriana.
Tsy mety na mety samy mahay mijery sy mitsara ary handray ny tokony hatao tsika
Zà manokana aloha tsy manaraka ilay fomba dia tsy mety amiko ilay izy eh:wink:
17. Fiffi ( 15/12/2005 14:47)
ravatorano: dia mitovy isika izany , izaho koa aloha tsy manaraka izany fomba izany ka maheno sy mahita izao zava-miseho izao dia tena malahelo tokoa ny tena indrindra fa efa reny koa ny tena. Mafy ny te ahazo fara-mandimby , matoa natao io dia tokony hizaka ny lanjany nefa moa.....
18. pitchou ( 16/12/2005 16:59)
ary ambadika ary r'ireto misy olona tena mandala ny fomba indrindra ny heverintsika ho tsy mety a!:evil:
19. diamondra27 ( 17/12/2005 07:11)
atao ahoana e! na de te hitaiza azy 5 aza le mme de ataony ahoana ny fikarakarana izany @zao andro sarotra izao, tsy aleo kosa ary ve nomena ny masera toa izay ariana eny anjordira toa ny ataon'ny sasany. Na ny sakafo na ny aretina sns... mila fieritreretana daholo zany, any tsy mba misy mpanampy izany ka aiza ary no ahitany vola omena zay mpanampy azy?

Ny vaovao tsara de velona soa amantsara izy 5, de tokony nandefa hevitra any @ guiness de record madame
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4925