mila sorona!

1. jentilisa ( 26/11/2005 08:13)
Zavatra mahavariana ahy eto Antananarivo.
milaza ho misy mahita fitrandrahana volamena sy vatosoa indray ao Ambohitrapeto Mahitsy ao. Dia ankalazaina indray hoe mila sorona io. Ary ny sosona dia olona.
Dia ny ataon'ireo mpitrandraka ao dia fanatitra bonbon sy akondro sy tantely. fa mandà kosa izy hoe tsy manao sorona olona izany.
Nahoana sa izaho no tsy mahare rehefa any ankafa tsy misy izany sorona olona izany fa eto Dago dia ankalazaina hatrany izany?
Sa heverina hoe fananam-bazimba ny vatosoa sy volamena dia izay no anaovana ny sorona mba tsy hahatezitra ny vazimba?
répondu par routa le 02/12/2005 07:11
2. sipagasy ( 26/11/2005 11:27)
wadray hihihihi fa efa taona 2005 anie isika e!!!! ihihi
3. lapino ( 26/11/2005 19:22)
Angaha moa ny vazimba mihinana olona?
4. dadabe ( 27/11/2005 16:25)
ary vao henoko vao haingana ity ,sady hitako t@ wanadoo humm,resaka sorona anie rajentlisa fomba fanaon'ny ekipan'i demony (Satana e) hatramin'izao e,rehefa te -hanakarena dia misy sorona atao ....ets..ets....(lava be raha tohiziko)
io izao no nibaribary fa ny hita hatramin'izay dia miafina ry zalahy manao azy ( ao ohatra ny franc macon-ny olona misy tromba -ireo mpitaiza olona -ny mpams-mpisikidy ...)
tsy misy hafa tsy ny herin'Andriamanitra ihany no mandresy ireo hery ireo

5. lapino ( 27/11/2005 18:27)
dadabe:
resaka sorona anie rajentlisa fomba fanaon'ny ekipan'i demony (Satana e) hatramin'izao e

Ho an'Andriamanitra no nanaovana sorona voalohany ka! Hatramin'ny andron'i Kaina sy Abela. Sady hoe koa: "Raha tsy misy ra latsaka dia tsy misy famelan-keloka". Avy eo moa samy nanao sorona ho an'ny andriamaniny daholo na jiosy na jentilisa.
Fa nony latsaka ny ran'i Kristy dia ampy hamelana ny heloky ny olombelona rehetra izay. Dia tsy mila manao sorona intsony ny kristiana (na jiosy koa io na jentilisa).
dadabe:
tsy misy hafa tsy ny herin'Andriamanitra ihany no mandresy ireo hery ireo

Rehefa maheno teny ohatra an'izao aho dia ohatra ny mahita hoe iny misy olona 'ndeh hihady vatosoa, dia baiboly no entiny, amin'izay hoe matahotra ny vazimba.
jentilisa:
Nahoana sa izaho no tsy mahare rehefa any ankafa tsy misy izany sorona olona izany fa eto Dago dia ankalazaina hatrany izany?

Mety ho tsy fandrenesana angamba hoy aho, satria moa mba hatraiza no re ny lazan'ny vazimba gasy, dia vice-versa. Raha ny fahitako azy manko, toa tafaraka foana amin'ny resaka surnaturel ny resaka tresor, na amin'ny angano, film, sns ...
6. Mifenty ( 27/11/2005 18:44)
saika nitovy tam hevitro ny navalin'i lery azy le.
7. sonwin ( 27/11/2005 19:26)
saika nitovy marina ny hevitry lisany
8. jentilisa ( 28/11/2005 07:08)
ny hevitra momba ny inona moa?
9. dadabe ( 28/11/2005 07:25)

Rehefa maheno teny ohatra an'izao aho dia ohatra ny mahita hoe iny misy olona 'ndeh hihady vatosoa, dia baiboly no entiny, amin'izay hoe matahotra ny vazimba.

izany le atao hoe mandray ambolony:°)
10. bichette ( 28/11/2005 07:49)
ary vao henoko vao haingana ity ,sady hitako t@ wanadoo humm,resaka sorona anie rajentlisa fomba fanaon'ny ekipan'i demony (Satana e) hatramin'izao e,rehefa te -hanakarena dia misy sorona atao ....ets..ets....(lava be raha tohiziko)

marina
ny resaka fanatitra Jesosy no rà nalatsaka farany ary efa vita mandrakizay tamin'izany ny resaka fanati-drà Atra tsy mitady rà alatsaka intsony fa izay resaka fanatidrà nna sorona dia hataky ny devoly satana daholo
11. pika ( 28/11/2005 09:44)
koa inona ntsony no lazaiko koa efa ireo doly kou ny tiko ambara :lol:
12. jentilisa ( 28/11/2005 15:57)
fa ilay tenin'i dadabe ao anaty efajoro tsy hitako an! avy taiza io?
13. lapino ( 28/11/2005 16:44)
avy taty :)
14. Mifenty ( 29/11/2005 09:49)
ka io koa anie azo foriporonina dolou ilay ao anaty efa-joro eh. hi hi

Tsisy madilana o tentenina leroa a
15. routa ( 30/11/2005 06:02)
de olona iza ary aiza de ho vonoina sahala ny mamono inona eo ve ? zavadooooza rey olona ooooo!
sao de zany le olona very sasany reny sa efa misy manolon-tena hoe ty aho ataovy sorona?
16. jentilisa ( 01/12/2005 15:56)
d ny mahakamo dia be ny olona manjavona! noho ny finoanoam-poana ve?
17. lapino ( 01/12/2005 19:52)
foo foo masina ve dia poa toy izay tsy hita teo ? 8O
Fa hafahafa zany kle! :? :?:
18. routa ( 02/12/2005 07:11)
zany tokoa ny sasany mino2 fona de ny sasany no maty :(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2221