Microphone

1. Eva ( 15/11/2005 06:24)
Mba toroy hevitra fa tsy mety mande ny microphone ko ! Omeko kadoa zay manome hevitra !:D
répondu par ds le 15/11/2005 17:32
2. LazaRandri ( 15/11/2005 06:26)
Soloy vaovao
3. ari.malala ( 15/11/2005 07:48)
hihihihi za ko vao naika hiteny we mividiana aky vaovao a
4. hery ( 15/11/2005 08:43)
Ny micro ve no tsy mandeha sa zavatra hafa? Raha ny micro mantsy no tsy mandeha dia tsy maintsy amboarina na soloina vaovao. Raha ohatra hoe tsy voarain'ny ordi ny feonao dia zavatra hafa izay.
5. jefra ( 15/11/2005 09:08)
Nandeha tsara ve ilay izy taloha (sur la meme config) fa izao tsy mandeh tsony sa izao ianao vao manandrana mampiasa azy?

Raha nandeh izy taloh nefa tsy nandeh tampoka dia na ilay mic no simba ka mila soloina, na ny contact no ratsy (pb fiche, fil tapaka eo ampototry ny fiche/micro) dia mila mahay mi-bricole.

Raha izao vao nandramana dia mety ny install no tsy mety, na lavaka tsy mifanandrify, na ... antony hafa.

Raha hazavainao tsara ny context d azoko antoka fa hisy hahazo valisoa ny namana.
6. xxx ( 15/11/2005 10:34)
fa inona alo le kadoa ko
:D
7. xxx ( 15/11/2005 11:05)
raha tsy diso aho ndraimpandeha zay ianao efa nanana io pb io, d efa novahantsika miaraka teto fa toa mbola niverina ndray e!
misy torohevitra reo fa araho e! kourazy foanany !

bye
8. estine ( 15/11/2005 11:59)
asio aro rora na ataovy izay tsy aha be rora anao tsony na aza avela mampiasa io 'zay be rora
9. danibe ( 15/11/2005 13:13)
tsotra be zany ry Eva, izaho spécialiste amin'io fa ento aty amiko dia hohitantsika eo ny tsy mandeha, hahahahahahahahahahaahahahahha.
10. Eva ( 15/11/2005 13:39)
Misaotra anareo mamaly ! manao essaie @ machine hafa aho de mety tsara ,fa rehefa lay ahy dia tsy mety ,ary ilay izy zao vao ho ampiasaina !
11. ds ( 15/11/2005 17:32)
Zavatra roa no mila jerena :
1) ny lavaka ampidirana ilay micro (mavokely na menamena raha tsy diso aho - rose)
2) tsy ny micro irery ihany no afaka mandray feo. Jereo ao @ contrôle Volume, Options/Propriétés, Enregistrement raha ilay micro no voafantina.
Raha misy lavaka mihoatra ny iray azo ampidirana micro (voatokana amin'izany), dia mbola hafa indray ny fandehana satria mety ampiasaina amina Dolby 5.1
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0914