hopitalim-panjakana hono

1. danibe ( 10/11/2005 21:06)
hopitalim-panjakana hono, tao A/be no niseho ny tantara, tena marina nitondra ny zaobaviko tao aho fa nanao sarotra izy tamn'zay dia voatery nodidina. vao tonga aloha dia efa takina aby ny zavatra rehetra, hatramin'ny lame tsy haiko anaovana inona? ny tena loza dia ity, vita ny operation dia tonga ilay rangahy anestezista hono, aiza ny tompon'ity marary ity? dia namaly ny tena hoe izaho, misy volako 3000 aminareo fa fanafodiko ny natao tamin'ny mararinareo omaly. gaga aho, nefa dia fanafody nefanay vola izao, angamba nisy fanafody hafa nataony antsokosoko tany. dia nataony toa izany avokoa hono ireo marary rehetra tao amin'ny hopitaly. namaly aho tamin'izay hoe mba omeo facture amin'izany fanafodinao izany ramose fa misy facture avokoa ny fanafody novidinay. dia hoy izy hoe: toa mba miseho ho be saina koa ilay ity. dia ny namako teo no niteny hoe: omeo azy ny volany fa sao dia ny mararinao no anaovany hadalana eo. orey olona a! fa ahoana e? mbola tsy ela io, misy olona manana fanafody manokana ve any amin'ny hopitaly ary nolazainy fa tsy misy manana an'io fanafody io hafa tsy izy. amiko dia io ilay fanafodin'ny hopitaly fa nataony anazy. misaotra nihaino ahy.
répondu par fijo le 01/12/2005 22:58
2. xxx ( 10/11/2005 21:13)
:(...mampalahelo be zany, mametraha fitarainana any amin'ny tomponan'andraikitra miady amin'ny kolikoly.
sw
3. Herimiafina ( 10/11/2005 21:16)
Tsy ao Bira irery fa na ao amin'ireo hopitaly lehibe eo Antananarivo, na any Morondava, na any Tsiroanomandidy aza de misy an'io toe-javatra io daholo.

Marina fa efa eo ny politikan'ny recouvrement des coûts fa de misy mbola manararaotra ihany koa ny mpiasa mamoaka fanafody ao amin'ny hopitaly amidiny mora amin'ireo client. Matetika izy ireny ambina fanafody tsy nampiasain'ireo marary teo aloha, na dons avy any amin'ny Akamasoa, sns.

Takio ny faktiora.
4. pika ( 11/11/2005 05:37)
raha sanatria maty ny havana ka misy ambina fanafody dia mody rebirebeny hoe ataonareo inona ireo fa mba omeo anay omena ny tsy manana na ho eto aty vidina mora ianao koa moa ve hitahiry an'iny hoy ny olona
dia ireny no hamidiny indray avy eo
5. Herimiafina ( 11/11/2005 05:50)
Ity koa zavatra fahita matetika, le cas desesperé ireny de mody ataon'ny dokotera hoe atao opération enao amin'ny alakamisy izao de mody asiany mividy fanafody nefa efafantany hoe efa ho faty fatsisy fika intsony.

Hi rassurer-na le fianakams fotsiny no anaovany an'io an.

De mividy tokoa le fianakams. Matetika ireny fanafody ireny tsy miverina.
6. pissoa ( 11/11/2005 06:52)
kay - zany lazain'i herimiafina izany kosa dia tena :twisted: :twisted: mihitsy eh
ary Antsirabe ve ilay A/be sa any an'inona izany? :roll:
7. Herimiafina ( 11/11/2005 07:11)
Ny tena mampahonena ary anie de le anaovan-dry zareo blagy le olona maty e, irahany maka tension ao ireny stagiaire ireny nefa efa maty le olona de mi-panika le stagiaire satria zero no affiché eo amin'ny tensiometre.
Le garde amin'io mbola eo an, de mahgita an'izany, de avy eo memezan-dry zareo. tsssss
8. ari.malala ( 11/11/2005 07:28)
ny mahakamo ko d ny any @ pharmacie n'ny hopitaly, mikotakita velona ohatran'ny gaigy le ol ao indrindra refa b ol milahatra iny ao ivelany ao,, d hay zay ko efa tratra t@ za nodidiana t@ herintaona, mivindavinda velona le dr, d nitsotra mints mo iz we ko nareo tsy manao an'le fatao ko aiza nareo no voaray tsara! d zay alo ts nanome anazy na ny ariary fa nisy dr tsara fanahy nandray ana ihany d vita ihany ny operation ako e, d wain b le nivindavinda avy eo... fa reny tena tokony torina mints!!!
9. Herimiafina ( 11/11/2005 07:51)
ari.malala an, le mivindavinda alou de normala satria misy lalàna mandrara ny dokotera tsyhifandray be loatra amin'ny marary tsaboiny (familiarité).

Momba le teny anataony njay de tsisy porofo raha tsy hoe olona maro no miara-mitory.
10. ari.malala ( 11/11/2005 08:19)
non, le tiko tenenina anie we tokony torina d le mangataka tsolotra ampahibemaso we tsy nanao an'le tokony atao e... fa le mivindavinda ts rahaharako satri tsy izy rery no dr nandray tao d ts rarahako!
11. jentilisa ( 11/11/2005 11:53)
indrisy, ilaina ny fikambanana @ zavatra toy ireny nefa tsy misy mety hitarika mihitsy!
12. ravakamalala ( 11/11/2005 14:44)
Danz be ry reto zany a! ary rehefa ny resaka fahasalamana sy ny fampianarana no mibolila, dia io mihitsy no tena ahitana fa mahantra ny tany iray.
dia raha tsy manambola zany ianao dia mahazo maty eo?:(
13. fasaly ( 11/11/2005 16:46)
ka atao ahoana fa tsy afaka hiady marina amina dokotera satria ny ainan'ny mararin'ny tena no lalaoviny eo! izay lay hoe fanjakan'ny baroa.
mahamenatra sy mahatsiravina ary mampivonto fo ka atao ahoana fa raha manana ny mamrary aloha de tsy maintsy mivonona amy ampy tsara raha any dago fa mateti-pitranga io e! mahereza re!
14. Herimiafina ( 11/11/2005 17:07)
Inona hoy nareo no fototrry ny loza? Banky mondialy sy FMI mi-forcer antsika hampiatra karazana politika santé sy éducation, izay nahatonga izany zavatra rehetra izany hirongatra, hehehehe:-D:-D:-D:-D
15. fijo ( 11/11/2005 21:34)
FA NGAH tsy hafaka mitory any amin'ny BIANCO ny olona tsotra??????
16. Herimiafina ( 11/11/2005 22:32)
Manahy mafy ny momba anlé Bianco kou zah marina? Toa voatsolotra kou le olona ao kou.tsssss
17. xxx ( 11/11/2005 23:32)
Za mahita hevitra. Maninona raha misy manao mody marary de mitondra magnetophone na camera cache de enregistrena. de misy maromaromaro manao an'zay. avy eo miara-mitory de ny sary na ny feo (ny tena tsara de sary) no porofo. zany mantsy no tena ilana an'ireny camera cache ireny fa tsy de ny "sangysary" loatra.
Raha mahita hevitra hafa de mba soraty e!
18. Herimiafina ( 11/11/2005 23:36)
Tsy aza atao porofo nefa hono ny sary sy feo noho ny fivoaran'ny teknolojia amin'izao de possibla misy manao montage.
19. jentilisa ( 12/11/2005 06:18)
nefa tahaka ny reko ihany izany raha hitory any amin'ny bianco!
Fa izao e, satria ve manana ny marary dia tsy afaka ny hiteny? matahotra sao maty eo ny marary?
Asa raha efa voavakinareo ilay nosoratako tao amin'ny vaovaotselatra iry. Fantarintsika hoe iza no ambonin'iny olona iny? dia aleo mitory any avy hatrany. Ny fitondrana marary marina fa tahotry ny hahafaty olona; saingy aleo mihafy manaiky izay sitrapon'izay tsy hiraharaha afa-tsy vola sa aleo manery ankolaka ilay olona amin'ny alalan'ny fitoriana azy amin'ny manam-pahefana?
20. fasaly ( 12/11/2005 12:02)
ka zao anie e! any amintsika zay mahery ihany aloha no matanjaka amilay tsy fahamatoran'ny lalàna sns..
ka de tsy afa-manoatra ny madinika. de hatao ahoana aza fa de tsy maintsy mandalo amizay alony raha manana ny marary kou!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4332