mangataka toro-hevitra

1. booboo ( 01/11/2005 20:57)
Mba mila toro-hevitra avy @ ireo zay mifanerasera @ olona "en fin de vie" na voan'ny aretina dernier stade (cancer, sida, etc.)ny tenako.

-Ahoana kay no ataonareo hihatrehanareo ny andavan'andronareo miaraka @ ilay olona marary ka tsy hitan'ilay olona hoe kivy ianareo na reraka ? Tsy te-hitsoaka aho akory fa ilay énérgie-ko mihitsy no miha-gli isan'andro !
-Inona no raha teneninareo rehefa miresaka momba ny fahafatesana ilay marary ? Matahotra izy manko.
-Ahoana ny ataonareo rehefa ilay tena marary velona iny izy ? Zaho mahatsiaro ho impuissante tanteraka manoloana ny fijaliany !
-Farany, ahoana no fomba ataonareo hanana "vie normale" ? zaho tena any foana ny saiko ary na @ alina aza manofy ratsy sy taitra tampoka foana !

Misaotra indrindra ho an'izay mamaly ary miala tsiny raha mahalana beeeeeeeeee zaho vao mandray anjara.

répondu par namanao le 20/12/2005 12:52
2. diamondra27 ( 01/11/2005 21:42)
voalohany indrindra aloha dia mampahery anao ny tenako fa tsy mora ny fizahantoetra( epreuve??) mahazo anao. Zay efa vitanao aloha de isaorana.
Amin'ny mahakristiana ahy de ankinoko @Atra ny aretin'ilay olona sy ny heriko zay mikarakara azy.Atra no tompon'ny aina ka tsy misy azontsika atao raha tsy ny manankina @ izao etamavesatrao izao, de mivavaha fa izy no nanome ny aina ary Izy ihany koa no maka azy.
Raha matahotra ny fahafatesana ilay marary de ampaherezo Izy fa Jesosy afaka hamonjy azy ka na dia ho faty aza izy de mbola hisy fanantenana aorian'ny fahafatesana de lay fiainana be de be sy mandrakizay jaona 3:16 ka ho fifaliana sy tsy hisy intsony ny fitomaniana , ady sy reo zavadratsy hita eto @zao tontolo zao.Raha mbola tsy nibebaka izy de mbola tsy tara akory;
Ny ataonao de ny mivavaka ihany mba hisy fiadanana ao amponao ary tsy misy afa-tsy Jesosy ihany no manome izany, ny vavaka no manova zavatra, manàna finoana.Apetraho ho Azy ny entamavesatrao izany no fanasana nataony Matio 11:28
3. diamondra27 ( 01/11/2005 21:56)
I korintiana15:26 ny fahafatesana no fahavalo farany ho resena ( manasa anao hamaky ny 1 kort 15 rehetra )
4. Veloo ( 01/11/2005 22:54)
booboo a, ny ahy dia lazaiko momban'ny baiboly otran'ny lazain'i Diamondra io ko... io ihany ny fanantenana ho azy aky a
5. Herimiafina ( 02/11/2005 01:56)
booboo:

Mba mila toro-hevitra avy @ ireo zay mifanerasera @ olona "en fin de vie" na voan'ny aretina dernier stade (cancer, sida, etc.)ny tenako.

-Ahoana kay no ataonareo hihatrehanareo ny andavan'andronareo miaraka @ ilay olona marary ka tsy hitan'ilay olona hoe kivy ianareo na reraka ? Tsy te-hitsoaka aho akory fa ilay énérgie-ko mihitsy no miha-gli isan'andro !
-Inona no raha teneninareo rehefa miresaka momba ny fahafatesana ilay marary ? Matahotra izy manko.
-Ahoana ny ataonareo rehefa ilay tena marary velona iny izy ? Zaho mahatsiaro ho impuissante tanteraka manoloana ny fijaliany !
-Farany, ahoana no fomba ataonareo hanana "vie normale" ? zaho tena any foana ny saiko ary na @ alina aza manofy ratsy sy taitra tampoka foana !

Misaotra indrindra ho an'izay mamaly ary miala tsiny raha mahalana beeeeeeeeee zaho vao mandray anjara.

Tsotra dia tsotra, sois toi-même, miresaka amina olona marary de izay fa aza manao cinéma, na toetra namboarina satria hoe hampifalifaly azy.


6. pika ( 02/11/2005 04:42)
tsy misy afatsy ny mihezaka manatanjantsaina sy mivavaka mandrakariva ary mivonona @izay rehetra mety hiseho
ianao ve tsy mahatsapa fa an'isany mety ho fahasambarana ho azy ny fahafatesana miarka @ i Kristy izay tsy hahenoiny fangirifiriana sy fijaliana intsony
mangala pretra na pastera na .... hanampy hankahery azy @ alalan'ny tenin'Atra ....
mahereza mihezaha mifali2 mandrakariva ianareo oh hoe mihira mba manao resaka mampihomehy ...
7. xxx ( 02/11/2005 07:39)
i mamanay voan'ny cancer - ary na ny mandeha any amin'ny hopitaly aza tsy tantiny intsony satria mihita ny olona marary toa azy izay ... ny sasany efa tena rava endrika.

booboo:
Ahoana kay no ataonareo hihatrehanareo ny andavan'andronareo miaraka @ ilay olona marary ka tsy hitan'ilay olona hoe kivy ianareo na reraka ? Tsy te-hitsoaka aho akory fa ilay énérgie-ko mihitsy no miha-gli isan'andro !

na efa eo ampandriana aza izy - dia ezahiko tsy ampahatsiahivina azy hoe marary izy ... hanihaniana lava - hitantarana zavatra mampihomehy be foana. amin'izay koa mantsy na izaho aza mba mivanitika :-D sady izaho rahateo moa mpananihany lava!

booboo:
-Inona no raha teneninareo rehefa miresaka momba ny fahafatesana ilay marary ? Matahotra izy manko.

mitovy amin'ny voalaza ery ambony. ezaho ampaherezina izy. nefa aza mijanona ela loatra amin'ilay resaka - sao hitomany koa ianao no farany. raha vao misy occasion dia tarito ny conversation ... zavatra hafa resahina, mahafaly, mampihomehy ... fa aza atao fantany hoe tsy tianao hiresaka otran'zany izy.

booboo:
-Ahoana ny ataonareo rehefa ilay tena marary velona iny izy ? Zaho mahatsiaro ho impuissante tanteraka manoloana ny fijaliany !

tsy dia azoko ilay hoe marary velona ... ilay mijaly be iny ve? rehefa amin'iny indray izy dia mba omenao hery koa e. ny ahy ny fataoko dia lalaoviko ny tanany - na tsindritsindriko ny tongony ... izy mantsy hoy izy marary be ny lamosiny - ny vanintaolany ...

booboo:
Farany, ahoana no fomba ataonareo hanana "vie normale" ? zaho tena any foana ny saiko ary na @ alina aza manofy ratsy sy taitra tampoka foana !

normale be ilay reaction-nao. ianao ve sportive - na tia mozika ... izany ny ahy no tena fanalako azy. dia mba manana occupation be dia be ... raha vao mipetrapetraka dia lasa foana ny saina.

mila erintsaina ka mahereza. :lol:

herimiafina:
Tsotra dia tsotra, sois toi-même, miresaka amina olona marary de izay fa aza manao cinéma, na toetra namboarina satria hoe hampifalifaly azy.

tsy mety re ah. ny aretim-batana mamely azy - dia ny adintsaina koa mamely azy isan'andro. falifaly aza ianao resahiny foana hoe ... ahoana ianareo raha maty aho ... ahoana ireo zandrinao ireo ... bla bla bla -
maika ianao hampiseho adin-tsaina aminy.
8. booboo ( 02/11/2005 10:42)
Diamondra sy Veloo > misaotra @ toro-hevitra ara-panahy.

Herimifiana > Re- tsy mety re ah ! satria raha asehonao azy hoe kivy sy reraka ary malahelo azy enao dé hahazo sacré coup ny moral-ny dé hiha-pire ny état-ny avy eo ! "Je prends beaucoup sur moi-même" ary izay lé mampa-reraka ara-batana "à la longue".

Pika > efa misy relijiozy ( zany mou fiantso an'ireny ?) reny tonga ao aminy tsindraindray. rehefa mba metimety ratsiratsy iny ny fahasalamany dé miaraka mijery série Tv iraika zahay mianaka. Falifaly izy @ iny fa avy eo hitako tena reraka beeeeeeeeeeee mitsy izy dé midina miaraka à zay koa ny moral-ko ! terrible !

xxx > Enga anie zà mba hahay hihoitra io raha io tahaka anao lé ! Ny vatany tsy azo kasihina mihitsy fa mbola main'ny rayons aby iny ambony rehetra iny nefa any no tena maharary azy tampoka. Ny lohany koa fa sensible beeeeeeeeee koa iny faritra iny dé tsy avelan'ny dokotera kasihina na safosafoina fotsiny aza ! tsy tantiko mitsy mahita an'azy mi-se tordre de douleurs sy mikiakiaka nefa zà tsy afaka manao n'inona n'inona akory !
Na manao activités maro beee noho ny teo aloha ara zà zao dé tsy mety fa tsy maintsy mieritreritra an'azy foana ( sao gli tampoka ao, sao te-hi-pipi izy na te-hisotro rano na tsy mety ny ondany...) dé zara raha mankafy zay ataoko zà !
9. ravakamalala ( 02/11/2005 11:08)
Misy boky zay akia booboo hitako hoe tsara momba an io resak io raha ohatra ka tia mamaky boky ianao, Elizabeth Kubler Ross no nanoratra azy, ary ny bokiny dia momba io resaka io mihitsy , ny fiarahana miaina amin ny olona en fin de vie, misy iray izay efa novakiako La mort, derniere étape de la croissance.

dia omeo fitiavana foana foana izy.
10. fredo ( 02/11/2005 14:51)
zaho dia mitovy hevitra @ zay voalazan'i Diamondra. Mankahery anao tsy ho kivy na ketraka amin'izao fitsapana hatrehinao izao. Ny teny ampaherezako anao sy ilay marary dia izay voasoratra manao hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena,..........fa matahora kosa izay afaka momono ny fanahy.Ankino @ Atra ny fiainanao sy ny anilay marary fa izy no efa nilaza fa na ny volondohantsika aza dia efa voaisany avokoa.Tadiavo ary izy raha mbola tsy nandray an'i Kristy ilay marary na ianao fa mbola tsy tara mihitsy dia ho hitanao fa ho zary maivana izao entana mavesatra hatrehinao izao ry booboo a! Ary ty no tena zavadehibe indrindra na inona na inona hitranga eo dia misaora mandrakariva fa izay no sitrany ao amin'i Kristy ho azy.
11. Veloo ( 02/11/2005 18:42)
ie zay mihitsy ka
12. diamondra27 ( 03/11/2005 08:12)
@ MAHAOLOMBELONA ANTSIKA INDRAY DE TSY MAINTSY MIAFY ( NY @ ARETINA MANOME FOFONA NO LAZAIKO ETO).Atao ahoana fa ny malagasy de tia manefa adidy ka zay adidintsika ny mi-accompagner ilay olona marary hatr@ny farafofonainy, koa aza ovana ny vitanano fa tohizo ary mahereza fa izay ihany koa no hampahery le marary mahita anao courageuse, sy plein de joie (na de afeninao aza) et sois toi-même fa aza mihatsaravelatsihy zany hoe: miresaka zavamisy, miaramijery télé, na miaramamaky boky nareo , na miaramivavaka, surtout ampaherezo le olona mba tsy atahotra ny fahafatesana fa zany no fiainana.De ambarao aminy fa tsy miova ny fitiavanao azy na de malemy toa izao aza izy. POSITIVE e!
zay an ! bon courage pour Booboo et les namana dans même cas
13. adidy ( 03/11/2005 13:47)
Mitovy hevitra @ ireo namana nanoro hevitra aho @ fivavahana ary mankahery anao mandrakariva.
Misy hevitra kely vitsivitsy tiako hambara:
raha efa fantatrao fa tsy ho sitrana ilay olona ary efa fotoana fohy ny hiarahana aminy, dia araroty ny miresaka sy miteny aminy izay rehetra ao am_ponao, ny fitiavanao azy, tanisao daholo ireo fahatsiarovana rehetra tsara niarahanareo. Tsy fantatro hoe iza aminao ilay olona;
Manaraka izany, dia eo @ endrika ivelan'ilay olona, matetika rehefa marary ohatra ireny dia mijaly ilay olona hoe izy jejojejo taloha dia jereo sisa, dia ezaho ny akanjony ho tsara, ny volo , ny maquillage mba manome loko kely(raha vehivavy),
dia jerena tsara ny installation-ny ,raha afaka dia avadibadika,mba tsy ho voan'ny escarre izy, somary atao massage effleurement(safosafo), mba hisorohana ny escarre sy hiarovana ny hoditra, raha misy crème hydratante ohatra à l'amande douce...
Dia ezahina ary resahina @ dokotera ny fanaintainana(douleur), misy ny fanafody mampitony ny fanaintainana, mandeha par pallier ary matetika rehefa stade terminal izany, dia à base de morphine, aza matahotra hoe à base de morphine fa natao ho an'ny aretina ohatra izany ny morphine, dia miakatra miandalana ny fatrany mandra-pahita izay dose manala ny fanaintainany. Misy forme samihafa koa ao ny ohanina ao ny patch soloana isaky ny telo andro, tsy maintsy resahina @ dokotera. Mahereza.
Dia eo koa ny sakafo, matetika ny olona marary ohatra izany malain-komana, dia anontanio izay mba tsaroan'ny vava, par petite quantité, aleo matetitetika toa izay plateau be indray hita, na dia dessert fotiny ary indraindray(yaourt,crème...)
Dia ny vava mila diovina matetika.
14. fijo ( 03/11/2005 21:47)
raha ny fahalalako azy dia miasa amin'ireny booboo.
ka izao,
raha toa ka tsy havana le marary;dia fadio ny mifandray am po be aminy.ny tiako lazaina tsy hoe tsy raharahiana izy,fa tsy atao ampo loatra ny fifandraisana aminy,fa manjary enao indray no simba.
raha toa ka havana kosa le marary,
dia tsy haseo azy fa resy koa ianao.ary mba mihezaka kely koa,mijery ny fiainanao,fa ny azy efa tsy misy antenaina intsony.
raha miresaka fahafatesana izy,dia aza matahotra miresaka aminy,ary omeo toky izy,fa ny fahafatesana dia lalana iray mankany amin'ny filaminana,ka tsy tokony atao ampahatahotra loatra.
tsy be resaka aho,fa vao avy nandalo izany.izay no tsy naha teo loatra ahy tato hoato.
dia mahereza e
15. Veloo ( 03/11/2005 22:17)
booboo a henoy ny ray amandreny tsika io e:-D:-D
16. fijo ( 03/11/2005 22:23)
leeeeeeeee,izay le tsy mety.tsa hilaza zavatra tsotry ahako re izao ko.
17. diamondra27 ( 04/11/2005 13:54)
de mba asio ranomanitra sy maquillage koa raha vehivavy e! raha tsy allergique sy mbola mety. Tsy ovaina ny fombany fa tohizana hatrany
18. chipie1 ( 04/11/2005 16:48)
diamondra27 sy veloo > de aona raha olona tsy mivavaka lé olona tsy mpino no resahanao ny fivavahana eo tsy vao maika ve hahatezitra azy ?
booboo < za mitovy hevitra aminy fijo eto ! aza aseho anlé marary ilay faharesenao ...
19. Veloo ( 04/11/2005 18:46)
Chipie a, tsy misy atahorana aky izany a njy nilaza an'azy ny zavatra tokony ho fantany, vita ny adidin-njy an'azy sisa no mieritreritra...:wink:
20. fijo ( 04/11/2005 23:03)
veloo raha za tsy mino ity ve no resahana izany andriamanitra izany ataoko inona?fa resao kaly aho,fa izay no hilaiko.
izay mihintsy ry chipie an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3215