mangataka toro-hevitra

21. diamondra27 ( 05/11/2005 14:29)
raha tsy mpino le olona de teneninao tsotra fotsiny izy hoe tsy mampaninona anao ve oe ny resahako Atra aminao fa mba nisy olona niresaka ahy ity Atra ity ka sao mba hanampy sy hahasoa anao. De araka ny valinteniny no anohizanao azy na tsia.
Ka le izy matahotra fahafatesana manko no nampatonga ahy hiteny io Atra io satria rehefa mino an'Atra de misy ny fanantenana ka tsy tokony hatahotra fahafatesana.
22. mirabel ( 05/11/2005 17:03)
mety hiova ihany koa ilay olona raha tsy mpino sady tsy voatery ho ratsy foana ange ny fahafatesana raha resahana e oh mety ho "délivrance" tsy hijaly intsony (raha mivavaka )
@ maha olombelona dia afaka miresaka @ olona ianao hanamaivana anao na koa mijery psychologue
aza kivy fa zaka matoa tonga aminao
23. fijo ( 08/11/2005 23:18)
dadanay izao tsy nino koa,nefa tsy mba natahotra izany resaka fahafatesana izany izy.
24. diamondra27 ( 09/11/2005 14:51)
occasion ho azy io ary mety ho izay no fiasan'Atra mba hampino azy fa de vitao ny adidinao, ilazao ny fitiavan'Atra izy fa tsy misy atahorana izany.
25. fijo ( 09/11/2005 21:17)
hanaovy tantara mahafaly izy e.
26. harinantso ( 26/11/2005 15:21)
booboo:

Mba mila toro-hevitra avy @ ireo zay mifanerasera @ olona "en fin de vie" na voan'ny aretina dernier stade (cancer, sida, etc.)ny tenako.

-Ahoana kay no ataonareo hihatrehanareo ny andavan'andronareo miaraka @ ilay olona marary ka tsy hitan'ilay olona hoe kivy ianareo na reraka ? Tsy te-hitsoaka aho akory fa ilay énérgie-ko mihitsy no miha-gli isan'andro !
-Inona no raha teneninareo rehefa miresaka momba ny fahafatesana ilay marary ? Matahotra izy manko.
-Ahoana ny ataonareo rehefa ilay tena marary velona iny izy ? Zaho mahatsiaro ho impuissante tanteraka manoloana ny fijaliany !
-Farany, ahoana no fomba ataonareo hanana "vie normale" ? zaho tena any foana ny saiko ary na @ alina aza manofy ratsy sy taitra tampoka foana !

Misaotra indrindra ho an'izay mamaly ary miala tsiny raha mahalana beeeeeeeeee zaho vao mandray anjara.



:?slt! tena mafy tokoa aloha ny miatrika ny aretina toy izany anefa ity misy soso-kevitra kely ihany, marina aloha fa resaka cancer zany dia sarotra ny mitsabo azy saingy tsy maintsy miatrika ianao ataovy ampitiavana sy ampitsikiana izany ary mivavaha foana fa hain'ilay mpamorona ny mandahatra ny zava-drehetra ampaherezo lalandava izy ataovy tafalentika ao an-tsainy fa mbola mitsabo azy ianareo ary miezaha foana tsy ho sosotra eo anatrehany, rehefa miresaka aminy ianao momba ny fahafatesana dia tsory aminy fa lalana tsy maintsy ho diavin'ny miaina rehetra io fa saingy samy manana ny andaharan'ilay Nahary antsika izany.
Ny hiatrehana azy indray r'efa misy krizy be iny, mino a fa misy fanafody hicalmena ireny cancer ireny r'efa tena tonga @ stade ambony be izy, toin'ny morphine oh! betsaka ny fanafody micalmer an'ireny @ izao fa aza kivy na izany aza!
:P Ny atao indray mba hanana vie normal, ianao ve dia tsy mba misy olona mitsy afaka mba mifandimby aminao hiatrehanao ny fiainana hafa ankoatran'io aretina io? ra misy ireo olona ireo dia alamino ny fotoana ahafahana manana fiainana norm. ra oh moa tena tsy misy io olona io, dia izay sarotra ihany fa ianao ihany koa no tokony ahalala izany aiza ve dia tsy mba misy creno kely ve eo aminao?
oh: mba mandeha manala aza kely any @ ireny fety isan-karazany ireny na cinema io na zavatra hafa ra toa ka misy azo anaovana izany ianao ihany no mahalala azy.
Izay no mba toro-hevitra kely azoko anampiana anao fa mahereza ary aza kivivivy izany fa lalan'ny fiainana ny tsara sy ny ratsy fa ny fahaizana mifehy azy anjary ho zaka daholo no ataovy fototra hiainana dia ho hitanao fa ho fahatsiraovana fotsiny izay nandalo.
Raha tsy diso za tsy mipetraka eny Ilanivato ve ianao io
Mahereza hatramin'ny farany r'ise a!
Dia mirary fahasalamana ho an'ny tsy salama sy fatanjahana ho anao mitsabo koa
Mandrapihaona

27. stanl ( 06/12/2005 08:22)
salut booboo ! ny zavatra lazaiko anao dia izao
ny zavatra rehetra dia hain' ANDRIAMANITRA NY manova ny rehetra ka mivavaha ary mahereza fa ANDRIAMANITRA dia tsy mandao izany mahereza akia an ! (l)
28. namanao ( 20/12/2005 12:52)
mitovy fijery amin'i stanl za.
Ny tena mampahory anao sy ny marary dia ny tsy fanana fanantenana intsony.
Booboo ah raha mino an'Andriamanitra sy mahita ny teny fikasana ao amin'ny Baiboly marobe ianao sy izy dia hitoetra ny fanantenana ka dia ho tohitra ny hakiviana.
Sady zany aretina zany mino aho fa ho sitrana zany, Amen, amin'ny anaran'i Yeshua(jesus)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0423