Pôlitika vaovao

1. sambatra ( 26/10/2005 12:03)
Salama ny Namana rehetra,

Ampitiavana be no anoratana sy izarana ny eritreritra aminareo. Namako daholo na dia ny mpakahala ahy goavana indrindra aza.

Hatramin'izay, ny zava-nisy tao Dago dia mitady hatrany izay hanalana ny mpitondra amin'ny toerany. Tsy mbola miova izany hatramin'izao. Fantatsika tsara fa latsaka an-katerena ary lalina dia lalina tokoa ny Tanindrazantsika. Tsy ho fotoana vetivety no hanarina izany. Taona maromaro mihitsy ary tsarovy fa tsy isika izao ankehitriny izao no hioty ny vokatry ny fiovana fa enga anie ka mba ho efa anisan'ny mioty izany ireo zanantsika.

Ny soso-kevitro ary dia izao : ireo izay tsy eo amin'ny fitondrana ka mitady lava ny hahazoana toerana aloha vao mieritreritra ny ho afaka manao zavatra, maninona moa raha ovaina indray ny fomba fanao ka mitady izay fomba hahatafitan'ny hevitra eo amin'ireo mpitondra am-perin'asa fa tsy mitady ny hanongana azy ireo lalan-dava???
répondu par zakilinina le 01/11/2005 20:17
2. jentilisa ( 26/10/2005 12:54)
marina izany saingy tokony hihaino ny fitarainam-bahoaka ihany koa ny mpitondra fa tsy hanao bemarenina! tokony hanazava ny antony fa izaho mahita hoe ny resaka jirama no mety ho singa-bolo handavo ny vositra raha izao no mitohy!
Toa hita hoe azo aongana tsara ny fitondrana amin'izao fotoana izao satria tratra eo amin'io sahatra iray io. Fandrika mivelatra ho azy ny resaka jirama raha tsy mitandrina izy. Fihaikana anie tsy misy tahaka izany hoe raha hijanona ny delestazy dia @ 2007 angamba. Midika izany fa raha mbola Ra8 no mitondra dia hitohy indray io ka any @2012 indray voa eritreretina ny hahatapitra izany delestazy izany!
3. sambatra ( 26/10/2005 14:02)
Ka zavatra ohatr'izay indrindra ilay mahatonga ahy hoe tsy ny hanongana ihany no tanjona raha vao misy tsy mety. Tadiavina izay fomba hahatongavan'ny hevitra eo aminy satria efa lanim-bahoaka aloha izy. Rehefa tonga indray ny fifidianana manaraka ka hita fa nanana hevitra tsara ny mpanohitra ary nahatafita izany ka tontosa dia tsy ho adala angamba akory ny vahoaka ka mbola hifidy ny tsy mahomby indray.
4. mandrindra ( 26/10/2005 14:56)
Tsara tokoa ilay hevitra ry sambatra, fa saingy rehefa mitampitsofina sy maso ny mpitondra inona moa no zavatra azo atao. Ary raha maka mégaphone ianao mba hilazana azy mafimafy kokoa dia mety ho voasambotra indray.
Noho izany ny ezaka tsy tokony ho avy amin'ny mpanohitra ihany fa avy amin'ny mpitondra koa.
5. Herimiafina ( 26/10/2005 15:45)
sambatra:

Salama ny Namana rehetra,

Ampitiavana be no anoratana sy izarana ny eritreritra aminareo. Namako daholo na dia ny mpakahala ahy goavana indrindra aza.

Hatramin'izay, ny zava-nisy tao Dago dia mitady hatrany izay hanalana ny mpitondra amin'ny toerany. Tsy mbola miova izany hatramin'izao. Fantatsika tsara fa latsaka an-katerena ary lalina dia lalina tokoa ny Tanindrazantsika. Tsy ho fotoana vetivety no hanarina izany. Taona maromaro mihitsy ary tsarovy fa tsy isika izao ankehitriny izao no hioty ny vokatry ny fiovana fa enga anie ka mba ho efa anisan'ny mioty izany ireo zanantsika.

Ny soso-kevitro ary dia izao : ireo izay tsy eo amin'ny fitondrana ka mitady lava ny hahazoana toerana aloha vao mieritreritra ny ho afaka manao zavatra, maninona moa raha ovaina indray ny fomba fanao ka mitady izay fomba hahatafitan'ny hevitra eo amin'ireo mpitondra am-perin'asa fa tsy mitady ny hanongana azy ireo lalan-dava???



Zany ahay olona sady mahita olana no mahita solution. tsy matahotra ny hijabaka amlé solution na mety ilay izy na tsy mety, izany mintsy no ilaina e.
6. zakilinina ( 26/10/2005 20:12)
Marina indrindra ny voalazan'i Sambatra.
Raha tsy avela hamita hatramin'ny farany ny asany izay mitondra eo dia tsy handroso mihitsy ny firenena.
Mba ajanony re ny resaka tetezamita sy fanonganana fa rehefa tsy mahavita azy ny filoha dia hiongana ho azy amin'ny alalan'ny fifidianana izy afaka 2 taona.
Ny mampanahy ahy mantsy dia izao : lazaina fa tsy mahavita azy izy kanefa notsembatsembanana tsy navela hiasa ara-dalàna.
7. maditra ( 27/10/2005 01:02)
Tsssssss, na efa tsy misy harapaka eo ve dia mbola hiaritra ihany. Sao dia tsy mety indray izany. :-w
8. jajaf401 ( 27/10/2005 10:47)
Sao de mba tsy nitaraina akory ny vahoaka fa ny mpanohitra ihany no efa nitaraina!!!
Raha ny fahitako ny resaka mifandimby etsy ambony aloha misy hoatry ny mitaraina ary misy koa ny mbola tsy nitaraina akory eh!

De raha nitaraina ny vahoaka, tany @ mpitondra sa tany @ mpanohitra??
:-D:-D
:-D:-D
:-D:-D
:-D:-D
9. kitjo ( 29/10/2005 16:30)
Sambatra> marina iznay fa hevitry ny olona misaina..

Ataoko angamb afa tsy hoe manampitsofina ny mpitondra fa mahalala ny zava-misy ry zareo fa mitabataba lotra ny mpanohitra ka manjary hanao ady antsena no sady hifamaly @ adala..

Raha toa ahy aloha dia aleo miezaka miasa mangina fa ny Asa Vita no Ifampitsarana ozizy le ol zay!

Fa ny tena sosokevitra mety dia io lazain' i sambatra io, @ zay re kokoa koa ny antson' ny vahoaka

Jereo fts ny conference nationale tsy efa impiry ry zareo no nilaza hanao zavatra?
Vao programa fts aza no natao hoe transition sns...h@ zao tsy misy tanteraka..koa indrindra fa ampitondraizana fanjakana hanatanteraka projets sns?
Tsy ady saritaka ao ny azy mianakavy?

Mbola vao olona firy no anatin' ny 3N dia efa tsy mitovy hevitra dia mifandiso dol ze atao k raha hiampy ny mpiasam- panjakana sy fifandraisana @ vahoaka dia tsy haiko intsony
10. zakilinina ( 30/10/2005 20:58)
Tsy ampy famatorana ny mpanohitra eto Madagasikara.
Mampalahelo izy ô !
Ny mpanohitra any amin'ny tany mandroso anefa dia tena loharanon-kevitra mihitsy. Ny ambom-po fitadiavan-tseza aza mandefitra raha tsy amin'ny fotoam-pifidianana. Mazava loatra ny fomba fisainana any :
ny fanoherana tsy midika hoe fanonganana
11. jentilisa ( 01/11/2005 13:15)
Izay mamoaka sy mahay maneho ny programan'asany no mendrika jerena, f'izay miteny hoe tsy hiteny izany izahay fa hataonay tsimbaratelo izany dia na tsy manana izy na tia tena heveriny fa izy ihany no mahatkatra ny heviny.
12. zakilinina ( 01/11/2005 20:17)
Ny progamanasan'ny mpanohitra anefa dia mihanona fotsiny amin'ny fanonganana sy ny tetezamita.
Aiza re izany ê !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.196