jiro

1. zefalah ( 02/10/2005 14:36)
tsy aiko zay asina an'ty soso-kevitra ity,ka de aleo ataoko ato...na tsy mety aza.
fa!!! inona kay ny antony lehibe mahatonga ny jiro ao antananarivo tapaka lava?
inona no tena antony? ary moa ve tsisy sosokevitra mba anafoanana an'io fahatapahana io?
de misaotra na de tsisy amaly aza.
répondu par pika le 14/10/2005 12:52
2. saho ( 02/10/2005 15:08)
Ny fandinihako azy dia misy olona chef be te hanao sabotage ny jirama ao satria tsy miraharaha ny fitondrana ataon'i Ra8 na tsy te hahalala ny ministra milaza ny didy midina sns...

Izany hoe misy te hanakorontana ny fiainam-bahoaka ao Tana ao @ totohotra miakatra ao...

Na koa mitsitsy herin'aratra ny chef ao @ jirama...

Tena tsy misy mijery TV intsony izany raha tsy manana aggregateur mpamokatra herin'aratra ho anao samirery @ tokantranonao...tena mampalahelo ilay fisainana...mbola ela Mcar vao tafavoaka @ izany hoe fiainana miadana sy milamina izany...Tena mampite hiteny ratsy mihitsy ny fomban'ny Chef sasany tsy te hahalala ny atao hoe discipline...

Fa inona tokoa moa no atao hoe Discipline fa tena tsy misy tokontaniny ny fiainam-bahoaka samy manao ny danin'ny kibony na ny mpitondra na ny vahoaka ve?

Ny mpanelanelana moa dia manaraoraotra ihany...

Hivavaka ho azy isika rehetra fa tsy fantany izay ataony...
Mazotoa daholo ary na dia labozia aza no hiafarana...miverina t@ taona 1900 fa tsy mandroso intsony...
3. boubounezy ( 02/10/2005 16:14)
mazava ho azy fa tsy ampy fitivana! ka ra mbola @ zao 2005 zao no mbola misy zany dé éfa tena ry zareo ao @ politika ao no tsy miasa lou @ zany na kou tsika gasy efa zatra ty kely ka tsy miraharaha ny zé zava miseo any @ tsy ananany interêt any

zefalah:

tsy aiko zay asina an'ty soso-kevitra ity,ka de aleo ataoko ato...na tsy mety aza.
fa!!! inona kay ny antony lehibe mahatonga ny jiro ao antananarivo tapaka lava?
inona no tena antony? ary moa ve tsisy sosokevitra mba anafoanana an'io fahatapahana io?
de misaotra na de tsisy amaly aza.

4. pika ( 03/10/2005 05:06)
olona tsy miraharaha andr8 hoe sy te hisabotazy????
dia nahoana aza ny any Antsirabe no tsy mba misy délestage? satria ao ny orin'asa TIKO
nahoana koa ny misy ny MBS, ny eny FARAVOHITRA, misy ny pdr8, Mahamasina .... no tsy tapaka????
aza mety ho voafitaka izany e
5. vahiny2004 ( 03/10/2005 13:15)
raha ny fahazoako azy, dia antony 2 :
- olana vola sy fitantanam-bola, lafo loatra ny solika manodina ny milina mamoaka herinaratra,
- efa antitra dia antitra ny milina ka tsy mahazaka manome herin'aratra ho an'ny rehetra

ny resaka politika aloha tsy haiko indray e.
6. Herimiafina ( 04/10/2005 01:05)
Lehibe ny tananan'Antananarivo, efa centrale hydroélctrique efatra (sa dimy akory0 be izao no mamatsy herin'aratra ao.

Mandeha amin'ny turbine sy alternatera izy ireny ary ny turbine dia ny rano mandeha no manodina azy.

Indrisy anefa fa miakatra ny lit des rivières na ny fonds ny renirano ka mihakely ny débit ny rano. Ny antony dia misy érosion, midina ny niveau ny rano noho ny fahasimban'ny tontolo iainana.

Etsy andanin'izany, efa antitra ireo fitaovana ampiasaina (fanjanahantany) ka tsy voakojakoja araka ny tokony ho izy intsony, faible rendement énergétique.

Misy groupes na générateur mandeha gasoil koa anefa any amin'ireny centrale thermique ireny, ka io no tena miasa ankehitriny noho ireo olona voalaza etsy ambony iretsy.

Miakatra anefa ny vidin'ny solika, ny budget prévisionnel tsy miova satria kely ny vola miditra, ny fanjakana koa tsy mahaloa ny volan-jirony amin'ny Jirama, hany ka voafetra ny gasoil azo vidiana.

Tsy maintsy manao controle optimale izany ny Jiranma na Recherche opérationnelle, hi-optimiser-na ny gasoil misy.

Tsy nahena anefa ny isan'ny tokatrano vatsiana jiro fa notazonina hatrany saingy ny ora hanomezana an'izany isan'andro no nahena.

Efa noheritreretina ny hampiakarana ny vidin'ny jiro saingy mety hitarika korontana izany dia aleo atao systèeme de rotation ny famatsiana azy.

Any amin'ny tanana sasany dia tsy misy probleme satria tsy dia betsaka koa ny mampiasa jiro.

Favy tokoa ireo mpiasan'ny Jirama ireo, misaina, saingy "on ne guerrit pas une maladie en agissant sur les symptomes, on guerit une maladia par sa source".
7. Kotity ( 04/10/2005 10:54)
Zarako aza mba misy an'ity resaka mandeha ity ato, fa efa tena mila hampiteniteny foana mintsy ity jiro tapaka isan'andro ity.
Efa nampiakarina ny vidin'ny jiro ry Herimiafina a!
Ary ny tena tsy zakan'ny saiko dia,300m miala @ trano misy ahy, dia tsy tapaka mintsy ny jiro satria misy manampahefana hono any @ io faritra io.
Dia mba alaivo sary antsaina @ zany ny hasosorako isankalina mitazana eo ambaravarakely aho, miaraka @ labozia dia mitsetsetra fotsiny mahita ny tananan'olona mazava tsara ery. shhhhhhhhhhh
8. Kotity ( 04/10/2005 11:03)

9. Kotity ( 04/10/2005 11:04)

10. Herimiafina ( 04/10/2005 13:45)
Sao ry kotity de misy groupe elektozena ao amin'i tananan'i takaka?:-D

hay ve efa niakatra e. Ny olna koa anie dia mbola misy impot alain,ny commune urbaine ao amin'ny vola aloha amin'ny jirama e. Impot fonciere sur les propriétés batis angamba izy izay sa diso aho?
11. xxx ( 05/10/2005 23:34)
aty aminay raha vao tapaka 1h fotsiny ny jiro dia mandray onitra 1350000Fmg farafahakeliny ny isan-tokantrano. Vidin'ny sakafo ao anaty vata fampangatsiahana hono, ny fitaovana hafa simba mbola resaka hafa.
12. Herimiafina ( 06/10/2005 01:54)
Fa aiza ny any amin'i xxx io?
13. LazaRandri ( 06/10/2005 02:21)
Somary mahatsikaiky ihany izy ity fa sahala amin'ny hatsikana e!

LEBENSLAUF / CURRICULUM VITAE / RESUME

Name: Ramiaramanana, Patrick
Beruf: PCA JIRAMA
Studium: Universitaet Darmstadt
Spezialitaet: manapaka jiro :-D
14. Herimiafina ( 06/10/2005 05:02)
Hehe, Das ist gut und Ich mochte sagen mit Herr Patrick heute morgen. Vielen danke.:-D
15. ari.malala ( 06/10/2005 10:27)
WOllen Sie bitte in Malagasy sprechen? :)
16. Herimiafina ( 06/10/2005 12:02)
Tut mir leid, Ich sprache nicht Malagasy, Ich bin von Antananarivo, im Deutschland. hehehehehe:-D:-D:-D:-D

Und sie, wo wonen Sie?
17. jentilisa ( 08/10/2005 10:04)
njy ifaninanana indray ny miteny Deuscht an! voa mafy ihany izahay tsy mahay afa-tsy ich liebe dich amin'izao an! kiiiiiiiiiiiiii

Tsy aleo marina ve ry zareo eto tana mba mitaky onitra isika fa ny vola anie izany misy fa ny rano no tsy ampy e sa ahoana?
18. Herimiafina ( 10/10/2005 01:35)
Misy fika marobe hafa fa iza no mazoto hanantanteraka azy? Omeko anlé projet éléctricité heheheheh:-D
19. pika ( 14/10/2005 12:52)
firenena mihemotra i m/car fa tsy mandroso e
zao vao maika miha pira ny jiro tapaka efa tapaka matetika sy maharitra
dia ahona ny hoe anoloan'ny JIRAMA ny appareil simba @ jiro tapaka, toa misy izany raha ny tokony ho izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1774