Zavatra tsy dia mety loatra hita anaty gazety

1. Herimiafina ( 07/09/2005 20:44)
Matetika mahita aho any anaty gazety hoe: Avis à la clientele, sns:

"I RaX ne fait plus partie de notre personnel depuis le x septembre 2005, nous déclinons toute responsabilité quant à d'éventuels...."

Ilay anaran'olona mivandravandra be no mampatahotra ahy satria tomga dia ratsy saina be ny olona hoe fa maninona i RaX no tenenina be any anaty gazety ny anarany, toy ny mpamono olona, ny mpangalatra sns.

Ny Mpangalatra aza mananjo hafenina tarehy.

Mba no-consulter-na ve ireny olona ireny alohan'ny nanoratana ny anarany mivandraka be any anaty gazety?

Fa raha tsy no-consulter-na izy ireny dia manimba ny zon'olombelona ianareo mpampiasa manoratsoratra ireny sy tsy mahafantatra ny impact social an'ireny filazana ireny.

Ary ho avy aho hampihinana ny tsy fihinana anareo raha tahiny ka tsy niresaka tamin'ireo mpiasa soratsoratana anarana any anaty gazety ireo ianareo.
répondu par fijo le 28/09/2005 20:50
2. ravakamalala ( 07/09/2005 21:19)
Raha ny fahalalako azy dia olona nanao toetra tsy mendrika loatra tao amin ilay toeram piasana no atao ireny ( lé manodikondimbola, manao hosoka sy halatra ireny e)
Fa tena afa baraka aloha e! Maromaro ny oul efa hitako tratra ireny fa olona nanao ny tsy nety daholo.
3. fijo ( 07/09/2005 22:07)
herimiafina,marina fa manalabaraka ireny,nefa koa dia izay ihany no fomba ahafahan'ny orinasa manala ny andraikiny,raha toa ka misy zavatra ambadika ataon'ilay olona;
4. pika ( 08/09/2005 04:23)
ka tokony hivoaka aloha ny didimpitsarana hitsarana azy vao afaka manao izany
toy ny hoe miy ireo traran'ny tondromolotra fotsiny dia midoboka efa ho 1taona mahery rehefa tsaraina anefa dia toa tsy voasazy .....
5. stephan ( 08/09/2005 13:41)
raha resaka zon'olombelona tokoa dia tsy mety ireny raha tsy efa vita ny fitsarana azy angaha! saingy azo atao ve ny mitory ny orinasa nanao ireny filazana ireny tsy nisy fitsarana?
6. fijo ( 08/09/2005 20:11)
an an ,tsy mila miandry fitsarana,satria le olona anie tsy tsaraina eto e.ary tsy voalaza koa hoe meloka,fa noho izy tsy ao amin'ilay orinasa intsony,dia manao fanambarana ny orinasa,mba hialana amin'izay zavatra mety hoataony any ambadika amin'ny anaran'ny orinasa.
toa ny mpivady misaraka io.raha miteny amin'ny olona ianao hoe tsy mivady intsony izahay,ka saomanao zavatra amin'ny anaranay izy.tsy midika mihintsy izany fa hoe tratra nampiaraka izy ,na hoe nangalatra.
7. Herimiafina ( 08/09/2005 20:19)
Fa ny olana mipetraka dia ilay interprétations ataon'ny olona sasany amin'izy ireny.
Efa nisy olona fantatro tratra mantsy dia natao toa izany. Ni-démissioner io olona io fa tsy voaroaka ka tsy nahafaly ny mpampiasa azy izany.
Tadidio fa ny fanimbana image na ny endrika entina manimba image na dia tsy noheritreretina aza fa natao ankolaka dia efa azo toriana.

Mety nisy ihany anie fitoriana fa tsy hay e. Ny olona koa rehefa mahatsiaro meloka izay dia tsy mahafantatra ny zo-ny intsony.
8. fijo ( 08/09/2005 20:37)
ekeko fa mety hanimba "image"io,saingy ilaina koa,mba tsy hampisy olana any aoriana ka,ary raha misy olana aza any aoriana,dia io no fomba tsara indrindra ahafahan'ny orinasa miala andraikitra momba izany.
jereo anie e.raha miasa amina banky ny olona iray.ka manao zavatra amin'ny anaran'io banky io.nefa tsy fantatry ny banky akory.dia tomponandraikitra ihany le banky,amin'izay rehetra atao amin'ny anarany.ka raha tsy ao intsony ilay mpiasa,ny fomba ofisialy ahafahana mampahafantatra fa tsy ao intsony izy dia io,resaka an gazety io.
averiko,fa tsy voatery hoe meloka le olona,na diso.
9. Herimiafina ( 09/09/2005 00:45)
Ny hitako metimety kokoa dia ny consultation ny avis an'ilay olona. Fa tsy ilay anarana any loatra koa no ratsy fa ilay tsy firaharahiana ny conséquence. koa noho izany dia:

1- Na ilay concerné no mitondra ny anarany mandefa ny filazana.
2- Na ny titre ny poste-ny no tenenina fa tsy ny anarany.
3- Na hifampierana ny fandefasana zavatra toa ireny any amin'ny gazety.

Hita mivandraka be izao fa dia manao interprétation ratsy ny zavatra toy izany daholo ny olona rehetra, ka tokony asiana fiheverana.
10. fijo ( 09/09/2005 04:44)
raha poste no lazainao,dia mety ilay eo amin'izao koa no ahita raharaha.ka tsy mety.
fomba efa fanao io,ary io ihany aloha izao no fomba mety hialana amin'ny olana hoavy.
11. mandrindra ( 09/09/2005 09:17)
Tokony ity tapany ity ihany no soratana ao amin'ny agzety :"RaX ne fait plus partie de notre personnel depuis le x septembre 2005". Io dia fampilazana tsy misy fanosorampotaka tahaka ny filazambaovao tsotra rehetra.
Ilay tapany faharoa :"nous déclinons toute responsabilité quant à d'éventuels...." dia fanendrikendrehana tsisy porofo, satria sahala amin'ny midika fa TSY MAINSTY mbola hanao asa amin'ny anarana'ny société io olona io. Noho izany tokony ho tsy azo atao ny manampy an'io tapany faharoa io.
12. Herimiafina ( 09/09/2005 15:31)
Misy tsy ampy ilay information any anaty gazety ka izay no antony mahatonga ny saindratsy.

Tokony teneniana hoe "Ra-X et nous (la société) déclinons toutes responsabilités....".

Izay midika fa efa niresaka tamin'i Ra-X ry zareo vao nandefa ny filazana.

Fanaovana tsinotsinona an'i Ra-X ny fanoratana ny anarany tsy nisy resaka any amin'ny gazety. Tokony ho nifampidinihina ny solution.
13. pitchou ( 09/09/2005 17:38)
ka ze manam-bola ihany no miseho milay @ zany! fa raha i RaX zao ngamba no manao an'izany d asa foana! ohatra ataony hoe: "moi RaX j'ai quitté la société .... et décline toute responsabilité d'usurpation et d'utilisation de mon nom par cette société à quelque fin que ce soit"
14. fijo ( 09/09/2005 20:10)
afaka manao mihintsy raX,ary tsy misy fanendrikendrehana izany.fampahafantarana fotsiny io,fa tsy misy hendrika fanendrikendrehana mihintsy.
mandrndra sy herimiafina,tsy midika mihintsy izany hoe raX dia ahiana hanao zavatra,fa mampandre anareo kosa izy,fa raha misy izany dia miala pas izy an.
toa ny fanambadiana io?tsy maintsy aranty eo amin'ny mairie mialoha ny anaran'ny olona hivady.io tsy mila mihera aminy fa dia efa izay no izy.ka raha any aoriana izy mikoty anao,tsy hafaka hilaza intsony hianao hoe za tsy nahita.satria efa naseho io.dia mitovy amin'izay ilay resaka.
raha hisaraka ny mpicady roa,ka milaza aminao ilay bandy sa ilay sipa hoe ,izahay efa tsy miaraka intsony fa hisaraka,ka za tsy ao intsony raha misy fifanarahanareo an.midika ve izany fa manendrikendrika ilay iray??? tsia,satria ny tanjona amin'io dia ny hampiomanana ny olona hafa,tsy voakasik'ilay raharaha(fisarahana eto)
15. fijo ( 09/09/2005 20:13)
mbola tohiny,
mba vinavinao ny mifanohitra amin'izay.
tsy nanao io fanambarana io ny Sté,dia nanao zavatra tany i raX.
dia hoy ny Sté avy eo hoe :"an an,efa tsy ato aminay intsony izy ka"
tsy ianao indray ve no hilaza hoe ary naninona kosa ary ianareo no tsy mba nampahafantatra ny kil le,izahay dia mbola mihevitra hoe mbola miasa ato izy.
ka raha eo nareo no mitory dia mbola voatery hanonitra ny Sté.
16. Herimiafina ( 09/09/2005 21:11)
Le olana dia izay nahita ny anaran-dRa-X rehetra dia tonga dia niteny daholo hoe tena voaroaka i Ra-X, inona ary no mba zavatra ratsy nataon'ileiny tao.

Nefa Ra-X ni-démissioner.

Conséquencen'ilay izy dia mety ho faty passeport Ra-X satria tsy nety nisy nandray azy hiasa intsony.

Fomba fanao any Dago koa mantsy ilay hoe rehefa hiditra hiasa amina toerana iray hafa ianao dia telefonena aloha ny mpampiasa anao taloha (reference) dia gafin-dry zalahy raha demissionera ianao. Nefa le olona noho ny conviction personnelle no nialany tao amin'ilay fiasana fa tsy hoe nigafy.

Misy mantsy any amin'ireny toerampiasana ireny fanodikodinambola mahatsiravina dia niala i Ra-X satria tsy tiany izany nefa izy force-na nanao sonia. Tezitra ry zalahy dia nandefa ilay filazana any amin'ny gazety.
17. mandrindra ( 12/09/2005 09:02)
Hoy i fijo : "mandrndra sy herimiafina,tsy midika mihintsy izany hoe raX dia ahiana hanao zavatra,fa mampandre anareo kosa izy,fa raha misy izany dia miala pas izy an."
Izany ve letsy tsy sahala amin'ny accusation implicite.
Ahoana moa lesy ry fijo no hoe raha i RaX no manaonao foana dia ny société no voatery hanonitra ny kil. Sahala amin'ny hoe raka misy olona iray mangalatra anie izany dia tokony ho ny RAR no gadraina e.
Misy fomba azo anaovana azy tsotra anie : "Nandao ny société i RaX nanomboka tamin'ny 30 febroary 2015 koa tsy miara miasa intsony izahay". Io izao tsy misy fanendrikendrehana hoe sao dia ampiasa ny anaran'ny société i RaX no sady mampandre ny kil ihany koa. Tsy madio kokoa ve izany ?
18. pitchou ( 12/09/2005 11:33)
mandrindra> le fomba ilazana le zavatra aloha d b d b no mety azo atao e! fa ny zava-dehibe ao anatiny d ny hoe tsy tompon'andraikitra ny société raha toa RaX ka nampiasa antsokosoko ny anaran'ny société! eritrereto fotsiny hoe agent de recouvrement n'i JIRAMA RaK d efa tsy miasa ao @ JIRAMA intsony, nefa mbola manangona ny vola ihany?
19. mandrindra ( 12/09/2005 15:22)
izaho anie ry pitchou tsy manohitra ny fampilazana hoe tsy miasa ao amin'ny orinasa iray intsony ny olona iray e. Fa ilay fanoratana hoe "tsy tompon'andraikitra ny orinasa raha toa ka" no tsy ekeko. Amiko io toy ny fanendrikendrehana.
20. pitchou ( 12/09/2005 17:15)
ka alaivo sary an'eritreritra wa io ohatra nomeko io: d ny JIRAMA ve ohatra no tokony hamerina ny vola nangonin'i raX tany ambadika tany? fa le izy mety manorisory le nandikana azy t@ teny gasy "déclinons toutes responsabilités ..."
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1483