pazzapa 3 fahatelo: iza ary no handresy?

1. stephan ( 22/08/2005 14:34)
Nasiako pazzapa 3 fahatelo ho tohin'ny adi-hevitra roa voalohany. Satria efa vitsivitsy ihany sisa ny tavela ao amin'ny pazzapa dia aleo aseho hoe iza ary no mety handresy?

Ny ahy izao araka ny eritreritro dia i stephane izay lazainareo hoe bob mitovy amin'ilay lehilahin'i boney M iny.

Na ahoana na ahoana tsy fiangarana fa toy ny nangovitra teo an-tsehatra i Omega ka toky ho nomine raha mbola misy izany. Misy hafa ihany koa tokony ho nomine fa nanadino tononkira teo an-tsehatra.

Izaho mieritreritra hoe tokony ho disqualifie izay manadino tonokira antsehatra na dia be mpifidy aza!
répondu par pitdra le 25/10/2005 21:57
2. ari.malala ( 22/08/2005 14:57)
marina io! :)
3. fasaly ( 22/08/2005 15:38)
ny ahy kou ry reto de tena iny indray no tena tiko a!
fa dommage ho an'ny efa nihitsana e!
hita eo ny suite e!
4. fijo ( 22/08/2005 20:40)
maharaka indray fasaly an.
5. sasa ( 23/08/2005 05:26)
fijo hi hi hi hi hi ny ahy aloha le Dinah, antsirabe sy le Haja Tamatave iny no tiako e, d i Bob kou reveko ihany
6. moi ( 23/08/2005 05:58)
Raha ny an'ny jury dia ry Omega no toa safidiny ; nodinihiko hatramin'ny step1 fa tsy dia nisy comment negatif mihitsy nataon'ny mpitsara azy.

Fa tsy tiako aloha ilay resaka SMS satria ny any amin'ny faritany tsy mahazo mivantana ilay Pazzapa Prime ka mba mahafantatra ara-potoana ny score ! Efa mialoha ry zareo no mifidy, nefa mety ilaina ny manamafy ny SMS raha fantatra fa latsaka indray ny score an'ilay tiana hofidiana !

Fa hitako ho finaliste koa ry Robbi, Nofy. I Nofy koa toa ohatry ny tian'ny jury ary inoako tsy ho nominée intsony.
7. fafa ( 23/08/2005 06:26)
Tsy de hitako ze halaina e! fa ze lany eo zany ngamba no tena milay? kilalao mo izy ity ko! i Bob no mba andriany saiko ngamba! araka ny fahitako ny pazzapa hatr@zay de tsy misy olona ratsiratsy endrika tavela zany ao (ohatra oe: sipa ngita volo)! tsy haiko aloha fa eritreritra ny ahy iny ka ialako tsiny raha tsy mitombina hoy ianareo!
8. ari.malala ( 23/08/2005 06:34)
fafa, naika hiteny toa anao io mintsy koa aho, fa tena izany no fanamarihako hatr@ zay mintsy! ohatrany hoe ezahina ahintsana ny ngita volo!!! tsy hitako mintsy zao izay tsy nety t@ hiran'i Kassia le avy any Antalaha iny, (t@ prime 2 ngamba raha tasy diso ah) fa d nominée fts zao.. iny koa i Hasina... hafa kely ê! tena hafa! raha nisy v no tokony hiala t@ faranyteo tsy tokony ho i Robby satria izy nanadino tononkira?!!! ary hatr@ zay anie tena critère isany nahasarotiny ireo jurys ny resaka tononkira ê! nefa t@ty ohatrany notsinontsinoavina izany ilay izy.. sa v tany @ casting tsy mahazo manadino tononkira ny ankizy fa refa ao @ villa d tt est permis? asa alo!


9. stephan ( 23/08/2005 06:55)
Tsy dia hoe famelezana ny ngita volo na sahala amin'izany fa ny safidin'ny olona no mila eritreretina tsara! izaho vao naheno hoe cousine-ko iray izay nandany hatrany @ 10 000 ar sms hahalany an'i Nampoina. Gaga aho hoe olona nanadino tononkira lava be ve dia arovana sahala amin'izany satria hoe tsara tarehy? Izaho moa nieritreritra hoe indray ihany no mifidy ny olona dia izay ihany no nataoko. Nety tsara amiko ny nataon'i Hasina saingy dia raraka moa izy. Tsalo aho miteny izany!

Ny any amin'ny faritany indray dia radio no mba hihainoany ka tsy tena tsapany tsara ny enjeux ary tsy hitany endrika ilay olona. raha tsy tena fantany ilay olona tsy hifidy an'iny izy...izay amiko no mahararaka hatrany ny avy any @ faritany.
10. fafa ( 23/08/2005 07:12)
stephan> mahazo mifidy imbedebe zany raha azoko tsara? zà mantsy nifidy indray mande t@ i Bob nominé iny de tsy sahy nanandrana ntsony aho ko! fa mety ve klouny le izy? ary nandaitra io nataon'i cousine-nao io? tsy oe hanao toa azy aho an! fa zay no manaporofo fa tsy madio ny lalao e!

Izaho ko nahita fa milay ny nataon'i Hasina ary tsy nandiso mihintsy t@ evaluation na t@ prime iny (teo @ hira io an) fa tsy haiko ze tena nôty nampihintsana azy na le nomen'ireo ankizy ao ireo, na ny nomen'ireo organisateurs (organisateurs= Lily, Christian et Rija tsy haiko ze manampy azy).
11. moi ( 23/08/2005 08:42)
Io SMS io anie ka vola be miditra ho an'ny RTA sy Orange ary Madacom e, ka ovainy ve ny fitsipika hoe SMS iray isaky ny numero ?
I Robbi izao dia efa nampoizinay fa ho be mpifidy teo, satria "Le Petit Nid" hono izy iny, ka tsy hifidy azy daholo ve ny mpianatra maro tao ?
I Omega koa raha misy maha nominé azy, io sisa no an-dry Antalaha, ka ataovy matanjaka ny crédit-nao fa resa-pifidianana olona izy ity fa tsy artista !
Ry Jury koa moa efa miala pa hiteny hoe io no safidinareo ; Matahotra sao voateny kidaona maraina indray ry zareo ...
12. fafa ( 23/08/2005 08:58)
moi> resa-pifidianana olona marina e?

Ny ahy ny tena andraisako anjara mifidy nge de zao e! tsy le oe le olona mahay be fa zao: mahabe point an'le candidat tsy revindry zareo iny aho mba ho tavela ao izy! ka raha nominé eo Omega de hofidiko izy mba hijann ao ihany!
13. fasaly ( 23/08/2005 12:11)
fijo:
:-$ ho lazaiko anjy zay miakatra final aky a!
sady izà zao handeha sur place mintsy de tena mahita direkta be.
i bob kou tiko ihany de lay avy any bira, fantako tsara iny sipa iny satria iaho avy any bira kou!
14. mamzelkely ( 23/08/2005 13:48)
mhhhhhhhhh!! iza re!!! ts haiko!!!!:lol:
15. jentilisa ( 23/08/2005 13:52)
Iza ary izany sipa avy any bira izany?
16. nyavo ( 23/08/2005 13:55)
Tsy maita ambara tsony ny tenanay é!!!efa vo teny daolo zay tokony hotenenina fa zay lany lany é!
17. ari.malala ( 23/08/2005 14:27)
fasaly, io njay njy fa mitsatoka an! tsy avy any Bira aky Bron fa refa aty njy mahita anazy we avy aiza a! zany an! ;)
18. hps ( 23/08/2005 19:12)
jentilisa an! i haja sy Dina sisa ilay sipa avy any Bira,ny iray @ireo avy any antanifotsy fa répr.Bira
Aza adino ilay resak'i Christianne hoe:mba mila jerena ihany koa ilay vatana mitondra ilay feo tsara;
ilay prime indray dia efa mivantana @ Radio daholo ny aty @ Faritany.Ny ahy indray aloha i Tahiry sy Hery no hitako fa mahavoa be(leh.),ary i haja indray ny sipa
19. fijo ( 23/08/2005 19:53)
ilay resaka fanavahana dia hitakoa taty e.ny mainty dia tsapa fa nahilika foana ,na dia tsar feo sy mahay mihetsika aza.mitsinjo le resaka aoriana mantsy ry zareo.hoe azo hamidy tsara ve raha ity no lany.
20. ari.malala ( 24/08/2005 05:54)
marina d marina io voalazanao i ry fijo, le izy anie resaka commercial ê! d na mahay zao aza le ankiey fa tsy tiandry zareo ny paoziny d efa eliminé(e)!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3388