tsy tsikéra be fahatàny fa maso mahita e....

1. joda ( 01/08/2005 12:15)
tsy izany fa momba ny présidentsika sy ny protocole e..mbola ho ela aiza ve rey olona efa ho 4 taona no teo @ fitondràna mbola manao tu ny président chirac..indraindray mandray olona ambony dia chemise no anaovana ..indraindray koa misy discussion politique sy fandrisana olona manankaja dia eo akaikiny iny zanany lahy kely iny ..MAHAMENATRA!!!!!
répondu par fijo le 15/09/2005 21:44
2. bichette ( 01/08/2005 12:42)
tsy azoko ny olana tianao ambara raha manao tu ny president, inona no tena olana
3. ari.malala ( 01/08/2005 13:37)
raha ny kely fantatro kosa aloha dia tokony ho "vous" rehefa miresaka @ homologue e! indrindra resaka asa no resahina angamba fa tsay any @ fisakafoanana d rehefa mandray vahiny manan-kaja koa dia tokony mba ho arak'izay ilay fiakanjo dia mba hajaina hoe resak'olondehibe dia avoaka ny ankizy kely... sa v diso zany? ny anay aza fahiny na ny havana aza tonga mitsidika d mivoaka ny ankizy kely
4. ainaheri ( 01/08/2005 15:55)
araka ny fahafantarako dia tsy tokony ho tutoienao ny olona tsy mbola fantatrao sy ny tsy
nifankazatra taminao
5. hery ( 01/08/2005 16:10)
ainaheri> raha mahay frantsay enao :-)

Tsy voatery hanaraka ny fomban'ny Frantsay koa fa ze mahazatra ihany e.

Ravalo dia manaraka fomba amerikana... tsisy tu sy vous izany fa you de ampy... na enao amin'ny teny gasy.
6. chipie1 ( 01/08/2005 18:29)
hery >:-D:-D
7. lanto ( 01/08/2005 18:32)
joda:

tsy izany fa momba ny présidentsika sy ny protocole e..mbola ho ela aiza ve rey olona efa ho 4 taona no teo @ fitondràna mbola manao tu ny président chirac..indraindray mandray olona ambony dia chemise no anaovana ..indraindray koa misy discussion politique sy fandrisana olona manankaja dia eo akaikiny iny zanany lahy kely iny ..MAHAMENATRA!!!!!


Izaho tsy nahita no tsy nandre, fa raha izany tokoa dia ..MAHAMENATRA!!!!!


8. Veloo ( 01/08/2005 19:02)
hery a
:-D:-D:-D marina ny anao. aleo ko ataon'ny tu any iny kle tsy dia misy olana izany.:-D:-D:-D:-D
9. zakilinina ( 01/08/2005 21:31)
ahoana kosa no ahilikilika atao kely tsy mba mamindro ny ankizy madinika ary heverina ho mahamenatra ?
Tsy fantatrareo va fa ny ankizy ankehitrio no tompon'ny taona 2000 ?
10. ds ( 01/08/2005 21:47)
hery:
ainaheri> raha mahay frantsay enao

Tsy voatery hanaraka ny fomban'ny Frantsay koa fa ze mahazatra ihany e.

Ravalo dia manaraka fomba amerikana... tsisy tu sy vous izany fa you de ampy... na enao amin'ny teny gasy.


Rehefa fifanakalozana atao amina manankaja ambony (filoham-pirenena sns) dia tokony hanara-penitra, raha tsy hoe resaka ifanaovana any an'efitra tsy imasom-bahoaka. Raha tsy mahafantatra na tsy mahay ny fenitra ifandraisan'ny Frantsay ny Filoha, dia tokony niteny gasy ary naka mpandika teny. (protocole) no resahina. Raha ohatra tokoa ka fanarahana fomba amerikana no nataony, dia voa mainka koa fahafaham-baraka ho azy izany, satria tsy amerikana ny miresaka aminy ka mampibaribary ny tsy fahafehezany ny fenitra mifanaraka amin'ny toerana misy azy (filoham-pirenena). Eritrereto raha hoe mba mahay teny gasy kely Ra Chirac ka miteny aminy hoe ialahy na i tena...
Farany : tena misy ny "vous" sy "tu" amin'ny teny gasy (ianao/ianareo) fa ny olona no tsy zatra.
11. fijo ( 01/08/2005 22:40)
misy mahamarina io voalazan'i hery io,saingy raha ofisialy le resaka ,dia tsy mety le izy.saingy efa naheno filoha afrikanina hafa koa aho nanao "tu" ny filoha chichi an.
raha le fiakanjo indray,dia tsy hitako izay olana.mobarak izao vao nanao fihaonana ofisilay tsy ela izay,polo tsy mihidy bokotra akory no nanaovany,bush,impiry mandray olona blouson no anaovany.tsy hitako izay olana amin'izay.
le resaka ankizy no tsy mety loatra koa raha zavatra ofisialy no atao.
12. naritsimba ( 02/08/2005 05:26)
Tsy olana amiko na misy ankizy aza.
Tsy maintsy miverina ho zaza raha te hiditra @ fanjakan'ny lanitra...!
Izay ataonareo @ ireny madinika ireny sns eeeeeeeee
13. cocorie ( 02/08/2005 08:05)
8O inô atakô eo????
14. pika ( 02/08/2005 09:20)
hery a tsy amerikanina anie no noraisina fa frantsay e... raha izy 2 lahy irery no miresaka tsy asiana quoi fa eo imason'ny olona sy izao tontolo izao " ami chi"
jereo anie fa na miteny aza toy ireny hoe dada ao an-trano ireny e ny hafa vao miteny tonga dia fantatra hoe ny président no miteny fa ity HUMMMMM hihihi
15. radriana ( 02/08/2005 09:25)
Aza dia atao fiharovana bêtement fotsiny e, marina fa tintsika ny filoham-pirenentsika fa rehefa tsy mety kosa dia tokony ho amboarina satria critique constructive izy ty fa tsy hoe tsy fitiavana.
Tsy tokony mi-tutoye filohampirenena hafa izany mihitsy fa na samy filoha aza tsy niara-nilalao teny antokontany akory. Faharoa manaraka izany ny ankizy koa mba tokony miaraka amin'ny reniny aloha mandritra ny fotoana handraisana olona satria asanao io, eritrereto hoe andeha hiasa ianao, na dia patron aza ianao ve dia hitondra ny zanakao ? Manelingelina ny hafa sady tsy manaja ny asanao ianao. Misy ny fotoana natokana ho an'ny fianakaviana hiarahana amin'ny ankizy. Ny fomba fiankanjo koa torakizany, raha handeha hanao sport, manao short na jogging, raha handeha hiasa, tokony mba chemise cravatte, surtout asa mihaja.
16. ainaheri ( 02/08/2005 11:10)
hery> tsy hoe resaka fahaizana teny frantsay na
amerikanina no zava-dehibe fa ny fahalalanao fomba
raha ny tenako tsy afaka anao ialahy olona tsy
fantatro mihitsy aho na olontsotra aza,fa indrindra izao toerana misy azy izao,fa amiko ilay izy tsy mety
ary tsy fahalalampomba
17. naritsimba ( 02/08/2005 11:13)
IoI natao ho an'ny tsi 1 1 io e,
Amiko aloha tsy misy mihitsy milaza fa izao no tenue correct ao @ lalam-panorenana.
Ny ahy izao malabary no anaovako de maninn? sady @ zay niaraka naka sary t@ DG sy ny Ministra fa tsy koi e!
safidy io e zay no mba reviny ko
18. cocorie ( 02/08/2005 11:50)
tsy maninona fa fianarana foana ny fiainana fa tsy hoe refa pezida de mahay sy tsy azo atoro intsony.:arrow:
19. Veloo ( 02/08/2005 20:21)
nareo anie tsy mahafantatra e mety miresaka par telephone tany ry zareo efa ela dia lasa ny tutoyer... Tena mora @ frantsay anie zany mi-tutoyer zany na dia samy manana voninahitra ary e... ny ahy ny patron-be ko fa tsy patron-kely an mi-tutoyer zahay :wink: Za aloha efa zatra e
20. maditra ( 02/08/2005 22:58)
Zah kosa aloha mino fa tsy te hi- "tutoyer" ny Pr. Chirac ranofotsiny izao ny filoha Ravalo fa izay tsy fahazarana izay mihitsy. Mba te ho a l'aise tsara izy miresaka sy mifandray amin'ny vahininy, fa raha atao formel be mety ho hafahafa ny fahitany azy. Zah aloha tsy manameloka azy firy amin'izany e, zaran'ny filoha Frantsay ary tsy nakan'ny filoha Ravalomanana mpandika teny teo dia izy miteny Gasy. hihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4028