NY MAHAVOA NY GASY

1. johns ( 26/07/2005 13:43)
Voalazan'ireo namana mpiserasera @ vahiny fa ny mahatonga ny malagasy toa izao dia ny toe-tsaina. Ao ny:
1/ Tia kely
2/ Ory hava manana
3/ Be mokony
4/ Tsindrio fa lavo
5/ Miandry tolorana
Ka izao no izy ry zalahy mba ialao io toetsaina io dia tafita ny taranako fara aman-dimby
répondu par fijo le 22/08/2005 21:23
2. isrine ( 26/07/2005 13:48)
zany hoe ny zavavy zany tsy tokony hiala an'ilay toetsaina!
inoako fa ny tsirairay manana toetsaina farafahakeliny 1 @ ireo. ohatra hoe: be mokony.
3. sonwin ( 26/07/2005 13:54)
zany hono ry zalahy sy ry zavavy a
4. booboo ( 26/07/2005 14:17)
isrine >zay mitsy
5. kally ( 26/07/2005 14:20)
Ny be mokony ilaina ihany fa raha tsy misy hazondamosina koa mantsy manahirana.Ilay miandry tolorana aloha dia milaza aminareo reny aho fa dieny mbola kely ny zanakao dia tezao hikarokaroka fa tsy ampiana lava vao mahita vahaolana.Ary mba sahia manofy koa, ny gasy mantsy tsy dia sahy manofy loatra hany ka an-tendron'orona ihany matetika no tanjona.
6. fasaly ( 26/07/2005 15:03)
kally:
inona ny dikan'ilay hoe sahia manofy tsy azoko mintsy?
7. chipie1 ( 26/07/2005 15:23)
za zao tsy misy anireo lazainy i johns ireo ? de aona midika ve fa ho tafitako ny faramandimby ? haleloia !!=))=))=))
8. mandrindra ( 26/07/2005 15:32)
manja be ilay fomba fijerin'i kally
9. kally ( 26/07/2005 15:41)
mandrindra> Izany an?!:-*

Fasaly> Avy @ nofinofy no iandohan'ny zava-drehetra, ka matetika isika gasy tsy sahy mandefa lavitra ny nofy fa lazaina fa manao revin-gadra indray hany ka tsy ho lasa lavitra mihitsy.
Ny hoe sahy manofy mantsy sady manofy no miezaka manao izay hahatanteraka ilay nofy.Ohatra hoe ankizy kely iray reraka foana entina miakatra sy midina @ tohatoha-baton'Ambondrona dia mba manofy izy hoe raha mba misy tetezana mampitohy an'Ambondrona sy Antaninarenina an! dia hanomboka ho liana @ kajy sy fizika izy dia kajiana miandalana eo ny hahatanterahan'ny nofiny fa minoa ahy fa ho lasa lavitra io zaza io raha tsy bedesinao izy hoe aza manao revin-gadra eo fa ampirisihina hoe ie! mety vitanao izany.
10. fasaly ( 26/07/2005 16:08)
ah ok! milay izany ka! nofy arahin'asa fa tsy revingadra fotsiny zany....
11. kally ( 26/07/2005 16:13)
Fa ny nofy aloha ka na hiasa aza rehefa tsy sahy hanofy inona no ho eo? Manjary tsy misy tanjona.
12. fijo ( 26/07/2005 20:24)
marina mihintsy izany ry kally.tsika tsy sahy manakatra lavitra.jereo fotsiny ,fa vao trosa kely ireo no ao dia fe amimenomenina toa ny inona.matoa anie ny tany mandroso mandroso dia ny fahasahiany e.ny trosan'ny amerika sy lafrantsa izao mino aho fa tsy hovoalohany mihintsy,nefa dia sahiny ny nindrana,ary nahatokisana izy dia nomena.jereo israel.indray mihindrana vola ry zareo 5 miliara no indraminy.isika raha mahazo 10 millions mibitaka.
13. lilbon ( 27/07/2005 06:19)
manahoana daholo !aleo za mba hiteny kely!
1/maninona le lohateny raha mba atao hoe :
NY MAHAVOA NY MALAGASY,amiko tsy de tsara loatra io fanafohezana hoe gasy io.:):):)
14. scorpion ( 27/07/2005 06:25)
ary raha hoe "mala"?
15. kally ( 27/07/2005 07:19)
Lilbon koa izato!! fa tsy izany ihany moa ny fitenintsika gasy?Raha manontany ianao angaha miteny hoe malagasy sa vazaha fa hoe gasy sa vazaha? Teny gasy sa teny vahiny? Vita gasy sa vita vazaha sa vita sinoa? Tsy izay?? Ka inona indray?
16. ainaheri ( 27/07/2005 07:27)
Azafady ry sakaiza isany fa naharin'Atra isika
eran'izao tontolo izao,izany hoe manana ireo toetra
ireo daholo fa tsy ny gasy irery ihany, ny azy aza mety manatombo ny voalaza io,f'aza avela hanakiana
anao ny olonkafa any fa mba arovy ny firenenao!!Bold text
17. johns ( 27/07/2005 09:42)
Tena hita mitsy tsika hoe mala. Be mokony tsy any amin'izay dinika resahina fa mikorontana fotsiny.
Io ilay mokony tiana ho tenenina eh. Fa tsy hoe mokony te hanao zavatra. Ny ahy ny mahamaika ahy izao dia ny hoe "andao hitady fika hafa eh"
18. kally ( 27/07/2005 09:44)
arimalala> Io tsy mahay mijery ny tsy mety amin'ny tena io koa no mampivarina an-kady, mihevitra ny tena ho lafatra sy ambony loatra foana koa tsy mety fa mba jerena izay tsy mety dia ahitsy.Manjary mihemotra foana isika raha tsy izany.
19. kally ( 27/07/2005 09:45)
arimalala> Io tsy mahay mijery ny tsy mety amin'ny tena io koa no mampivarina an-kady, mihevitra ny tena ho lafatra sy ambony loatra foana koa tsy mety fa mba jerena izay tsy mety dia ahitsy.Manjary mihemotra foana isika raha tsy izany.
20. ainaheri ( 27/07/2005 11:19)
kally> izay zany ilay hoe jereo aloha ny amidy
vao miady varotra!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7115