Samy miantso ny masina...

1. fmr ( 19/05/2005 10:23)
Fandaharana télé roa samihafa no hitako ary nahavariana ahy :
1.Niantso ny masina samihafa ( mpanjaka Andrianampoinimerina sy ireo razana samihafa efa maty ) teo @ doany ilay zokiolona ,mba hanatrika ny " lanonana " ataon-drizareo = Fandaharana "vavolombelona"/M.Kotoniaina/TV PLUS

2.Nitanisa ireo olo-masina samihafa( be dia tokoa ireo anaran'olo-masina voatonona ) ny mpitondra fivavahana nanao ny lamesa t@ fandevenana ny Papa Joany Paoly II.
Samy miantso ny masina sy olo-masina izany ary samy efa olona maty koa ireo...MISY RAHA LA TERRE...
répondu par pitchou le 12/07/2005 13:35
2. sonwin ( 19/05/2005 10:50)
Samy niantso fa henonao ve ny fomba fiantsony sy ny zavatra lazainy? samihafa be mihitsy...refa mitatitra vaovao dia ataovy feno fa ny toy izao no mahatonga ny fausse interpretation...ary tadidio fa misy koa ny olona miteny hoe Mama a, refa misy zavatra mahazo azy, nefa ny mamany efa maty amin'io , fomba hafa koa izay fiantsoana ny maty.
3. Mifenty ( 19/05/2005 13:23)


tena tsy azoko mitsy kou le izy kle

Indramiko le tenin'ilay namana ray zay.

"tokony ho tsara ity adihevitra ity raha hafa no nitondrana ilay resaka".

Mila mianatra mitondra resaka any amin'io ranamana io i fmr fa raha izy no tonga eto dia asa fotsiny angamba.

4. ari.malala ( 19/05/2005 13:42)
inona no tena tianao tenenina? azavao tsara fa tsy mazava ry fmr

5. andriaxavier1 ( 19/05/2005 15:06)
tena mba nahafinaritra ahy ilay fanamarihana nataon'i fmr, sady manana ny lanjany fa mody nataony tsotsotra.Tena mitombina, fa copie conforme amin'ny fomban drazana no nentin'ny fiangonana katolika ao amin'ny fivavahana kristiana, misaotra amin'ilay resadresaka momba ny "syncrétisme" ry fmr a manohana izahay
6. sonwin ( 19/05/2005 16:01)
anomboka indray ny mitsaratsara fahatany klé....tonga dia hita ialahy manoratra farany io fa sady tsy mahay ny fomban-drazana no tsy mahafantatra ny fivavahana katolika.
tssss manao fisainana tsss
7. welie ( 19/05/2005 16:40)
8O8O8O Tsy misy raha azoko na ny iray aza amin'ilay resaka...
8. rurik ( 19/05/2005 16:53)
:(:(:(:(:( welie an zaho koa dia toa anao
9. maditra ( 19/05/2005 20:35)
hahaha, toa vendrana be ilay fampitahana!8)
10. fijo ( 19/05/2005 22:07)
ny tiany lazaina re ray olona dia izao e.
samy masina ireo,nefa masina mifanohatra.satria amin\'ny kristianina ny razana gasy tsy masina,nefa amin\'ny gasy dia masina ireo,ka izay no mahaliana azy ary rariny izany
11. booboo ( 20/05/2005 06:11)
12. dadabe ( 20/05/2005 09:18)
ahan !:-w
13. booboo ( 20/05/2005 09:45)
:rolling:
14. hery ( 20/05/2005 10:14)
fijo> io ilay milaza (sy manitrikitrika) ny zavatra tsy hay. Tokony holazain'i fijo foana hoe "ny Kristianina araka ny fahafantarako azy (ilay fijo tsy mino io) dia ..." Raha tsy izay dia tsy intellectuellement correct ilay izy.

Satria tsy nisy niteny hoe tsy masina ny razana malagasy.

andriaxavier1> sao dia marina ny tenin'i sonwin hoe hadihadio aloha ny fomba malagasy dia hadihadio ny fomba kristianina... dia avy eo hadihadio ny dikan'ny hoe syncrétisme?

Ohatra fotsiny :-)

Ny Malagasy nino an'Andriamanitra... ny Kristianina Mino an'Andriamanitra :-) dia syncrétisme ve izany? sns...
15. booboo ( 20/05/2005 13:59)
Hery>ouh! manana ny hasiny ny razana @ malagasy = masina.

Ilay idiran\'ny syncrétisme @ io raha io kosa klou tsy dé hitako lôtra. Fa fotsiny, @ malagasy (sasany), masina ny razana (efa maty), @ finoana hafa misy koa lasa masina ilay oul efa maty. Mijanona hatreo ihany amiko ny raha satria tsy mitovy mitsy ny fandehan-draha na samy oe masina aza (samy manana ny \"masina\" aminy)
16. dadabe ( 20/05/2005 15:16)
inona klou le syncretisme e?mba azavao hoe azafady izay mahalala
17. pitchou ( 20/05/2005 20:55)
tena tsy azoko aloha ny olana @ le olona masina! samy mino an'Andriamanitra ireo, saingy ny olo-masiny no samihafa (ny itovizany angamba dia samy maty ny olona masina raha tsy diso aho)! raha ny any @ kristiana (katolika ohatra) dia misy fombafombany ny fanandratana olona efa maty iray ho olomasina, ny protestanta ao @ fanekem-pinoana misy le we "izaho mino ny Fanahy Masina, ny fiangonana masina manerana izao tontolo izao, ny fiombonan'ny olona masina ... (fa ilay famaritana ny olona masina no tsy hitako hoe iza!)! ny @ malagasy ve ny olona efa maty rehetra dia olomasina daholo sa ahoana?
18. marozevo ( 21/05/2005 00:29)
Masina ??
Aoka ho azontsika tsara fa samy hafa ny dikan'ireto teny ireto :
MASINA.
MANANA NY HASINY.
Raha ao amin'ny Katolika ianao no miteny hoe Olomasina, dia ireo nasandratra ara-pomba ho Olomasina izay. Tsy izay maty rehetra akory dia Masina araka io...
Saingy na iza na iza maty ... Na gasy na Afrikana na Amerikana na Vazaha, Na protestant na katolika na Silamo na mpanenjika fivavahana aza. Eny na iza no iza maty dia MANANA NY HASINY. Ary tsy ny maty ihany akory no manana ny hasiny, fa indrindra ny velona dia mbola manana ny zony ambonin'ny hasina efa ananany.
19. dadabe ( 21/05/2005 15:25)
tena tsy arako le resaka de aleoko tsy mandray anjara kle
20. sonwin ( 21/05/2005 17:12)
he he frera :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0833