Samy miantso ny masina...

21. 1kd100 ( 23/05/2005 13:57)
Hoy izy ity olona eto akaikiko ity hoe ny iray "masina", fa ny iray "mantsina", dia hoy aho hoe azavao tsara hoe iza no iza ?...fa tsy mety mamaly ilay olona, aleo fa asaiko miditra ho namana ato izy dia mba milaza ny heviny koa
22. pitchou ( 23/05/2005 19:03)
marozevo> misy resaka misangojy mahafanina izany lazainao izany! fa angaha moa ny gasy dia nataony ho masina daholo ny olona? sa ny olona velona koa dia nantsoiny hivavaka sy hitahy azy? toa tsy otran\'izany ny fahafantarako azy!
raha hanitatra kely fotsiny aho @ilay hoe olomasina eo @ fivavahana dia miendrika fanavahana ihany satria @izao dia tsy mifandanja mihitsy ny isan\'ny olomasina isaky volonkoditra! :( sa hoe manana prédisposition ho masina kokoa ny fotsy hoditra? fanontaniana ny ahy sao misy misendaotra eo an!
23. marozevo ( 23/05/2005 22:40)
Averiko indray, ho an'i pitchou ny voalazako eo ambony:
Samy hafa ny dikan'ny teny roa hoe "MASINA" sy ny hoe "MANAN-KASINA". Ho an'ny Catho, ny masina dia ireo atao hoe Saint na sainte. fa ny Manan-kasina kosa dia ny olona rehetra na iza na iza, na avy aiza na avy aiza, na ny efa maty na ny mbola velona. Aza adino ilay hoe "MANANA NY ZO AMAN-KASINA".
Ny hoe tsy mifandanja indray dia tsy olana izany satria : Ny Europe efa hatramin'ny premier siecle no christianisée, i Amerika tamin'ny 15 eme siecle, i Afrika afovoany sy atsimo tamin'ny 18 na 19 eme, ary anisan'io i Magadasikara. Ny ankabeazan'ny Saints na Saintes dia ireo Martiry tany amin'ny quatre na cinq premiers siecles tany. Tsy mitovy kosa ny lalana vitan'ny olona nandeha roa arivo taona sy ny nandeha roan-jato taona.
24. pitchou ( 26/05/2005 19:48)
ary mba firy izany ny olo-masina avy @iny faritra nipoiran'i kristy iny? satria tany ny voalohany? ary tena saro-piaro @izany aza rizalahy!
Ka tsy mbola naheno kosa aloha aho hoe "miantso anareo manan-kasina" e!
25. marozevo ( 26/05/2005 23:49)
Tena tsy azon'i pitchou tokoa ve ilay hoe MASINA sy MANAN-KASINA e ? Na ny Masina (Saints - Saintes) na ny manan-kasina (dignité) dia tsy hoe antsoina... Ny ilana azy (asa na mety io matoanteny ampiasaiko io) dia ny hitahy ny velona.
26. pitchou ( 27/05/2005 13:11)
ka satria toa interpretation ny zavatra ataon'ny olona sy tenenin'ny olona ilay fanodinan'i marozevo ilay fiantsoana ny masina (ataon'ny ntaolo) na koa hoe fanasinana (ary tsy ny olona rehetra no hanaovana fanasinana an!) sy ilay atao hoe manan-kasina! tena samihafa ireo raha eo @ fiaraha-monina gasy fa tsy tokony ho terena fotsiny hoe tsy masina izany ilay an'ny gasy fa manan-kasina fotsiny! sa ve resaka samihafa ny ataontsika sy marozevo?
raha miantso ny masina ny kristiana dia hiara-hiombom-bavaka aminy, fa raha miantso ny masina (na manasina) ny gasy dia hanampy azy @ fangatahana ataony @ zanahary, na hanelanelana!
ary tsy hoe apanage n'ny finoana kristiana ihany kosa ny fananana olona masina koa, ka rehefa tsy izay dia ahodina ny dikany! sa ahoana?
27. marozevo ( 01/06/2005 00:12)
pitchou > tsy samihafa ny resaka ataontsika fa iray ihany, saingy izao vao azoko ilay tianao hambara. Marihiko kosa anefa aloha fa izaho mbola tsy nanatrika Malagasy nanasina, na niantso ny masina, ka tsy haiko loatra io religion traditionnelle io. fa ny tiako ho lazaina amin'ilay hoe Masina ao amin'ny Fiangonana dia ilay anaovana fomba (rite) kristianina ka asandratra ho OLOMASINA. Tsy midika izany hoe izay tsy nasandratra ara-pomba dia tsy masina kosa eh... Anisan'ny religion traditionnelle hahafahana mandalina zava-dehibe io fanasinana io, satria raha mbola tsy nahalala fivavahana Kristianina ny malagasy dia efa nino ny hasin'izay nialoha lalana. Nialoha làlana fa tsy hoe levona. Io koa anefa mbola tsy itovizan'ny maro hevitra.
28. dadabe ( 10/07/2005 13:29)
:roll:
29. pitchou ( 12/07/2005 13:35)
soa fa tsy mitovy hevitra aza ny olona fa raha tsy izany lasa monotone be le fiainana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1693