tsy mety mandeha ny "envoi"

1. Rainimaharavo ( 08/05/2005 23:16)
miarahaba ny rehetra

sao mba misy afaka hanome toro-hevitra.
ny olana : mandray ny hafatra tonga rehetra ny adiresy "mail" fa kosa tsy mety mandeha mihitsy ny vali-teny "envoi" fa mihenahena fotsiny hoatran'ny apondra mitokona.
Inona no tokony hatao nefa efa noesorina daholo ny hafatra rehetra tao amin'ny rakitra.
misaotra ê!

2. aristar ( 09/05/2005 05:53)
Tsy misy diso ve ny adiresy SMTP ? ny adiresy POP izany tsy diso satria mandray ny hafatra tonga rehetra
3. hery ( 09/05/2005 08:54)
Indraindray tsy manaiky "relay" ilay adiresy "email" dia tsy mety ny smtp... ny fomba fanaovana azy dia mampiasa ny "smtp" an'ilay ISP (ilay nividianana ny connexion internet mihitsy) (azo jerena amin'ny condition d'abonnement).

4. aristar ( 09/05/2005 10:37)
Raha koa raha misy webmail ny koantinao @ ilay ISP dia mandehana @ browser dia tsy mila configuration'ny mail afatsin'ny login/password
5. Rainimaharavo ( 09/05/2005 15:08)
misaotranareo fa dia handramana daholo ireo toro-hevitra ireo.
manome ny valiny ihany raha vao misy rirany hita.
Rainimaharavo
6. RTN ( 11/05/2005 07:51)
manao ahoana daholo
Andramo kikisana hoe ilay Authentification SMTP raha tsy mbola voakiky?
7. Rainimaharavo ( 11/05/2005 22:06)
Misaotra fa handramako indray io.
ny valitenin'ny YAHOO mantsy dia hoe :les problèmes d'envoi depuis le service Web (boutons Envoyer/Faire suivre inopérants sur certains comptes) sont en cours de traitement.-date : 10 mai 2005.
Raha araky ny fandraisako ny tenin'ny yaohoo dia tsy izaho irery no voan'io tantara io satria ny teniny dia hoe : SUR CERTAINS COMPTES...
raha manao "envoi" amin'ny comptes hafa (AOL-CARAMAILetc...) aho anefa dia tsy misy olana mihitsy.
misaotranareo mamaly ihany fa mahasoa ny fifandraisana.
8. Rainimaharavo ( 12/05/2005 21:25)
dia niverina hoazy soamatsara ny "envoi" ao amin'ny "yahoo" tamin'ny alakamisy 12 mai tokony ho tamin'ny 23h13.Midika izany fa tao amin-dry zareo "yahoo" no nisy tsy nety. Ny tena fotsiny no namaky loha "tamin'apà" hoy ny fitenenana.
misaotra betsaka anareo namaly ary mirary soa antsika rehetra.
Rainimaharavo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1006