tononkira rossy
1. cutie
(
08/04/2005 02:52)
mitady ny tononkiran;i rossy le we : marary Afrika " ze mahay.
Misaotra mialoha
Misaotra mialoha
répondu par fijo le 26/04/2005 21:31
2. domoiina
(
08/04/2005 08:08)
tsy haiko ndray io marary afrika io ,ary sao de manana ny "mahatsiaro"
4. sonwin
(
08/04/2005 15:32)
tsy arako indray io hira io nefa za mba mpakafy rossy ihany :wink: ..fa marary inona i Afrika ry cutie?
5. iartistika
(
08/04/2005 16:32)
sonwin>hiran'i rossy efa taloha be mihitsy izy io..misy ao am radio vazo gasy io hira io fa hagantao moa eh??
13. lanto
(
10/04/2005 18:56)
hé hé toa ho vedety ihany ny tenanay varé
:))
cutie> mbola mihainohaino le hira aho fa alefantsika eto izay voaray dia ifanampiana e !
:))
cutie> mbola mihainohaino le hira aho fa alefantsika eto izay voaray dia ifanampiana e !
18. lanto
(
13/04/2005 14:49)
Ito cutie a! Raha tsisy hahitsy de hampidirina ao am tononkira :
Fa Marary afrika e
Fa marary ny tany a
Fa marary ny tany e
marary Afrika
Mararin'ny tondra-drano izy e
rehefa tonga ny fahavaratra
Mararin'ny hain-tany
Rehefa tonga ny lohataona
mararin'ny mosary izy e
rehefa tonga ny miaka-bokatra
mila anao zanany hanavotra azy izy e
miandry ano zanany hanavotra azy izy
afrika
afrika
taniko mijaly e
kanefa aza kivy hoy aho
fa tsy irery ianao
fa be ny namanao
eran'ny izao tontolo izao
tsivalivaly manko ny fiainana eto an-tany
Ka raha lavo ianao anio
hiarina ianao indray andro any
oya yeh..!
Fa Marary afrika e
Fa marary ny tany a
Fa marary ny tany e
marary Afrika
Mararin' ny risoriso izy e
nony tonga ny fahafahana
mararin'ny ady an-trano izy e
tonga ny fahaleovantenany
mararin'ny didy jadona izy e
foana ny fanandevozana
mila anao zanany hanavotra azy izy e
miandry ano zanany hanavotra azy izy
afrika
afrika
taniko mijaly e
kanefa aza kivy na hoe hamoy fo
ireo zanakaorehetra ireo hitsangana hifoha
hanongotra ireo tsy sitram-parasisa
hanorina indray ny tany mba ho paradisa
mbola ho av paikanao
mbola ho sambatra ianao
Afrika
Fa Marary afrika e
Fa marary ny tany a
Fa marary ny tany e
marary Afrika
Mararin'ny tondra-drano izy e
rehefa tonga ny fahavaratra
Mararin'ny hain-tany
Rehefa tonga ny lohataona
mararin'ny mosary izy e
rehefa tonga ny miaka-bokatra
mila anao zanany hanavotra azy izy e
miandry ano zanany hanavotra azy izy
afrika
afrika
taniko mijaly e
kanefa aza kivy hoy aho
fa tsy irery ianao
fa be ny namanao
eran'ny izao tontolo izao
tsivalivaly manko ny fiainana eto an-tany
Ka raha lavo ianao anio
hiarina ianao indray andro any
oya yeh..!
Fa Marary afrika e
Fa marary ny tany a
Fa marary ny tany e
marary Afrika
Mararin' ny risoriso izy e
nony tonga ny fahafahana
mararin'ny ady an-trano izy e
tonga ny fahaleovantenany
mararin'ny didy jadona izy e
foana ny fanandevozana
mila anao zanany hanavotra azy izy e
miandry ano zanany hanavotra azy izy
afrika
afrika
taniko mijaly e
kanefa aza kivy na hoe hamoy fo
ireo zanakaorehetra ireo hitsangana hifoha
hanongotra ireo tsy sitram-parasisa
hanorina indray ny tany mba ho paradisa
mbola ho av paikanao
mbola ho sambatra ianao
Afrika
19. sonwin
(
13/04/2005 16:22)
Misaotra betsaka akia Lanto a, faly be za sy cutie , nahazo ilay tononkira ihany
iartistika miketrika inona klé?:-D :-D
iartistika miketrika inona klé?:-D :-D
20. lanto
(
14/04/2005 08:27)
sonwin, cutie> nareo no koa isaorana fa tena nahazo fy zah nihaino indray an'io hira io :)